FitorahanaBlaogy amin'ny tokony ho izy: Midira amin'ny Fifanakalozan-kevitra Malalaka momba ny VIH/SIDA

Ity andron'ny mpifankatia (14 Febroary) dia manamarika, tsy ny fiantombohan'ny fanentanana eto amin'ny  Global Voices fotsiny ihany miantso ny olona mba “hampianatra ireo Olona Tiany hampiasa Blaogy na hampiasa ny  Micro-Blog,” fa ao koa ireo ainga maro samihafa mikasika ny hetsika ara-pahasalamana mitodika mankany amin'ny VIH/SIDA mba ho fandrisihana ireo olona maro tratry ny aretina na miaina miaraka amin'izany mba hampiasa blaogy.

Maherin'ny 33 tapitrisa ny olona miaina mitondra ny otrikaretina VIH/SIDA, ary raha kely indrindra dia  2 tapitrisa no efa matin'ny SIDA tamin'iny taona lasa iny. Samy nametraka tantara momba ireo antontan'isa ireo daholo ireo mpitoraka blaogy eran-tany,  toy ny hoe, mizara fijoroana vavaolombelona amin'izany hoe miaina miaraka amin'ny aretina izany, ny fandraisana an-tànana ny fikarakarana olona mitondra VIH/SIDA, sy ny zavatra niainana manoloana ny fanavakavahana sy ny fanamelohana imason'ny fiaraha-monina. Ireny blaogy ireny dia nanampy tamin'ny fanangonam-baovao mivantana momba ny donan'ny aretina amin'ny ankapobeny.

Santionan'ireo resaka miainga mikasika ny fitorahana blaogy manodidina ny olan'ny VIH/SIDA, Global Voices sy  Rising Voices dia hampiantrano ny resaka mivantana amin'ny alalan'ny aterineto  “Fitorahana blaogy amin'ny tokony ho izy” ho an'ireo mpitoraka blaogy sy mafana fo ny andron'ny 27  Febroary 2009.  Handridra ny fifanakalozan-kevitra ireo mpitoraka blaogy Keniana Serina Kalande sy Daudi Were. Asaina daholo ny rehetra.

Ora ao an-toerana: New York 09:00 | Buenos Aires 12:00 | London 14:00 | Johannesburg, Beirut 16:00 | Nairobi, Moscow 17:00 | New Delhi 19:30 | Hong Kong 22:00 | Tokyo 23:00

Efitra hifampiresahana: http://www.worknets.org/chat/. Fomba fidirana mampiasa ny anaranao ka avy eo mifidy ny efitra tianao ho tsidihana amin'ny alalan'ny fanindrianao ny ‘enter’ ‘midira’. Rehefa tonga ao amin'ny efitra, fidio ery amin'ny sisin'ny fafana [écran]  havia ery  ny loko hataonao dia mandraisa anjara amin'ny resadresaka.

Famaritana ara-jeograpfia ireo Feo
Misy Sarintany Google azo asisika momba ny mpitoraka blaogy voamarina fa mitondra ny otrikaretina VIH sy ireo mpandray an-tànana ihany koa napetraky Global Voices, ary ireo loharanom-baovaon'olon-tsotra mivoy ny VIH/SIDA tamin'iny Desambra lasa iny ho toy ny singa amin'ny  Andro maneran-tany iadiana amin'ny SIDA. Ilay sarintany, izay miova manaraka ny fivoaran'ny tantara hatrany, dia mampivoitra ireo olona be herimpo izay efa nitoraka blaogy sahady manodidina ity aretina ity. Iray amin'ireny mpitoraka blaogy ireny i  Maureen Akinyi ao Nakuru, Kenya. Milaza izy fa ny fanafenana anarana rehefa mitoraka blaogy nefa misy VIH/SIDA dia tsy manampy mihitsy ho fampihenana ny fanavakavahana ny tratry ny aretina, ary ilaina ny olona mba hitoraka blaogy amin'ny tokony ho izy tsy amin-tahotra. Ao anatin'ity hafatra ity dia ambarany fa na ny fandraisana anjara amin'ny fifaninanana hatsaram-bika aza dia afaka manampy hiadiana amin'ny fanamelohana ireo mitondra VIH:

“Isan'izay nandray anjara tamin'ny fifaninanana Mr sy Miss Red Ribbon 2008 tao amin'ny  Hotely Bontana Nakuru aho; tsy vao voalohany tamiko io raha resaka fifaninanana. Efa nifaninana aho hatramin'ny taona 2006 ary dia nankafy ny tsirairay tamin'ireny fotoana ireny noho ny antony tokana monja, ny fihenana hita mivaingana amin'ny fanamelohana sy ny fanavakavahana. Ny Mr. sy Miss Red Ribbon dia mitondra ireo voan'ny aretina na mitondra ny otrikaretina hankalaza ny hatsarana amin'ny fomba miavaka. Mandritry ny seho dia ny hatsaran'ireo mpilatro no nankalazain'ny olona fa tsy ilay nitondra otrikaretina na ilay voa'ny aretina.”

I ukguy dia monina any United Kingdom ary niaina niaraka tamin'ny VIH hatrany amin'ny taona 1980. Nanoratra momba ny zavatra niainany amin'ny maha dyslexic azy izy, mitondra ny otrikaretinaVIH, ” gay” ao amin'ny blaoginy The ramblings. Ao anatin'ity hafatra vao haingana ity no ilazany fa nanahirana azy fatratra ny nitondra ny aretin'andoha sy ny areti-masony tany amin'ny dokotera.

“Raha vao niala ny faritry ny toeram-pitsaboana aho dia nahatsapa fa tsy nahafa-po ahy velively ilay valina fizahana. Mazava loatra, fa faly aho hoe tsy nahitana soritr'aretina. Nefa koa dia toa nampiasa saina amin-javatra tsy misy dikany aho, hoy aho. Matetika aho no nisaina fa tsy misy mandray ny ahiahiko [adintsaiko] amin'ny saina matotra ny rehetra, Mahafinaritra be ilay dokotera mitsabo ny aretiko VIH ary fantatro fa tena manara-maso akaiky ny fahasalamako izy.

Angamba miankina amiko io, angamba izaho irery koa ve no mila miandrin-tena?

Heveriko fa tsy hoe rehefa ela velona ianao nefa misy VIH, dia midika izany fa hoe tsy nivaky loha momba izany ianao.”

Pinoy Poz, izay any Philippines no monina, dia nilaza manodidina ny maha “gay” hatramin'ny faha 21 taonany, saingy sivy taona taty aoriana dia  “niverina an-dakazery” rehefa nahalala fa mitondra ny otrikaretina VIH. Na eo aza izany, ambarany ao amin'ity  hafany ity ny fahatsapany fa isan'izay tsara vintana izy.

“Niaraka tamin'ny fankalazan'ny Sinoa ny taombaovao tamin'ny Taonan'ny Omby, niventy ny resaka vintany ny olona rehetra. Ary tanatin'ny zavatra rehetra dia tsikaritro ankehitriny fa ny taona 2009 dia nitondra vintana ho ahy, satria teraka tamin'ny Taonan'ny Soavaly. Saingy nino aho fa nanomboka tamin'iny taona lasa iny izany hatsaram-bintako izany rehefa hitako fa nitondra ny otrikaretina VIH aho.

Lazaiko anareo fa nihevitra ny tenako ho olona tsara vintana foana aho na eo aza ny maha olona mitondra otrikaretina VIH ahy amin'izao fotoana izao. Tsara vintana aho satria tsy aretina iray tena mahaosa ahy no mahazo ahy. Tsara vintana aho satria hita ara-potoana hoe mitondra azy aho, ary tsy mbola nahitana soritr'aretina nivoaka. Tsara vintana aho satria manana taha-na  CD4 ambany dia ambany aty ampiandohana. Tsara vintana fa afaka mianoka ny fanamby amin'ny fanombohana mampiasa ny ARV [antiretroviral]. Tsara vintana fa nanao safidy ho amin'ny toerana misy ahy amin'izao fotoana. Tsara vintana aho nifanena tamin'olona maro be nandritry ny andro natao ho an'ny VIH.”

Ireo dia santionany amin'ireo feo maro miakatra ao amin'ny sarintanin'ny Fitorahana blaogy amin'ny tokony ho izy [Blogging Positively map]. Mba ho fandrisihana ireo olona sasany hizara ny tantarany miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA,  Global Voices dia namorona ny  “Torolàlan'ny Fitorahana Blaogy amin'ny tokony ho izy [Blogging Positively Guide],” izay ahitana toro-hevitra maro momba ny hoe ahoana ny hampiasàna ny blaogy hiresahana ny VIH/SIDA. Miandrandra toto-tànana izahay amin'ny fandrafetana ilay toro-làlana sy/na hahafahana mahazo tamberina, noho izany ireo rehetra liana na efa mampiasa ny blaogy manodidina ity aretina ity dia entanina mba handray anjara, indrindra indrindra fa ireo izay mitondra ny aretina, na ny otrikaretina VIH/SIDA. Miangavy, mifandraisa  amiko na Janet Feldman raha mila fanazavana misimisy kokoa momba ny Torolàlan'ny Fitorahana Blaogy amin'ny tokony ho izy [ Blogging Positively Guide] , ny resaka mivantana [chat], na ny sarintany.

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.