Kosta Rika: Mety hanimba ny hetahetan'ny ho filoha ny risorison’I Calderon

Tamin’ny 2004, no naseho ankarihary ireo antontan-taratasy milaza fa nandray vola mitentina 440 500 dollar avy amin’ny Orinasa Fischel (Fischel Corporation) ny filoha Kosta Rikana teo aloha Rafael Ángel Calderón Fournier. Ity teti-bola ity dia nitovy tamin’ilay vola mitentina 8 tapitrisa dollar izay nosintonina avy tamin’ilay vola mitentina 39 tapitrisa dollar nomen’ny governemantan’i Finland ho amin’ny hai-tao maoderina an’ny Birao Tsinjo lavitra ara-tSosialin’I Kosta Rikana (CCSS ny raikipohy amin’ny teny Espaniola). Noho ny fanadihadiana izay hita fa tafiditra tao anatin’izany ny filoha Kosta Rikana teo aloha, sy ny mpandraharaha antsoina hoe Walter Reiche Fischel ary ny filoha mpanatanteraka teo aloha tao amin’ny CCSS Eliseo Vargas, dia voasambotra ary nalefa teny am-ponja I Calderon. Nogadraina iray taona tao am-ponja izy mialoha ny famotsorana azy ary ankehitriny dia manoloana ny fitsarana resaka risoriso izay anenjehana azy izy.

Inoana fa mihoatra ny 28-80% ambonin’ny vidin’ny fitaovam-pitsaboana avy amin’ny orinasa Finland ny vola naloan’ny governemanta Kosta Rikana. Ankehitriny ary dia manontany ny maro amin’ireo vahoaka Kosta Rikana hoe aiza izany vola izany?

Soratan’ ny bolongana Periodismo Informativo [es] hoe:

Manameloka ireo ahiahiana tamin’ny konokonona drafitra mandainga ny ministeran’ny mponina, arahin’ny kinendry ahazoana rariny avy amin’ny governemantan’I Finland tamin’ny fividianana ny fitaovam-pitsaboana ho an’ny CCSS. Voamarina fa nahazo totalim-bola mitentina 9 163 821 dollar tao anatin’ny “karama tsy ara-dalana” ilay voampanga.

Ho an’ny maro an'isa, dia goavana tokoa io teti-bola io indrindra ho an’ny firenena tahaka an’I Kosta Rikana izay fantatra fa misy fetra ny teti-bola famatsiana ho an’ny mponina. Mitaintaina ihany ny ankamaroan’ny vahoaka Kosta Rikana toy I El Burro de Licha [es] eo ampiandrasana ny valin’ny fitsarana eny fa na dia fantatr’izy ireo aza fa efa nanjavona tsy hita popoka ny vola:

Mino tsy ampihambahambana izahay fa ny (fitsarana) dia hanambara ny fahadiovany na ny helony, ary raha toa ka madio izy, dia aoka tsy hisy intsony ny ahiahy, fa tsy hoe satria azo natao ny manalefaka ny toe-javatra.

Tsy afenin’I Calderon ny faniriny ho tonga filoha voafidy indray ary efa nanao fitsidiham-paritra manerana ny firenena hanohana azy amin’ny fifidianana izy. Efa miezaka ihany koa izy ny hampisongadina ny endriky ny antoko politikany Antoko Mitambatra ara-tSosialin’ny Kristiana (PUSC ny raikipohy amin’ny teny Espaniola). Ity no zavatra iray tsikaritry Marco Blanco avy amin’ny ¡Que Clío nos guarde! [es]: manamarika izy fa hoe na dia I Calderon izy tenany aza dia mety tsy mahatsikaritra ny vintana ho mazava tsara:

Rehefa jerena mialoha ny fifidianana amin’ny taona 2010, dia mikasa ny hampivondrona ny mpitarika teo amin’ny tantara ny PUSC, manana ny ambo-po hametraka mpifaninana amin’ny fifidianana anankiroa izy sy ny filoha teo aloha Calderon (mazava ny fahalemena eto, tsy misy mahazo antoka aloha fa ny filatsahana ho fidiana ho ao anatin’ny vondron’ny kongresy (congress) no vato ifaharan’ny fandresena amin’ny fifidianana filoham-pirenena, izay amin’ny fotoana mitovy!)

Miadana ny famindran’ny fitsarana, ary maminavina ny sasany fa izay no tsy mantsy fandehany noho ny fanerena ara-politika. Raha toa moa ka hoe efa ela no vita ny fitsarana, dia mety mihena kokoa nohon’izany ny herin’ny fampielezan-kevitra ho filoham-pirenena. Kanefa aloha mbola manana ny vintana hilatsaka mpifaninana amin’ny fifidianan I Calderon, saingy ny mpifidy mavitrika toy Conjitos Suicidas [es] dia tsy mieritreritra fa mpifaninana mety aharitra (ho matotra) izy:

Tsy hifidy an’I calderon intsony aho, ambonin’izany dia mihevitra aho fa tsy mba menatra izy, rehefa nilaza izy fa hilatsaka ho fidiana indray, tsy homeko azy ny vato ary mbola ambanin’izany ny fanohanana ny antoko politikany.

Toy ny maro hafa, mino tanteraka ny fitsarana ara-drariny aho. Ao anatin’ny fitsarana marina fa tsy ao anatin’ny fitsarana voateritery toy ny didy jadona. Manana ny zo ho tsaraina araka ny fahamarinana isika rehetra fa tsy hoe amin’ny karazana fomba fijery toy ny hoe satria izy no mpanao politka fa ny olona iray kosa no mendrika ny fonja.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.