Nanao misimisy ny vatsy ara-panafody avy hatrany ireo ela nihetezana (be antitra na olom-pahalalana) raha toa kosa ireo tsy manan-traikefa dia manadihady ny kohaka isan’isany, ka mbola manontany teny hoe ity tokoa ve ny taona “iantombohan’ny kafunsho” eo amin’izy ireo.
“Kely sisa dia fotoanan’ny sery”, nataon’ny kalandrakas
Maro ireo antontan’isa milaza hoe firy ireo mponina mijaly nohon’ny Kafunsho – eo anelanelan’ny 15 – 30%, avo ny isan-jato teo amin’ny toerana Metropolitana. Lazaina fa ratsy dia ratsy tokoa ny fiantraikan’ny kafunsho teo amin’ny toe-karena: milaza ny fanambarana miverimberina nataon’ny Toeram-pikarohana momba ny fiainana Dai-ichi fa nampidiana ny fitombon’ny tahan’ny vokatra anaty (P.I.B: Produit interieur Brut) ho 0,6% ny kafunsho ny taona 2005. Nihena ny fanjifan’ny tsirairay satria miezaka mijanona ao an-trano daholo ny olona, raha etsy an-daniny kosa ny fihemoran’ny fivangongoana dia mampihena ny vokatra azo avy amin’ny asa.
Herinandro mialoha ny fanambarana nataon’ny birao misahana ny toetr’andro ny 13 Febroary mikasika ny rivo-mahery tatsimo voalohany “haru-ichiban” tamin’ity taona ity izay nanamarika ny fahatongavan’ny lohataona tamin’ny fomba ofisialy, dia betsaka ireo mpitoraka blaogy no mijery ny amim-pahatahorana ny fiantombohan’ny andron’ny Kafunsho.
Ohatra itovizana ohatra ny bolongna nataon’i eternal_name:
Mitaraina i Mizuka Yukizawa, mpianatra mikarakara fanadinana hidirana eny amin’ny anjerimanontolo:
Malahelo I SOW fa manaiky fotsiny ihany araka ny filazany:
Manontany teny ihany I Chiro Mama fa sao dia tratran’ny kafunsho ny alikany. Manazava ny lojika izay entin’ny finoanoam-poana mahery avy amin’ny yaorta (yaourt) I Yumeyume. Mampahafantatra ny fiasan’ny fanafody ezahana sy am-panantenaina I Usabuta.