Brunei: rotsak’orana foana, tondra-drano ary fihotsahan-tany.

Nitohy tsy nijanona sy nanampoka ny maro ilay ora-mikija tsy ela akory izay. Nitarika fahatapahan’ny herinaratra, tondra-drano sy fihotsahan’ny tany izy io. Maro ireo toerana ambanivohitra no tsy azo aleha noho ny fiakaran’ny rano sy ny fihotsahan’ny tany tamin’ny omaly alina tao Sungai Liang, ka efa saika nipaka teo amin’ny lala-migodana mampifandray ny renivohitra sy I Kuala Belait izay faritra andrefan’ny firenena.

Efa niezaka nanohy ny fanadihadiana ireo toerana tra-boina ny ankamaroan’ny bolongana ao an-toerana anisan’izany BruneiMotors, ary koa nitondra hetsika fampandrenesana mialoha ho fanairana ireo mpitondra moto eny amin’ny faritra misy ireo loza ahiahiana vokatry ny fihotsahana ary koa ny fitohanan’ny fiara. Ny fampiasana ny saritany google no ahafahan’izy ireo mampiseho mazava tsara ireo toerana tra-boina. Nomena ny toromarika hoe ahoana ny fomba fitondrana fiara ao anaty ora-mikija ary amin’ny fomba ahoana no iarovana ireo fiara tsy ho azon’ny tondra-drano
.

Naseho ihany koa ireo firaiketana horonantsary milaza ireo tratran’ny tondra-drano .


Born to be Pisces (Teraka ho dobon-trondro) mitantara ny tondra-drano tao amin’ny tananany, Tanjung Maya.

Jereo fotsiny anie ny sary etsy ambony e. Azo sary izy ireto omaly mialoha ny andehanan’I Turun Keraja (hiasa).Antenaina fa hanome lakana na apakah (zavatra) ho azy ireo ny fitondrampanjakana mba ahazoana miampita ny toerana isian’ny tondra-drano mahery. Namaky ny gazety di Ukong ada aho androany fa (nisy) olona ambanivohitra nianjeran’ny vato kaiii…..tsy dia novakiako tanteraka koa ilay izy. Heritrereto an-tsaina hoe ny voay bersantai dapan rumah kami. (maka aina eo anoloan’ny trano).. tokony ho vonona raha hujanlagi turun androany.

Milaza ihany koa KB Happening momba ny tondra-drano izay nitondra fahasimbana fiara sy trano

Manome sarin’ny fihotsahan-tany izay nanapaka ny fifamoivoizana tao Penanjong i Jidule.

Hita fa hiaritra orana matetika ny mponina ao anatin’ny andro maromaro manaraka. Nametraka akaiky ny fanadiadiana isan’andro mandritra 24 ora ny ivo-toerna nasionaly misahana ny fandrindrana ny loza voajanahary (NDMC) ary miara-miasa amin’ny sampan-draharaha misahana ny fifandraisana ao an-toerana, DST, mba handefa hafatra SMS entina hanairana ny mponina ao an-toerana manoloana ny ora-mikija sy ny korontana avy amin’ny toetr’andro

Senor Pablo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.