Isiraely: hanaraka ny fivavahana jiosy ve i Lindsay Lohan?

Niova hanaraka ny fivavahana jiosy i Lindsay Lohan no malaza ao Isiraely.Voalazany ao anatin’ny pejy Facebook-ny manokana hoe nanantena izy fa ny fiovany dia hitondra azy hanakaiky bebe kokoa ny namany jiosy, antsoina hoe Samantha Ronson. Ankehitriny dia ao Londres I Lohan sy Ronson manatrika ny fotoampivavaham-pianakaviana jiosy, mitzvah.

Image sourced from Wikimedia Commons

Image sourced from Wikimedia Commons

Tanteraka ny filazana niaraka tamina fanamarinana isankarazany.

Mamakafaka tsara I Dion Nissenbaum avy amin’ny Checkpoint Jerusalem:

Miketrika ny hanaraka finoana Jiosy ve ilay mpilalao sarimihetsika malaza Lindasy Lohan amin’ny anaran’ny fitiavana?

Manontany i Simply Jew:

“Ny fanontaniana goavana dia ny hoe: ho faly amin’izany ve ny filohantsika Rabbi?”

Miangavy mafy i Elder of Ziyon:

“Ity no fotoana handraisana fepetra…hanomana hetsika fitadiavam-bola aho entina anakaramana vola be ny mpitondra fivavahana iray avy amin’ny finoana hafa raha toa ka afaka mandresy lahatra an’I Lohana ianao mba hidirany ao anatin’ny finoana misy anao ankoatran’ny finoana Jiosy. Marina izany – manao azy ho mpanara-dian’ny Confucius ianao na ny olon’ny mpanao rasta, dia ho azonao ny volabe avy eo”

Mandritra izany fotoana izany, dia maneho ny heviny i Michael Lohan, dadan’I Lindsay tsy nifankahazo taminy sady ministra teo aloha:

“Hijery ifoton’ny atao hoe jodaisma izy ankehitriny. Efa nandalovany ny fiangonana mianatra momba ny siansa (Eglise de la Scientologie), efa nandramany ny Kabbalah, ary ankehitriny dia ity manaraka ity indray. Eritreretiko fa dingana hafa fotsiny ihany izany. Kanefa n’aiza n’aiza ny tiany alehany, dia ampiarahany amin’ny fiainany foana Andriamanitra, ary izany fotsiny ihany dia efa mahafaly ahy.”

Taterin’ny Daily Mail an’I Londona, izay namaky ny tantara ankarihary hoe:

Teo am-pidiarana ny sinagoga dia nanontany an’I Lindsay ny mpaka sary iray raha toa ka nivadika finoana izy, raha ny hoe hivadika hoy izy namaly: “Miezaka aho”

Manoratra ihany koa ny ao amin'ny Daily Mail fa manao famangiana fanampiny any amin’ny sinagoga ao Londres I Lohan sy Ronson mba ahafahan’I Lohan mianatra misimisy kokoa mikasika ny dingana mandroso mankany amin’ny fiovam-pinoana. Mandany eo amin’ny herintaona ny fivadihana ho @ finoana Jiosy feno ary eo ambanin’ny fanampian’ny Rabbi izay mampianatra ny finoana sy ny fombafomba nentim-paharazana.

Natao tatitra koa ny olo-malaza hafa fa hoe anisan’ny miandrandra fiovam-pinoana koa I Leonardo DiCaprio, izay mitia ankizivavy tsara bika Israeliana antsoina hoe Bar Rafaeli. Tsy hankasitraka ny fangataham-bady ny fianakavian’I Rafaeli raha tsy mivadika finoana I DiCaprio.

Ity mpanoratra ity dia miteny hoe raha I Britney Spears no afaka mivadika silamo, dia tsy hisy tsy ho tanteraka ny zava-drehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.