Fety an-dalambe goavana indrindra eto an-tany: Karnavala Breziliana

Herinandro lasa izay, nifoha mba hankafy ny fety goavana sy manandazan’ny firenena fanao isan-taona ny vahoaka Brezilianina: ny karnavalona izany, na koa hoe, ilay fandaniana goavana eto an-tany izay misintona olona antampitrisany hivoaka an-dalambe an’ny renivotra tsirairay eran’ny firenena. Anisan’ny kolotsaina Eropeana ifangaroan’ny vako-drazana izy ity, samy nahita ny embony, ny lokony sy ny lazan’I Brezil ny Afrikana sy ny Eropeana.

Adinoy ny krizy ara-toekarena eran’izao tontolo izao, na ny krizy isan’andron’I Brazil – karnavalona toy ny mahazatra izany. Ambony noho ny vinavina ary avo noho ny tamin’ny taona lasa ny isan’ny olona sy ny mpizaha tany, izay arahan’ny tahan’ny hari-karena isan-taona. Novinavinaina fa ho 710 000 ny mpizaha tany mety hamangy an’I Rio de Janeiro fotsiny (tamin’ny taona lasa dia nahitana 705 000). Ary noho ny taham-bola miakatra eo amin’ny vola dollar, dia ho betsaka ireo Breziliana no hanapakevitra hijanona ao an-toerana hanao karnavalo ary hivezivezy ao anatin’ny firenena ihany, raha araka ny tokony ho izy dia matetika no mandany ny fotoanany amin’ny fety any ivelany ry zareo.

Manao fiankanjoana ny olona mandritra ny Karnavalo, manala azy na mamahana angovo avy amin’ilay fotoana izay ekena foana hoe andro tsy fiasana ry zareo. Miisatra sady mijanona ny firenena mandritra ny fankalazana, ary betsaka no miteny hoe manomboka ny taom-baovao ao aorian’ny karnavalo. Tsy azo antoka ny hisian’ny fihomehezana ireo famoronan-tsehatra ataon’ny olona rehefa eo anatrehan’ireo fiankanjoana tsy maontina, na endrika mahatsikaiky sy ireo jery todika mahakasika ny raharaha ao an-toerana sy iraisam-pirenena. Ireto kosa ny sasany amin’ireo sary tsara indrindra nomen’ny Creative Commons alalana izay naely tao tao anatin’ny Flickr.

Andro “voalohany”, Asabotsy faha-21

3299520856_07b4c526b8-11

Tery ny toerana entina hanodikodinana ny elo! Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny Galo da Madrugada ny karnavalo tao Recife, ilay karnavalo mankadiry indrindra antsoina hoe “bloco”, izay mampiseho an-tsary ao anatin’ny Boky Guiness misy ny antontan’izao tontolo izao (The Guiness book of World Records) fa izy no Karnavalo rodobe an-dalana mankadiry indrindra eto amin’izao tontolo izao. Sarin’I Felipe Ferreira (FF).

3307282405_c2eb5e6e89

Lehilahy mitafy akanjo vita amin’ny kapoty tao Recife, sarin’I carlosoliveirareis. Nanome kapoty antapitrisany ny mpitondra fanjakana nandritra ny Karnavalo, kanefa dia mbola voavinavina ihany fa hirongatra ny zaza hateraka afaka 9 volana.

3308105760_d980da3e13-1

Akanjo hafa vita karakara aoka izany: vehivavy mpimpasoka eny andalan’ny Recife, sarin’I carlosoliveirareis.

3314614478_87486bc712

Mpankafy ao São Paulo's Sambodromo. Sarin’I André Cherri.


Alahadin’ny famelan-keloka, faha-22

3304009988_2da7b61bf8

Azon'i Rodrigo Soldon ny sarin’I Mona Lisa, izay mifaly avanja ao anatin’ny karnvalon’ny Rio.3299903775_22ae942984-1

Cordão do Boitatá, Rio de Janeiro. Sarin’i Luciano Joaquim

3303037834_efb31ab9d4

Ho an’ireo izay tsy afaka mandany fotoanany miala lavitra ny tranok’ala makasika ny serasera ara-tsosialy, dia ity ny fomba fiankanjon’I Orkut. Rio de Janeiro. Sarin’I URBefotos.

3301128112_d2c64b8b0c

Nandeha nitsidika an’I Olinda I Fidel Castro mba hijery Karnavalo. Sarin’I Ádria de Souza/Pref.Olinda. Olinda. Ankoatri’ireo mpanao politika dia tsikaritra teny amin’ny faritra maron’ny firenena ihany koa I Barack Obama, ny indro kely fotsiny dia tsy nampiditra ny sary anaty anterineto eo ambanin’ny Creative Commons license ireo mpaka sary miafina tsara vintana (papparrazzi)Alatsinainy madio, faha-23

3304374004_753b1b4ecb

Miara-mifaly ao Olinda ny mpanao gazety Irakianina, Andriamatoa Bush sy ny kiraro am-bozonana. Fantatrao ny tantara ao ambadik’izany. Sarin’I Ádria de Souza/Pref.Olinda

3303886739_47a405af19

Horoka omen’ny mpilalao sarimihetsika Paola Oliveira, ilay mpanjaka vavin’ny Sekoly dihy Samba ao Grand Rio, iray amin’ireo sekoly miisa 30 nifaninana tamin’nySamba School Parade. Sarin’I dubiella.


3314113285_a70de045d2

Ny sekoly nandresy tao Rio de janeiro dia I Salgueiro. Sarin’I ane aguirre

Talatan’ny voavela heloka, faha-24

3308825403_016a870a0a

Venice?Tsia, Olinda! Sarin’IÁdria de Souza/Pref.Olinda

3310684177_386f38ec03

Mitsambikimbikina tsy ankijanona tao São Paulo. Sarin’I Cristiano Caniche.

carnival_morning_rio

Tsisy ny andron’ny mofo tampon-tsatroka (crepe) ao Brasil, ny andro faran’ny karnavalo dia mampanembonembona – Vao mangiran-dratsy, Rio de Janeiro. Sarin’i Ana Pinta izay anaovan’ny mpikirakira flicker tsikera: “Dia hita mihintsy fa toy izao ny endriky Rio de Janeiro”.

Alarobian-davenona, faha-25

Manisa andro sahady ireo mpandefa eritreritra ao Olinda miandrandra ny fety goavana manaraka amin’ny heritaona eo ampitazonana sora-baventy manao hoe: “Aza taitra fa 353 andro sisa e”. sarin’I Ádria de Souza/Pref.Olinda

Tapitra tanteraka amin’ny fomba ofisialy ny karnavalon’ity taona ity, eny fa na dia mbola mandeha hatrany aza ny herinandro hafa tsy ofisialy entin’ny antokon’olona “ tia manala azy” ho fankalazana ny karnavalo misimisy kokoa, afaka manomboka amin’izay ‘zany ny taona 2009.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.