Afrika: Famahanam-bolongana sy fiarahana amin'Andriamanitra

Efa elaela ihany izay, kanefa noho ny zava-misy dia tsy niandry ny fiainana hanantona azy izy – afaka tenenina hoe nanampy amin’ny fitazonana ny hadalana ny famahanam-bolongana rehefa nisedra ny kotro-baratry ny zavatra entin’ny fiainana izy. Tao anatin’ny ady sarotra sy tahotra, hehy sy tomany, no nanohizan’ireo vehivavy Afrikana ny fitantarana ny tantaran’izy ireo, ny fifampiazarana ny dian’izy ireo miaraka amin’Andriamanitra. Taonan’ny fivoarana ho an’ny rehetra ny taona 2008. Tohin’ izany ary dia ho taonan’ny fahamatorana ny taona 2009.

Mizara  ny tantara marina niainany avy tamin’ny fery teo amin’ny fihodirany fotsy I Chichi, izay Surviving on Grace

Fa maninona ary isika no dia miziriziry be sy mafy loha indraindray rehefa hanantona hitady fanampiana avy amin’I Jesoa. Maninona isika no lasa miheritreritra hoe tsy fantany ny misy antsika, na ny zavatra mianjady amintsika, eny fa na  fanamelohana ataontsika midika hoe tsy mendrika ny hanantona sy hitalaho aminy isika manao hoe: “TENA VITA NY AMIKO. MBA AMPIO RE AHO!”.

Rehefa mitalaho fanampiana isika, dia omen’ny Tompo ny fahatanterahana eo amin’ny olana sedraintsika, araky ny lazain’I Gomer aminao amim-pahatokisana. Nianatra lesona izy teo amin’ny fandrindrana ny fotoana tamin’ireo andro tsy nahasalama azy ary tsy hitany ny fomba hamitana izany. Nandamaka natory fotsiny izy kanefa nahatsapa fa diso be torimaso loatra ary tsy nanao izay mba toro-hevitry ny Pasiterany.

Tsy maintsy manitsy haingana izany aho satria efa nanomboka nahatsikaritra aho fa tato ho ato dia diso natory be loatra aho. Adiny 8 isaky ny alina fara fahakeliny fa raha ankoatr’izay dia tsy ho ahazo aina ny vatako. Ratsy izany ho an’ny olona tanora toa ahy. Ny pasiterako dia milaza foana ny amin’ny hoe tokony hatory anatin’ny adiny 5 fotsiny ny Kristianina isaky ny alina – fa hitarika tsy fahatomombanana ny ankoatr'izay……

Anontanian’I Rita antsika ny fanontaniana roa ambin’ny folo izay tokony ho fanontanina apetraky ny vehivavy rehefa mikarakara ny mpanjakany izy, ary avy eo manome azy antony ny ametrahana fanontaniana azy ireo:

Ry havako, tsy manome anareo lisitra akory aho na fitarihana. Fa kosa milaza amim-pahatsorana zavatra 2:

1.    Rehefa mikarakara ho an’ny mpanjaka lahinareo ianareo, dia tokony jerenao ny zavatra mihoatra ny ara-batana  ary manome fahafaham-po ny zavatra ilaina. Eritrereto ny fiainana miaraka aminy mandritra ny 3 taona.
2.    Ho anareo lehilahy, mino aho fa tianareo ny anana “mpanjaka vavy” kanefa tokony hanomboka miomana ho amin’ny fiainany ianao. Azo vianavinaina fa efa manana ny lisitra eo an-tanany koa izy (ravehivavy).

Tena azo vinavianaina mihintsy izany fa manana lisitra izy! Kanefa mandritra ny fotoana iandrasan-dravehivavy, dia tokony mianatra mandrindra ny fotoanany izy, koa rehefa tonga ny fahasarotana, dia tsy tokony ho menatra izy hiangavy fanampiana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.