Hong Kong: Miaro ny fahalalaham-pitenenana

Mihoatra ny zato ny mpoina ao Hong Kong no nidina an-dalambe hanambara amin'ny hafa fa mihemotra ny fahalalaham-pitenenana any aminy tamin'ny 22 Febroary 09 lasa teo. Ny Citizens’ Radio no namolavola ny fihetsiketsehana ary notohanan'ny fikambanana mpiaro ny demaokrasia sahala amin'ny Save RTHK Campaign (fanentanana hiarovana ny Radio Televiziona Hong Kong), Hong Kong Human Right Monitors (na mpanentana momba ny zon'olombelona any Hong Kong) ary ny firaisan'antoko demaokratika any Hong Kong.

22febprotest

“Supporting Citizens’ Radio” (Fiarovana na fanohanana ny fampielezam-peon'olom-pirenena) sy “Supporting RTHK” (Fiarovana na fanohanana ny RTHK) moa no tarigetra miverimberin'ny mpanao fihetsiketsehana indrindra. Tsy faly tamin'ny fanivanana ireo nasaina hiresadresaka tao amin'ny Citizens’ Radio ny mpanao fihetsiketsehana ary tratran'izany Atoa Szeto Wah, 78 taona fantadaza ho manohana ny demaokrasia sady efa filoha teo aloha tao amin'ny fikambanana mpanohitra ny Kaominista, Firaisankinan'i Hong Kong manohana ny hetsika demaokratika any Shina. Mahatezitra ny mpitokona ihany koa ny fandavana ny fanovana ny RTHK miankina amin'ny fanjakana amin'ny ampahany betsaka nefa mpitsikera ny governemanta ho fampielezam-peo (sy sary) tsy miankina.

Nihaika moa Atoa Szeto Wah fa tsy matahotra ny handany ny andro sisa iainany any amponja izy hiarovana ny mahafaritra afaka (malalaka) an'i Hong Kong! Nanoratra tao amin'ny bolongany ny iray amin'ny mpikarakara ny lanonana Angel Lee fa :

本身我都很少參與遊行, 今次站出來是因為重視言論自由, 香港這個國際大都會絕對有能力容納到不同發聲的平台, 讓市民可以多個選擇, 這樣香港這美麗之都才得以發展。

Indraindray ihany aho no mba manao fihetsiketsehana. Niditra an-tsehatra kosa aho tamin'ity indray mitoraka ity hiarovana ny fahalalaham-pitenenana . Amin'ny maha-tanàna iraisam-pirenena an'i Hong Kong dia afa-mandray ny hevitra samihafa izy, avelao ny olona hanan-tsafidy sy hahatonga an'i Hong Kong ho vonona ho amin'ny fampandrosoana.

Mpandray anjara hafa XOX vonona hiaro ny fahalalaham-pitenenana any Hong Kong:

Still a bit tired after yesterday march. But it is worth it. The selective persecution in the People Readio so bloody unfair. […].So, freedom! Kind of touched when the uncle Wah (Szeto Wah) said he rather go to jail. I really really don't want him to go to jail, considering his age and everything.

Nandreraka ihany ilay filaharana notontosaina omaly, famila nataoizy iny. Tsy rariny loatra ny fanivanana natao tao amin'ny radiom-bahoaka.[…] Noho izany, ny Fahafahana! Karazan-javatra izay aleon'i Dadatoa Wah (Szeto Wah) aza idirana am-ponja kokoa. Tsy tiako mihitsy aloha ny idirany amponja na dia noho ny taonany sy zavatra hafa aza.

Ho setrin'ny lahatsoratr'i Donald Tsang momba ny Fahotana Fito Mahafaty, dia nahita i pangtszyin fa,

我覺得現在無論是香港新聞透明及自由度,己大不如前了.

Eo amin'ny fomba fijeriko dia nanana dingam-pahalalahana sy fangaraharahana avo ny fampitam-baovao teto Hong Kong saingy efa vasoka izany ankehitriny.

Misy adihevitra vitsivitsy moa ao amin'ny takela-baovaon'ny facebook ary ny lahatsoratra etsy ambany kosa dia mampiseho rindran-kira notontosaina teo ivelan'ny biraon'ny fanjakana foibe taorian'ny fivoriana:

Winglok Hung

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.