Iran: Voafonja ny mpianatra manohitra ny fandevenana ireo maty maritiora

ak11

Mihoatra ny 70 ireo mpianatra avy ao amin’ny anjerimanontolo Amir Kabir tao Teheran no voasambotra androany, Talata 24 Febroary, rehefa nanao ny fihetsiketsehana  manohitra ny famindrana razana maty maritiora tsy fantatra anarana tamin’ny adin’ny Iraka sy Iran izay alevina ao amin’ny faritry ny anjerimanontolo. Efa nampiely sary sy horonantsary maro dia maro mahakasika ity hetsik’izy ireo ity ny mpianatra ao amin’ny tranok’lam-baovao antsoina hoe Amir Kabir News. Nitatitra ity toe-draharaha ity ny mpitoraka bolongana maro, izay mampiseho karazana firehan-kevitra ary mitondra tantara manokana.

Eto ambany dia misy ny horonantsary misy ny fihetsiketsehana tao amin’ny anjerimanontolo Amir Kabir, koa tamin’izany no nitondran’ireto mpianatra fanoharana ny governemanta iranianina ho toy ny Afghan Taliban ary nohiraihirain’izy ireo ny teny hoe:”Ambany miaraka amin’ny Taliban!”

Ao anatin’ity horonantsary hafa ity kosa dia naseho ireo miaramila “manao haza lambo ny mpianatra mpanao fihetsiketsehana”, araky ny vaovao avy amin’ny  Amir Kabir News:

Navoakan’ny mpitoraka blaogy maro, toy I Jdaneshjoo ny fanambarana nataon’ny Fikambanan’ny mpianatra Silamo avy amin’ny anjerimanontolo Amirk Abir mahakasika ity raharaha vao haingana ity. Tsy eken’ity fikambanana mpianatra ity mihintsy ny fanapahan-kevitry ny mpitondra fanjakana amin’ny fandevenana ireto maty maritiora tsy fantatra anarana ao amin’ny tany itoeran’ny anjerimanontolo, eritreretiny ihany koa fa fialana olana ho an’ny mpitandro ny filaminana izany mba hijanonan’izy ireo maharitra ao amin’ny anjerimanontolo, izay entina hamoretana ireo hetsika ataon’ny mpianatra.

Milaza I Ghomar Asheghane fa tian’ny mpitondra fanjakana avadika ho fasana ny toeram-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo,  ary nanampy ny resany izy [fa]:

Tsy afangaron’izy ireo akory ny anjerimanontolo sy ny fasana fa kosa ny tiany atao dia ny hamadika ny toeram-pianarana ho lasa fasana. Rehefa arahana ny vaovao dia betsaka ny mpianatra no tafiditra am-ponja, voarara tsy mahazo mandeha eny amin’ny anjerimanontolo ny mpianatra hafa…. Tsy avela mampianatra intsony ny profesora misongadina sasany ao amin’ny anjerimanontolo izay manana ny lenta ara-tsiantifika avo dia avo teo amin’ny tantarany ary [ny filoha] Ahmadinejad dia tsy miraika akory mifanena amin’ny mpianatra ary mamangy ny anjerimanontolo amin’ny andro fety, izay mampibaribary fa efa tonga ho fasana ny anjerimanontolo.
Milaza I Jomhour fa manohitra ity tetik’asa ity ny mpianatra satria nampiasain’ny mpitondra fanjakana ireo maty maritiora tamin’ny  ady mba ho fitaovana ahazoana ny tombotsoan’izy ireo  ara-politika. Manampy ny resany izy fa ny tranok’ala  vaovaon’ny conservative Farsi dia mampiely tantara manao fiantsiana, ary tamin’ny farany dia voadaroka sy voasambotra ny mpianatra.
Manana fomba fijeriny hafa ny mpitoraka bolongana Hezbollah ary miteny izy fa ny sasany amin’ireo mpianatra – izay mianatra eny amin’ny anjerimanontolo ka misaotra ny fanohanana ara-bola avy amin’ny fitondram-panjakana – dia nanomboka nihirahira hoe “Ambany miaraka amin’ny mpanao didy jadona”, “Ambany miaraka amin’ny Basijis”….Sady manao sarin-teny ihany, no manampy resaka ny mpitoraka blaogy manao hoe: eny fa na dia amin’izao andro izao aza dia mahamenatra ny miresaka momba ireo maty maritiora. Dia nofeheziny hoe:”Tsy fantatro aloha hoe aiza ho aiza no mety misy antsika ankehitriny ary inona no mety efa nitranga teo amin’ny tantarantsika raha toa ka tsy nandeha tamin’ny ady ireto olona maty maritiora”

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.