Guadeloupe : Nihanafana ny toe-draharaha ka niafara tamin'ny herisetra

Taorian'ny herinandro nanaovana fitakiana tamim-pilaminana tany amin'ireo departemanta Frantsay any Guadelope dia nivadika ho herisetra izany ny alatsinainy lasa teo raha nifandona tamin'ny mpitandro ny filaminana ireo mpanao fihetsiketsehana tany Point-à-Pitre. Toherin'ny mpiasa mantsy ny fitomboan'isa tsy an-kijanona ireo tsy an'asa sy ny fiakaram-bidin'ny zavatra ilaina andavanandro izay afarana avy any Frantsa ny ankamaroany.

Ny vaovao farany, 18 febroary, 8:30 GMT : tanora nitam-piadiana iray nitifitra mpitandro ny filaminana 3, araka ny tatitra nataon'ny mpanao gazety iray ao amin'ny AFP.

Ao amin'ny serasera web Agoravox, Illiouchine, no mitantara ny zavatra hitany tany Guadeloupe tamin'ny faran'ny herinandro sy ny alin'ny alatsinainy taorian'ny herisetra nampalahelo ny teratany Frantsay monina any an-toerana iray :

Temps magnifique ce matin, grand soleil, pas un nuage ni une pique de vent. Le sommet de la Soufrière est parfaitement dégagé. On voit très bien les fumerolles qui s’élèvent droit dans le ciel depuis le plateau du volcan.

Tsara be ny andro tamin'ny maraina, niposaka tsara ny masoandro, tsy nisy rahona sady tsy nandrivotra. Nazava tsara ny tendron'i Soufrière (Volkano any Guadeloupe). Tazana tsara ny setroka nanaka-danitra avy ao amin'ny volkano.

La nuit a été chaude en Grande Terre. Les alentours de PAP ont été le siège de scènes de violence : incendies, pillages de magasins. Bien sûr on n’a pas pillé des épiceries : ce sont des magasins d’articles de sport et d’accessoires auto qui ont fait les frais des vols. Nouveaux barrages un peu partout ce matin. Le préfet reste calme mais explique qu’il va continuer à dégager les routes. Pour le moment, Saint Claude a son visage habituel, les magasins sont ouverts, les gens vaquent à leurs occupations

Tsy nitovy tamin'izay anefa ny zava-nisy ny alina. Nisehoana herisetra mantsy ny manodidina an'i PAP (Point-à-Pitre, tanàna lehibe indrindra any Guadeloupe): afo, fandrobana toeram-pivarotana. Mazava ho azy fa tsy voaroba ny mpivarotra madinika : ireo toeram-pivarotana zavatra mikasika ny fanatanjahan-tena sy ny kojakoja momba ny fiara no tena lasibatra tamin'izany. Nisy ny sakan-dalana vaovao isan-karazany napetraka io maraina io. Tony ny préfet kanefa nilaza izy fa tsy maintsy hosokafana ny lalana voasakana. Amin'izao fotoana izao dia milamina aloha ny ao Sainte-Claude, mivoha ny mpivarotra ary manohy ny asany andavanandro ny mponina.

La Guadeloupe en colère (ny fahatezeran'i Gaudeloupe) no azo anambarana ny zava-nisy ny alatsinainy maraina :

Hier matin, de nombreux barrages routiers avaient été érigés par les militants grévistes dans certains points stratégiques.

…les nombreux escadrons de gendarmerie, envoyés sur l'île depuis le début du conflit, ont donc procédé à l'évacuation des barrages. Ce qui devait arriver arriva. Devant la résistance des grévistes, les forces de l'ordre n'ont pas hésité à faire usage de la force. De nombreux manifestants ont été interpellés, une cinquantaine environ, tous seront relâchés dans la journée après une courte garde à vue.

Omaly maraina dia nasian'ireo mpitokona sakana ny lalana rehetra mankany amin'ireo toerana saro-pady.

…Ireo miaramila maro avy ao amin'ny zandarimaria, izay nalefa tany amin'ny nosy hatramin'ny nanombohan'ny fifandonana, no nanala ireo saka ireo. Dia niseho tokoa ny tokony hiseho. Nanoloana ny fihenjanan'ireo mpitokona dia voatery nampiasa hery ireto miaramaila. Maro tamin'ireo mpitokona no voasambotra, eo amin'ny 50 eo ho eo, ary novotsorana ny androtr'iny ihany ry zareo rehefa avy notazonina kely fotsiny.

Je déplore cette dégradation de la situation, là où la violence s'exprime c'est que le dialogue a échoué… La faute à qui ? L'Etat? Le collectif? Les patrons? Tout le monde est responsable car ils connaissaient tous l'issue!

Malahelo ny trangan-javatra aho satria matoa miseho ny herisetra dia midika izany fa tsy nahomby ny fifampiresahana. Iza no diso? Nu fanjakana ve? sa ny fikambanana? sa ireo lehibe? Ny rehetra satria mahafantatra ny vahaolana daholo ireo !

Je me réveille péniblement. J'apprends, choquée, que la boutique de la presse (tabac-presse), rare îlot de culture, a été incendiée. Je sens l'angoisse me gagner.

Je me résous à aller au travail, trop consciencieuse ou zélée sûrement.
La direction nous contacte et nous demande de rentrer chez nous, estimant la situation trop tendue.

Je m'en vais… Des feux de poubelle émaillent les rues…

Pour la première fois, je me demande où nous allons…

Nifoha tamim-pahalainana aho. Henoko mantsy fa may ny toeram-pivarotana gazety (tabac-presse) izay anisan'ny toerana tokana ahafahana manovo fahalalana ato amin'ny nosy. tena tafintohina aho. Lasa niasa ihany aho, nahafantatra tsara ny tokony hataoko ary angamba azo atao hoe koa nazoto. Nampiantso anay anefa ny lehibe ary nandefa anay nody, satria mihamafana ny toe-draharaha.

Dia lasa aho…mirehitra ny fanariam-pako eny an-dalana…

Izay aho vao nanontany voalohany teo amin'ny fiainako hoe ho aiza aho…

Nanroatra i Parfait:

Sans justifier tous les évènements, gardons à l'esprit que la société guadeloupéenne n'a que 400 ans d'existence et moins encore pour le peuple guadeloupéen ( abolition de l'esclavage en ?). Nous sommes une société en genèse, combien de tant a-t-il fallu à la France pour arriver à sa situation actuelle?…

Mba tsy hitsarako ny zava-misy dia aoka hatao an-tsaina fa i Guadeloupe dia vao 400 taona monja no nisiany ary mbola tanora noho izay aza ny mponina (tamin'ny fanafoanana ny fanandevozana?). Fiaraha-monina vao manomboka ny anay, hafiriana no nilain'i Frantsa hahatongavany amin'izao zava-misy ankehitriny izao?…

Caro ao amin’ ny a comment on a Rue89 no manazava ny fototry ny olana ka nampisy fifanolanana :

La grosse erreur, à mon avis, a été de vouloir régler les barrages de Guyane en décembre (car c’est bien de Guyane que sont partis les premiers mouvements), sans rien faire pour la Guadeloupe et La Martinique, où tout le monde savait que se préparait une grève générale.

Ny tena fahotana goavana, araka ny hevitro, dia ny fikasana hikitihana ny barazin'i Guyane tamin'ny volana desambra lasa teo (satria tany Guyane no nisy fihetsiketsehana voalohany), ary sty nanao na inona na inona ny tany Guadeloupe sy Martinique na dia efa anhian'ny maro aza ny hisian'ny fitokonam-be.

Le gouvernement a bien laissé pourrir la situation, alors qu’il connaissait le ras le bol de la population, le chômage qui explose, les produits de première nécessités, importés de métropole, de plus en plus chers etc

Navelan'ny fanjakana hiharatsy ny toe-draharaha na dia efa fantany aza fa leo ny mponina, ny tsy fananan'asa mitombo izay tsy izy ary mihalafo vidy ny zavatra ilaina amin'ny fiainana andavanandro.

Les DOM reçoivent beaucoup d’argent, non seulement de la métropole, mais aussi des fonds européens (ils font partie de l’Europe …), mais cet argent ne sert pas à la population, toujours plus pauvre…

Nahazo vola be ny DOM, fa tsy ny tanan-dehibe ihany; nisy koa ny famatsiana avy any Erôpa (satria maiaraka amin'i Erôpa izy…), kanefa tsy nisy vokany teo amin'ny vahoaka io vola io ka nitarika ny fahantrana…

…S’il ne veut pas une explosion de tous les DOM (la Guyane serait prête à repartir dans la grève dès la fin du carnaval, ça bouge aussi à La Réunion), le gouv a intérêt à vite fait trouver comment mettre la main au portemonnaie en favorisant la population et non les patrons. Mais ça, c’est contraire à sa philosophie patronale.

…Raha tsy tian-dry zareo hihanaka any amin'ny faritra hafa (DOM) rehetra izy ity (efa vonona hanohy fitokonana ny any Guyane rehefa vita ny karnavala, efa mihetsika koa ny any La Réunion), dia tokony hitady vahaolana amin'izay hitantana ny vola hanampiana ny vahoaka ry zareo fa tsy hanome izany ho an'ireo tale intsony. Kanefa tsy mifanaraka amin'ny filôzôfian'ireo mpitantana izany.
Comment cela va-t-il se terminer ? On peut être inquiet. Il faudrait un gros soutien des métros, montrer que nous sommes solidaires. Ce qui se passe là-bas nous concerne aussi.
Inona no hiafaran'izy ity? Mitaintaina isika. Tokony hisy fanohanana avy amin'ny tanàn-dehibe ary hampiseho fa miray hina isika. Izay miseho any amin-dry zareo mantsy dia mahakasika antsika koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.