Angaredon’ny mpamaham-bolongana Arabo manohitra ny Jodaisma ao Jerosalema

Jerosalema, AlQuds amin'ny teny Arabo no fototry ny ady Isiraeliana – Palestiniana.  Tsy ankatoavin’ny firenena mikambana sy ny olona voakasik’izany ny fakan'ny Isiraelina ao Jerosalema atsinanana ho eo ambanin’ny “lalan’ny Jerosalema”. Notapahan’ny vahaolan'ny filankevitry ny filaminana avy amin’ny firenena mikambana 478 ( lany tamin’ny taona 1980)  ny fanesorana ny ankamaroaman’ny masoivoho vahiny tao Jerosalema.

Voatsikera ireo mpitondra fanjakana isiraeliana amin'ny fitadiaana hanamaroana  Jiosy sy ny fametrahana an’I Jerosalema ho Jiosy amin’ny alalan’ny fanesorana sy famotehana ireo trano fonenan’ny arabo ao Jerosalema atsinanana, ary lazaina fa tsy ananan’izy ireo ny taratasy fanomezan-dalana hanorina izany trano izany, ho sarotra araka izany ny fahazoan-dalana ho an’ny mponina Arabo. Araka ny tatitry ny World Bank (banky iraisam-pirenena), mihoatra ny avo efatra heny sy sasany (4,5 fois) ny isan’ny trano tsy ara-dalana voaray tao anelanelan’ny taona 1996 sy ny taona 2000 tao amin’ny fiaraha-monina misy ny Jiosy kanefa mijotso/midina efatra heny kosa ny baiko famotehana trano nalefa ho an’I Jerosalema andrefana raha atao ny fampitahana ao Jerosalema atsinanana.

Tamin’ny alalan’ny setrasetran’ny mpitoraka bolongana arabo no nitranga ny fanesorana farany. Miresaka mikasika ny toe-draharahan’ny renivohitry Arabo I Kahaled Alsoud avy any Jordan [ar]:

Mponina miisa 20 000 no very zo hanorim-ponenana tamin’ny alalan’ny fisintonana ny karatra manga avy tamina fianakaviana miisa 6000; trano miisa 12 000 no mananontanona fandravana izay ataon’ny faritra Sionista sy ny rindrina apartheid , amin’izany no handroahana mponina miisa hatrany amin’ny 151 423 isa miala ny renivohitra ary rarana ny fifandraisana amin’ireo mponina sisa tafajanona. Manana rindrina misampantsampana Zionist miisa 23 i AlQuds, izay mampizarazara, manakana, mandrara ny vahoaka ao aminy tsy hifanerasera amin’izy samy izy na amin’ireo hafa ivelan’ny rindrina.
Ankehitriny , ny fitondrana Sionista dia efa nandefa taratasy fanairana ireo fianakaviana miisa 88 (olona miisa ho 1 500) fa arodana ny tranon’izy ireo, ny antony dia satria tsy nanana ny fahazoan-dalana hanorina vala (parc) eo amin’ny trano ry zareo, izany no fanilihana goavana sy zava-doza indrindra hatramin’ny fandravana ny faritry Moroccan.

Manome ny fanadihadiana ny toe-draharaha i Syriangavrohe [ar]:

Mazava ho azy fa izany dia fombafomba entina hanerena mivantana ny zava-misy mialoha ny fotoanan’ny fifanarahana mahakasika an’I Jerosalema sy Palestina, ny tsy fisian’ny mponina Arabo ao Jerosalema dia hamerina tanteraka zava-marina vaovao ka mety hampiarana ny fanerena amin’ny lafiny iray, indrindra indrindra raha toa ka andaniny malemy nitovy tamin’ ny fitondrana nasinaly Palestinianina izany.

Notsiahivin’I Jafra ny olona voasoratra ara-tantara Arabo izay novonoin’ny Mossad toy Ghassan Kanafani, Wael Zuaiter sy Naji Al Ali, izay mampisongadina ny mahazava-dehibe ny fahalalana sy ny kolotsaina ao anatin’ny fibodoan-toerana;

Ny hevitra, ny penina fanoratana sy ny fahalalana no zava-dehibe indrindra noho ireo rindrim-be ary mbola zava-dehibe noho ny basy arangaranga, na mpitifitra, na fiaramanidina mpiady mikendry hatrany izay tanjony.

Manohy ny fangatahana hanaovana an'i Al Quds ho renivohitra arakolotsaina arabo 2009:

Ny olona ao AlQuds, sy ny tenako dia tsy mivoy ho amin’ny famonoana, na ho amin’ny ady, na ny fanambarana ho amin’ny revolisiona. Fanasana fotsiny ihany izy ity mba ho entina anohanana ny fotoana ary hanao izany ho mendrika ny AlQuds.

Manontany an’ireo mpitoraka bolongana Siriana mba hamorona ny “blog for AlQuds Week” I Alghait:

Avy ao anatin’ny blaogy siriana, miantso anao aho hanendry herinandro iray handefasanao bolongana ho an’ny AlQuds, tahaka izay nataonay nandritra ny famahanam-bolongana ho an’ny herinandra Golan.
Iangaviana ny rehetra hiasa ho an’ny rahalahantsika tahaka ny vitantsika amin’ny tenantsika.
Aleo ny bolongana Siriana hitarika ny lalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.