Bolivia: Nandrakotra ny Twitter ny Fitsampan-kevi-bahoaka

Raha vao nikatona ny fifidiana nananerana ny Bolivia izay nentina nanaovana fitsampan-kevi-bahoaka ho fanovana ny lalampanorenana , betsaka tamin’ireo firenena isankarazany izay mpampiasa ny twitter no niasa mafy nandefa ny hafatr’izy ireo momba ny traikefa hananan’izy ireo avy amin’ny toerana misy azy ireo.Araka ny fandaminana mba ahafahana mametraka eo ampivoany ny vaovao avy amin’izy ireo dia mampiasa ny famantarana #referendum.

Maro ireo nitantara anaty twitter rehefa niverina avy amin’ny toeram-pifidianana nisy azy avy izy ireo ary nitatitra ny fizotran’ny asa teny. Soratan’i Rolando Espinoza (@darkho) ny momba ny vondrona tanora mpanohitraany ao Cochabamba, izay anisan’ny tonga teny amin’ny sekoly nandehanany nifidy:

Manaramaso ny lisitry ny solotena tao amin’ny trano fianarana antsoina hoe Loyola I #referendum Cbba (Cochabamba) juventud kochala

Mantanoratra I InLa Paz, Eliana Quiroz (@e_liana) hoe firy izao ireo nandany ny tontolo androny taorian’ny fanatanterahany ny andraikitra amin’ny maha-olom-pirenena azy

Henan’akoho no sakafon’ny sasany ary misotro Coca-cola kosa ny hafa rehefa vita ny fifidianana natao tao amin’ny tranon-tsekoly ambarotonga faharoa tao la Paz.

Nalefany an-tsary toa amin’ny Twitpic ny fanondrony misy ranomaintsy izay milaza fa avy nanatanteraka ny adidy amin’ny fifidianana izy.

Mahatsiaro tena hoe lavitry ny fonenany ny mpifidy sasany. Mifanipaka be ihany ny misy an’I Mario César Señoranis (@mariocesar_bo) avy any Santa Cruz sy ny misy ny renivohitra La Paz, ary miezaka ny mitady hevitra izy raha toa ka afaka mifidy;

Vao nifoha avy tao amin’ny torimasoko aho u_uzZzZ…Tsy mbola fantatro hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahako mahazo ny taratasim-pifidianako amin’ity fitsapa-kevi-bahoaka ity, tokony hifidy any scz (Santa Cruz) ve aho, nefa anie aty lpz (La Paz) aho izao e. 8’(

Namorona kaonty manokana Twitter antsoina hoe @referendum_bo ny tranok’ala Al Minuto [es] mba entina hizarana zotra-pifandraisana (lien) ho an’ny vaovao izay manokatra ankariary ny toe-javatra, nametraka ihany koa ny varavarankely ifaneraserana entina ivohizana ny resadresaka mivantana anterineto sy ny fampielezana indray ny kirioka sasany (tweets).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.