Palestina: Mitohy ny fanafihana any Gaza

Na dia eo aza ny fanambaràna ny  fampitsaharana samirery ny tifitra nataon'i Israely  sy ny Hamas dia mitohy ihany ny fanafihan'ny miaramila Israelianina any Gaza raha mandritra izany ny sampana Palestiniana kosa  dia manohy mitoraka ‘rôkety’ any Israely.  Ato amin'ity lahatsoratra ity no andrenesantsika ny vaovao farany avy amin'ireo blaogy any Gaza.

Prof. Said Abdelwahed, mpampianatra teny Anglisy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Al-Azhar University, dia manoratra ao amin'ny Moments of Gaza (18 Febroary) hoe:

Omaly hariva, nisy angidim-by mpiady [helicopter] iray nanidina teo ambony lohanay tao amin'ny faritr'i Tel al-Hawa; nandatsaka “missile” iray tany ho any taty amin'ny faritra misy anay izy! Nisy F-16 koa nikendry toerana roa tany Khan Younis sy Rafah. Omaly alina, efa tokony teo amin'ny misasakalina teo, nanatanteraka fanafihana telo tany avaratr'i Gaza ireo F-16! Maro amin'ny toerana nokendreny amin'izao fotoana izao no efa potika nandritra ny ady, noho izany dia manafika  toerana efa simba izy ireo! Ny zava-misy dia tsy dia voaresaka loatra ireo fanafihana ireo! Tsy nisy resaka momba an'io tany anaty fampahalalam-baovao; toy ny hoe lasa fanazaran-tena tsotra amin'ny fiainana andavan'andro ilay izy!

Ilay mpanoratra Amerikana Elliott Woods, izay nahazo vatsy avy amin'ny Foibe Pullitzer ary any  Gaza, dia nanoritsoritra ny zava-misy ao amina lahatsoratra tamin'ny 9 Febroary:

Rehefa taty efa ho iray volana aho izao – indrindra nandritra ilay hoe fampitsaharana poa-basy – dia tsapako any anatin’ny taolako ny fandrahonana tsy miato. Disadisa mitoetra tsy miala, tahaka ny aretina an-doha na ny “makafoka” izay tsy mahatazona anao ao am-pandriana, fa mahatonga anao ho tonga saina fa misy zavatra tsy manjary. Ho tahaka ny ahoana ny fiainana ao anatin’izany karazana tsy fananana antoka izany, izany tahotra mahafaty izany, mandritra ny taona maro?

I Sharyn Lock, mafana fo iray dia nanoratra (16 Febroary) tao amin'ny Tales to Tell:

Nisy mpampianatra avy any Afrika Atsimo iray izay namaky ity blaogy ity nanontany omaly: “Naheno aho fa isan'andro dia mbola vonoina ihany ny olona any Gaza, marina ve izany?”

Eny. Saika isan'andro dia miampy ny faharatrana, ary matetika aza fahafatesana mihitsy. Ary tahaka ny mahazatra, matetika dia sivily avokoa izy ireny.

Nanome ohatra fanafihana vitsivitsy  izay efa nitranga i Sharyn, ary miteny:

Ny sakana noho ny teny tsy mifankahazo sy ny fotoana dia midika fa tsy afaka mampahafantatra anao foana ny antsipirihany momba ny ratra sy ny fahafatesana mitranga aty izay vokatry ny fanafihana Israeliana tsy miato aho. Matetika, mety haheno fipoahana isika, ary andro iray na roa izay vao fantatra mazava hoe inona iny ary iza no voakitik'izany. Amin'ity herinandro ity dia anjarako ny manao fiandrasan-draharaha miaraka amin'ireo fiara mpamonjy voina ka dia ho mora amiko ny hahatsapa ny zava-mitranga sy hijoro ho vavolombelona. Nefa indrisy, na maheno momba azy ireo avy amiko ianao na tsia dia tsy maintsy ataonao an-tsaina fa mitohy ny ratra sy ny vono, satria any Gaza, izay no atao hoe Fananiham-bohitra Israeliana.

Miblaogy ao amin'ny In Gaza ilay mafana fo Kanadiana Eva Bartlett, ary tao anatina lahatsoratra tamin'ny 17 Febroary izy dia nanoratra momba ny fijalian'ny tantsaha any amin'ny sisintanin’i Gaza amin'ny ilany atsinanana:

Mipetraka any Khan Younis i Abu Alaa ary manana tany ao amin'ilay faritra vonjimaika vao avy nalehibeazina, amin'ilay sombin-tany manamorona ny Tsipika Maitso izay, avy any avaratra ka hatrany atsimo, manasaraka an'i tany Palestiniana efa ho  1 km ankehitriny. Fahiny ‘mbola 300m ‘monja’ ilay faritra vonjimaika, dia efa  tany 300m be izao izay no nobodoin'ny hery mpanani-bohitry ny miaramila Israeliana. Ankehitriny rehefa 1 km izy ity, moa ve ny olona izay nopetehina tamin'izay fomba rehetra mety ho takatry ny saina ny asa fivelomany (nahakenda an'i Gaza taorian'ny nahavoafidy ny Hamas) dia tokony hametraka ny fitaovam-pamboleny, hamela ny fahatokisan-tena, ary hilahatra fanampiana izay efa tsy mbola azo akory? Toy ny olona rehetra mbola manana fahaiza-manao, tsy te-hiankina amin'izay fanampiana ny Palestiniana; maniry mafy ny ny hizaka tena ary ny handray anjara  amin'ny toe-karena fa tsy hiandrandra lava (na tsy handray, tahaka ny andro farany teo) fanampiana avy amin'ny UN sy ireo mpanao asa soa hafa.  Ny fifehezana tsy an-kiato ataon’ i Israely amin'i Gaza sy ny manodidina azy dia midika fa ireo tantsaha izay afaka mamokatra legioma, voankazo na voninkazo dia tsy afaka manondrana izany. Ny fitsaharana kely ho an'ny andron'ny mpifankatia, nahafahana nanondrana voninkazo 25 000 isa, dia izao fotsiny: bitika sy mandrangitra. Tato anatin'ny telo taona farany teo,  efa azo lazaina ho tsy nisy ny  fanondranana voninkazo sy frezy. […] Noho izany ireo tantsaha ao anatiny, izay miezaka ny hamelon-tena,  ary koa hamatsy legioma ampiasaina manodidina an'i Gaza, dia manohy ny tolony tsy misy herisetra ho an'ny fivelomana, amin'ny fiasana ny taniny sy famokarana ny tongolony, persily, radis, épinard, tsaramaso… ao anatin'ny poa-basy.

Tao anatina lahatsoratra tany aloha (19 Febroary), i Eva dia mitantara ny naha-voatifitra teo amin'ny tongony tantsaha marenina iray, tantsaha fahaefatra voatifitra tao anatin'ny telo herinandro. Manome rohy mankany amin'ny horonan-tsary momba ny zava-nitranga i Sharyn Lock ato.

Manohy ihany i Eva:

Manomboka ilaozan'ny olona  ireny tany lonaka manamorona ny sisin'ny faritr'i Gaza ireny, satria ny tantsaha, izay maro no efa niasa ny tany teny nandritra ny taona maro, dia matahotra ny miaina sy miasa amin'ny taniny ankehitriny. Ny sisin'ny faritr'i Gaza, izay 40km fotsiny ny halavany ary 10km ny sakany, dia miha-mihena hatrany manoloana ny fibodoana Israeliana, amin'ny fametrahana sy fanitàrana ny faritra vonjimaika tsy ankiera  ary noho ny fitifirana sivily sy tantsaha miezaka ny mivelona sy miaina eo amin'ny taniny. […] Noho ny fahanginany,ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia toy ny mitodi-damosina sy mankasitraka ny fanaovana fahirano an'i Gaza amin'ny fandraràna ny Palestiniana tsy hahita fomba rehetra iainana sy fivelomana azo eritreretina, mangina ny mpitarika iraisam-pirenena manoloana ny fanararotam-pahefana atao amin'ny tantsaha sy ny mpanjono, ny tena mahantra sy ny tena mahery fo, izay miatrika ny tifitra Israeliana ary miafara toa an-dry Mohammed, Anwar, na i Rafiq, 23 taona, izay voakendry tany amin'ny 2 miles ny sisitanin'i Gaza tamin'izy tao anaty lakana fanjonoana. Nofafazan'ny miaramila Israeliana bala ilay lakana, bala mipoaka ‘dum-dum’ izay nahavoa an'i Rafiq teo amin'ny lamosiny ary nipoaka ho potiny kely be dia be nitsatoka tany amin'ny avokavony ary mbola mijanona eo akaikin'ny tsokan-damosiny, tsy azo tsoahana. Tsy toe-javatra maningana sy fifandrifian-javatra izany. Ampahany amin'ny politika fangejana  ny endrika fizakan-tena  rehetra izay ezahan'ny Palestiniana idirana izy ireny, ary ny fanohizana ny ezaka fanapotehana ny fanirian'ny Palestiniana, ezaka izay niteraka fahirano mahery vaika nandritry ny taona maro, sy ady nandatsahan-drà naharitra 23 andro nahafatesana Palestiniana efa ho 1370 teo, ary ny fikendrena tsy an-kiato ny sivily any amin'ny faritr'i Gaza.

Mafana fo izay tsy mitonona anarana mitoraka blaogy ao amin'ny  Writing from Gaza no mitantara  (16 Febroary) momba an'i  Ali Abdul Salam Al Sa’ay 19 taona izay poaka [voa]  ny masony havanana, ny tanany havia ary rantsan-tànana telo tamin'ny tanany havanana noho ny tifitra missile nahazo ny sisintanin'i Gaza avy amina sambo mpiady israeliana tamin'ny 10 Janoary (talohan'ny fampitsaharana ny poa-basy). Ali dia avy ao amin'ny  tobin'i Al Shati’ [Morontsiraka]:

Voakendry manokana ny tobin'i Al Shati’ nandritra ny adin'Israely tany Gaza. Naharitra 24ora/24 ny fanapotehana ny toby, hoy ny fanazavan'i  Abdul Salam, rain'i Ali.  Nafindra toerana daholo izay tamin'ireo trano manoloana ny ranomasina rehetra. Mitifitra avy amin'ny sambo mpiady, fiaramanidina sy ny sisa ry zareo’.
Mitohy ny fipoahana ao amin'ny tobin'i Al-Shati’, noho ny daroka tsy mitsahatra ataon'ny sambo mpiady israelina amin'io toby io.  ‘Daiman, daiman (isaky ny mihestika, isaky ny mihetsika)’, hoy i Ali. Manampy ny rainy hoe, ‘Lasa mahazatra ny olona ny maheno ny tifitra. Toy ny hoe amponga izany ankehitriny. Be ny olona maratra’
.

Manoratra (16 Febroary) ao amin'ny Gaza Blog-n'ny New Internationalist i Louisa Waugh :

Monina any Rafah i Faiza, 200 metatra monja amin'ny sisintany iraisana amin'i Egipta. Manoloana lavaka fidirana amina zohy  izay nolavahana tao ambanin'ny sisintanin'i Gaza sy Egipta no misy ny tranony. […] Fantatro fa nafindra toerana nalàna tamin'ny tranony ny fianakaviany nandritra ny ady, ary vao haingana no niverina.  Noho izany dia nandeha fiara nankany Rafah aho mba hihaona amin'izy ireo. Simba tamin'iny ady iny i Rafah – simba noho ny tifitra tamin'ny fitaovam-piadiana mavesatra, ny baomba sy ny fitaovana fitifirana hafa ireo trano manamorona ny sisintany, potika tsy misy horaisina ny tontolo. Toa mampalahelo izany – io no saisarin'i Gaza hitanareo amin'ny fahitalavitra. Ny tranon'i Faiza, any amin'ny fiafarana lalan-tany iray, dia efa toy ny mitoka-monina ankehitriny – ny trano mpiray vodirindrina amin'ny ilany roa dia voafafan'ny baomba avokoa, ary noteneniny ahy fa betsaka amin'ny mponina no matahotra mafy ny hiverina aty amin'ny faritra noho ny fitohizan'ny fandarohana. Miteny ny Israeliana fa hamotika ny tambajotran'ireo zohy ry zareo, ary saika isan-kalina dia misy fanafihan'ny fiaramanidina foana manozongozona ny tranon'i Faiza, mampatahotra ny ankizy sy ny lehibe. Rehefa mihamafy ny daroka baomba dia mandeha mitsoaka any amin'ny havany mipetraka lavitra ny sisintany ilay fianakaviana.

‘Efa nafindra toerana efa ho in-dimy izahay farafahakeliny nanomboka tamin'ny [18 Janoary] fampitsaharana poa-basy,’ hoy izy tamiko. Ny teny hoe ‘afindra toerana’ dia ahazoana  sary an-tsaina ny fiarakodia fotsin'ny ONU tonga mba hamonjy ireo osa  sy mitondra azy ireo lavitry ny loza mitatao. Nefa ho an'ireo olom-bitsy navela taty amin'ny faritra vonjimaika hapoaka, ny famindràna toerana dia midika fa folo minitra no ananan'izy ireo hangoronany ny entany sy handosirany an-tongotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.