Chili: namoaka fantsom-baovao ho an'olo-tsotra ny ONG ho an'ireo iharan'ny herisetra

Niorina ny NGO Víctimas de la Delincuencia [es] (ireo iharan’ny herisetran-jatovo)tao amin’ny renivohitry Chile ao Santiago ny 2006 mba hiarovana, hitarihana sy hanomezana toromarika ireo izay iharan’ny herisetran-jatovo ao an-drenivohitra. Ao anatin’ny tranok’alan’izy ireo, dia milaza fa nisedra ny fotoanan’ny herisetra ny olom-pirenenana (fisotrosotroana, fampitahorana, halatra, fanolanana sy fanararaotana), misy ny horonantsary nampidirina sy mijoro vavolombelona milaza hoe oviana sy tamin’ny fomba ahoana no niharan’izany tamin’izy ireo. Mampihatra ny fiovan’ny lalana ao Chile ny tanjon’ny vaomiera, izay hatrami’izao aloha, araka ny feon’ny victimas de la Delincuencia, dia ohatrin’ny manome tombony/rariny ny mpiherisetra fa tsy ny iharan’ny herisetra.
Araka ny feon’ny tranok’alan’izy ireo, dia nanomboka ny hetsika nataon’izy ireo tamin’ny taona 2006, tao aorian’ny fanafihana nataon’ny andian-jiolahy ny tranon’ny fianakaviana Fuenzalida Urzua ka tamin’izany no namakian’ireo tsy matao-tody ny trano, nangalaran’izy ireo ny fananany sy ny nandrombahan’izy ireo ny zazakely 8 volana teny an-tanan-dreniny ary nandrahona fa hamono azy. Rehefa tonga tao an-tokonana ny mpanao gazety mba hijery ny fisehoan’ny fandrahonana nahazo, dia nanapa-kevitra ireto mpivady fa manana safidy anankiroa, na hitsoaka ny mpanao gazety na ny hiaona amin’izy ireo ka hanambara ny fandehan’ny tantara. Andro vitsivitsy taty aorina dia tafatsangana ny tranok’ala, ary volana iray taty aorina, olona ho 3000 isa no nidina an-dalambe tao an-drenivohitra, mba hitakiana ny filaminana misimisy kokoa ho an’ny olom-pirenena, ny fiarovana ireo iharan’ny herisetran-jatovo.

Milaza ny tantaran’ny fikambanana ny horonantsary manaraka eto:

Mampiseho ny vokatry ny tahotra eo amin’ny fiainan’ny olom-pirenena andavan’andro ny horonantsary manaraka izay nalefan’ny luchitosnachitos, mpikambana ao amin’ny fiaraha-monina. Ho tsapantsika ny fahitana ireo fitaovam-piadiana miafina eny amin’ny zoron-trano eny rehetra eny rehefa hiditra an-trano ka hitady ny lakilen’ny fiarany ny vehivavy iray. Ao amin’ny andalana farany no miseho an-tselatra avy ao anaty solosaina ny hafatra manao hoe: Tsy matahotra izahay, Andao hamafisina ny lalana eto amintsika.”


Fa inona ary ny lalana tian’izy ireo tenenina?mampiseho ny eritreritry watamerigonzo mikasika ny sazy ho an’ny mpiherisetra ity horonantsary manaraka ity:

Asehon’ity horonantsary farany ity izay namboarin’ny olom-pirenena ny hoe ahoana ny fijerin’ireo mpiherisetra ny asa ratsiny sy ny lalana: Lalao hafa hampisaintsaina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.