Madagasikara: hisy ve ny fanapahan-kevitra hialana amin'ny olana?

negotiation with armed forces

Fifampiresahana

(sary nalain'i Avylavitra)

Nanatratra ny faratampony ny herisetra politika nanomboka hatramin'nyvolana janoary teo tamin'ny 7 Febroary teo raha 30 raha kely indrindra ny Malagasy maty notifirin'ny tafika, tafiditra tao anaty fifanenjanana politika manko i Madagasikara. Maro ny diplaomaty avy amin'ny sehatra iraisam-pirenena no nanao asam-panelanelanana hisian'ny fifanarahana eo amin'ny Prezidà Marc Ravalomanana asy i Andry Rajoelina, Filohan'ny Fahefana Avo ho amin'ny Tetezamita. Na dia maroaza izany asam-panelanelanana izany dia tsy nifanatrika mivantana mihitsy ny roa tonta noho ny fepetra mialoha tsy azo nifanarahana mihitsy.

19 Febroary, Nandrisika ny mpanohana azy Rajoelina haka tranona minisitera vitsivitsy ka hametraka ny minisitra notendreny hitantana ny tetezamita amin'ireo minisitera ireo. Rehefa nahomby moa ny fidiran'ny mpanohitra tamin'ireo toerana ireo, dia nalain'ny tafika indray ireo trano ireo rehefa tonga ny alina. Nanoratra fehin-tantara sy namelabelatra hanazaa tsara ny fizotry ny raharaha i Ethan Zuckerman.

Taorian'ny nianianany hitondra ny demaokrasia sy hanala ny fitondrana ankehitriny, nanaitra ny maro ny nataon-dRajoelina nanaiky hihaona amin-dRavalomanana amin'ny toerana tsy an'ny atsy tsy an'ny aroa, raha tononina dia biraon'ny iray amin'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM).

Taratasy misy teboka dimy no nifaneken'ny roa tonta dia ny hampitsaharana ny fifandrangitana, ny fihetsiketsehana an-dalambe, ary ny fisamborana miendrika politika, ary hifanaraka ny roa fa mbola hisy ny fifanarahana. Radio France International (RFI) moa mitatitra fa mety hatsangana ny praiminisitra vaovao hitantana ny tetezamita.

Samy manana ny heviny mikasika ny raharaha ny olona tsirairay avy. Tahaka ny nampizara telo ny firenena ity raharaha nitarazoka ity: eo ny samy manohana ny andaniny roa, ary ny fahatelo kosa manohana izay tranga talohan'ity krizy ity ihany.

Mampahatsiahy ny fakana ny minisitera sy ny nahavotsotra azy indray i Arinaina :

Andry Rajoelina threatened the armed forces that their wives would be at the front line of the protests, were they to dare shooting at the people. On Thursday, TGV leaders proudly announced that 4 ministries were taken: Ministry of Education – Ministry of Interior – Ministry of Homeland Security – Ministry of decentralization. Early on Friday morning, bad news for the protesters with TGV. The news on RNM (the national radio) announced that, the night before, military forces came to the ministers and arrested the TGV agents who stayed there to keep the ministries. Those arrested were kept at the HQ of Betongolo. On Friday, angry or disappointed (I do not know), Andry Rajoelina announced the meeting at the Place du 13 Mai that the protesters will march on to keep fighting on Saturday

Nandrahona ny tafika i Andry Rajoelina fa hataony eny amin'ny lohalaharana ny vadin'izy ireo, raha vao sahisahy mitifitra vahoaka eo. Nirehareha mihitsy ny mpitarika ny TGV tamin'ny alakamisy fa nahazo minisitera efatra ry zareo: Minisiteran'ny fampianarana – minisiteran'ny atitany – minisiteran'ny filaminana anatiny – Minisiteran'ny fitsinjaram-pahefana. Vaovao ratsy anefa no azon'ny mpitokona tao amin'ny mpitolon'ny TGV ny Zoma maraina. Nolazain'ny RNM manko fa nandeha tany amin'ireo minisitera efa voalaza ny tafika, ny alina mialoha io, ka nossamboriny avokoa ny mpitolon'ny TGV niambinia ny minisitera teo. Notazonina tao amin'ny tobin'ny zandary tao Betongolo ireo nosinambotra. Ny Zoma ary, noho ny fahatezerana ve sa noho ny fahadisoam-panantenana, no nilazan'i Andry Rajoelina teo amin'ny kianjan'ny 13 mey fa hanao diabe ry zareo ny zoma ho fanohizana ny tolona.
protest

fanoherana

(sary nalain'i Avylavitra)

Manasongadina ny lesona azo tsoahina avy amin'ny tantara i Jentilisa (mg):

Hita manko fa tena fihatsarambelatsihy sy fombafomba fotsiny no nataon’ny tafika teo fa tsy zavatra hafa mihitsy. [..]
Indroa (intelo akory aza) manko izay no efa nisy fihetsika toy ireny teto Madagasikara fa tamin’ny vanim-potoana samihafa ihany koa.

Gazetyavylavitra indray mamehy ny tsapa fa efa lasa fotoana ela ihany izany no nisian'ny krizy (mg):

Be izay andro very izay. Samy milaza sy manao izay tiany hatao na ny andaniny na ny ankilany. Mbola betsaka ny olona manaraka ny hetsika eny amin’ny 13 mai. Nefa koa tsy vitsy ny mpitazana no efa manomboka maneho hevitra eny an-tsisiny eny.

Aiky, mamaham-bolongana ao amin'ny Malagasy Miray, no miezaka mitady zavatra hafa horesahina ankoatra ny krizy rehefa avy naneho ny heviny izy tamin'ny lahatsoratra roa nialoha ny lahatsoratra nakana ny teiny etoana (fr):

Lors qu’on recherche des articles sur Madagascar, on ne parle plus que de politique et de crise sur le web. Payons nous le luxe de parler d’autres choses dans Malagasy Miray

Tsy misy afa-tsy resaka politika sy krizy fotsiny no resahina rehefa mitady lahatsoratra momba an'i Madagasikara. Andeha isika mba hiezaka hiresaka zavatra hafa eto amin'ny Malagasy Miray.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.