Tontolon’ny Arabo: Miaina anaty rivotra!

Voarakotra tafio-drivotra goavana ny sakeli-tany arabo manontolo, mahatonga ny ny vahoaka tao Bahrain, tao Kuwait, tao Arabia Saodita, Yemen, Iraq ary ny firaisan’ny Arabo entin’ny Emir (United Arab Emirates) hiaina anaty rivo-manempotra.

Kuwait Cats in the dust

Raha ny mahazatra rehefa amin’ny vanim-potoan’ny taona toy izao ao Kuwait, dia mikatona vao maraina avokoa ny sekoly sy ny tranom-pirenena amin’io andron’io tafio-drivotra io, raha ny vovoka entin’ny tafiotra no jerena dia mahatratra ho 85 kilometra isan’ora ny hafainganam-pandehany, izay mampiato ny fanondranana solika mankany amin’ny Emira manankaren-tsolika.

Ny mpikirakira YouTube q8lightning no mandefa am-bolongana ity horonantsary ity:

Manazava misimisy izy:

Nitsoka vovoka ny tafio-drivotra nanomboka ny Talata alina dia avy eo niha-ratsy hatrany nandritra ny andro manaraka, miaina ao anatin’ny ririnina I Kuwait amin’izao fotoana izao ary ny tafio-drivotra dia efa vonona ny handrava, ny antony dia satria tsy nisy orana firy mandrak’androany.

Eny ambonin’ny fiaramanidina, nisy hafatra tonga ho an’ny mpandeha, ka mimenomenona I Mark Wolinski:

Tonga tany Kuwait aho omaly alina dia ohatry ny hoe handeha hijery fotsiny ilay tafio-drivotra izay nidina tao Bahrain nefa niha-mahatsiravina izany tao Kuwait. Nijery avy eo ambaravarakelin’ny fiaramanidina aho ary hita ho toy ny rindrim-bolon-tany ny endrik’izany.

Perfect Dust View from Kuwait

Ao Kuwait ihany, mandefa io sary etsy ambony io ny mpampiasa Flickr antsoina hoe Mink, miaraka amin’ny fanazavana fanampiny ho an’ny sary voalohany:

Misy saka mainty roa mitazana avy eny amin’ny ambonin’ny fefy hazo, tafio-drivotra goavana voalohany indrindra tamin’ity taona 2009 ity izany ary nandona mafy dia mafy tokoa izy io. Miendrika volomboasary ny lanitra ary ibosesehin’ny vovoka mateviana ny rivotra. Rehefa nijanona izany afaka andro vitsivitsy, dia fotoana lava no lany nanadiovana.

Mamariparitra ny sariny faharoa i Mink:

Sary feno mampiseho ny tafio-drivotra

Ho an’ny tovovavyGranola , dia ny vovoka no iray amin’ireo antony maro mety hanainga azy hangorona ny entany ary hanao veloma an’I Kuwait:

Lebanona no firenena ao Proche Orient tsy misy tany hay. Androany, rehefa tafafoha noho ny feon-tafiotra tokony ho tamin’ny 2 maraina rehefa tao aorian’izany no tsy nahitana ny torimaso, ary avy eo niaina tao anaty ny vovoky ny tafiotra ny tontolo andro manontolo, dia tena faly tokoa aloha ny tenako fa tsy mba tao anatin’ny toerana misy ny tany hay izany (desert).

Ao amin’ny toerana manakaiky an’I Khobar, ao amin’ny faritanin’ny Arabia Saodita atsinana, dia mandefa sary vitsivitsy i Assad Abu Hussain ary miantso ny mpamaky izy mba hivavaka amin’Andriamanitra hamela heloka sy handatsaka ny orana.

Mbola ao amin’ny faritany atsinanana, mandefa misimisy kokoa ny sarin’ny tafiotra avy eny amin’ny vodilanitry Aswaq City [AR] I Abu Omar ary koa mampitandrina ny mpamaky manao hoe:

Tamin’ny 7 ora maraina, nanomboka niova ny toetr’andro mandrapahatongan’ny vodilanitra hanakaiky ny loko menamena, ary lasa nihanahery ny rivotra. Vetivety avy teo, nihanihena ny fahafaha-mijery lalana ary tsy maintsy nitandrina tsara sy nandeha moramora ny mpitondra fiara. Tadidio ihany koa ny manakatona ny varavarankelin’ny tranonao rehetra ary aza atao ny mamelona ny fitaovana mitsoka rivotra, amin’izay tsy tafiditra ao an-tranonao ireo vovoka.Raha mikisaka mankeny any Riyadh, renivohitry Arabia Saodita, dia hita ihany koa fa mandefa ny sarin’ny tafiotra ary manome antsika fanazavana momba ny karazandrazan’ny tafiotra izay mety ho hitanao eny amin’ny faritry ny tany hain’ny Arabia i Rusha.

Mitsoka eny rehetra eny ny vovoka malefaka, izay miditra avy eny amin’ny makarakaran’ireo varavarankely, ny varavaram-be, avy eny amin’ny fantsona misy ny fampangatsiahana trano, ny fitaovana fitsofan-drivotra. Asa be ny miaina anatin’ny rivotra satria miditra any ampoton-tenda ny vovoka. Tsy hita tsara ny endriky ny vohon-tany sy ny endriky ny rivotra. Miha-mafy ny tonokalo momba an’i shamals, te hikohaka aho.

Raha jerena ny karazan-javatra, tadido ny blaogy nalefako farany mikasika ny fifamoivoizana tao anaty tafio-drivotra miaraka amin’ny rotsak’orana mitsitapitapy? Ity marina ilay antsoina amin’ny fomba ofisialy hoe haboob.

Amira Al Hussaini

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.