India: Mahatohitra ny atin'akanjo mavokely

pink underwear campaign

Nandritra ny folakandro araka ny mahazatra, ary eo anivon’ny toerana ivezivezen’ny saranga isankarazany, dia azo ekena raha ny lehilahy sy vehivavy no mandeha misotrosotro kely sy manala azy amin’ny fakana aina. Ny ankamaroantsika dia tsy miaina amin’ny “fanarahan-dalana”. Ao India kosa, raha lazaina hoe olon’afaka ny vehivavy, dia tsy azo antoka loatra fa tsy hisy ny loza mety hihatra aminy. Vao haingana, tokony ho 3 herinandro lasa izay nandritra ny andron’ny Repoblika Indiana, 26 janoary, tao Mangalore, atsimon’i Bombay, dia notafihan’ny andian’olona Hindu mijoro amin’ny firehan-kevitra tokana avy ao amin’ny antokon’ny Ram Sena ireo tovovavy maromaro mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo izay nakanaka aina sy nisotrosotro ao amin'ny toeram-pisotrosotroana tao an-toerana. Norahonana sy nampitahorina tsy nisy fampitandremana akory ireto tovovavy…. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy, mino kosa anefa aho fa mafy ny ratram-pon’izy ireo.
Ho setrin’ity toe-javatra ity, amin’ny 5 Febroary, natomboka ny fampielezan-kevitra Chaddi mavokely (atin’akanjo na ati-kilaoty) tamin’ny alalan’ireo olona manana vondrona Facebook aterineto antsoina hoe “Vaomieran’ny Dokam-barotra, Vehivavy Malefaka sy Vonona”. Nanapa-kevitra ry zareo ny hanao hetsika amim-pahasahiana handefa silipom-behivavy mavokely “fanomezana St Valentin” ho an’ny antoko Ram Sena. Maro amin’ireo hetsika fandefasana atin’akanjo mankany amin’ny biraon’ny antoko politika, dia ity toe-javatra ity no fihevitra tokana izay mivezivezy ao an-tsain’ny tsirairay ao India.

Mba Jereo anie ity horonantsary ity izay misy ireo atin’akanjo sy ireo “teny mamy” ho an’ny antoko Ram Sena. Ohatra iray fotsiny ity amin’ny drafitra entina amin’ny fampielezan-kevitra, koa dia tsy maintsy miandry ny andron’ny mpifankatia ihany isika hahitantsika hoe inona avy no mety hitranga manoloana ny hetsika. Mikasa ny hivory sy handom-bera (hisy ny fisotrosotrona) ho an’ny vehivavy Indiana ao amin’ny toeram-pisotrosotroana izy ireo amin’ny andron’ny mpifankatia, ho raisina feo sy sary ity fivoriana ity ary avy eo amboarina ny horonantsary ka tafiditra ao daholo ny toe-javatra nitranga rehetra.

Nalaina ireo horonantsary sy sary misy ireo Chaddis mavokely ka halefa any amin’ny Ram Sena, izay hita ao amin’ny pejy an-tsarin’ny ekipa Facebook.

Mpamaham-bolongana ofisialin’ny fampielezan-kevitra Chaddi mavokely dia milaza hoe:

Naheno izahay fa nanapa-kevitra Andriamatoa Muthalik ny handefa atin’akanjom-behivavy aziatika misoratra hoe “amim- pitiavana lehibe” ho setriny izany. Mankasitraka izany izahay ary manantena fa hanohy ny zavatra toy izany izy, izay fomba tsy misy herisetra entina hanehoany ny heviny, tahaka antsika izay mandala ny fanehoan-kevitra amim-pitiavana sy tsy misy herisetra manolona ny fanafihana maherisetra nitranga tamin’ireo mpifankatia sy vehivavy tao Mangalore sy ny toeran-kafa any Karnataka.

Na dia izany aza dia manomana ny handefa ireo Chaddis, na ati-kilaoty, any amin’ny mpitarika antoko Ram Sena, Andriamatoa Muthalik, lehilahy tompon’andraikitra, ry zareo vehivavy rehetra manerana an’I India, indrindra ireo izay any Bangalore, toerana niantombohan’ny hetsika fampielezan-kevitra.

Ny hevitra ambadik’izany mantsy dia ny vehivavy manerana an’I India dia voatery tsy maintsy mitaky ny zon’izy ireo , ny fiaraovana, ny fahafahana ary ny fanajana ny fananahana eo amin’ny “tanin’ny Kamasutra”. Nanatsofoka sarina ati-kilaoty mavokely miaraka amin’ny teny hoe”India, tanin’ny KamaSutra” tao amin’ny ekipa Facebook ny vehivavy iray antsoina hoe Ree Diwan, ary maneho hevitra I Patricia Chandrashekar:

Tsy nino aho hoe hitranga ity toe-javatra ity eto amin’ny tanin’ny KamaSutra. Alefaso mamangy an’I Khajuraho ireo jirika ireo. Avelao izy tenany hahita. Tsy ny fanaovana Chuddies (karazana silipo) mihintsy akory ny endriky ny ainga fanairana (erotique)!

Tsy maintsy miandry aloha isika hoe nanao ahoana izay ny fandraisan’I Ram Sena ny fianjeran’ireo silipo St Valentin any aminy.

Tsy ity fandraisan’ny vehivavy andraikitra ity irery ihany akory no nitranga tao India amin’izao fotoana izao. Manarak’izany , manoloana ny fampielezan-kevitra izay tsy nanao ahoana loatra kanefa koa tafita tamin’ny tanjona, dia naneho ny fijoroana vavolombelona momba ny herin’ny vehivavy ireo karazam-behivavy avy amin’ny sokajim-piainana samihafa ara-tsosialy sy ara-ekonomika sy ireo avy amin’ny faritry India. Tretrika tokoa I navsarjan NGO community media Group, Apna Malak Maaa mampiseho ity horonantsary misy ny filan-kevitry ny vehivavy ao an-toerana ao Gujarat, izay nikarakara ny asa fampandrosoana tsy miankina ary mamaha olana misy eo amin’ny tanana, ary koa ny olana sasany izay tsy mbola voavaha efa ho 20 taona mahery, toy ireo maloto mivarina anatin’ny lavaka sy ny olana misy eo amin’ny fakana fasika anaty renirano, izay midika fa ny fantsona mitondra ny rano sy ny lava-drano dia lasa maina tanteraka.

Ruchika Muchhala

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.