Narary kibo tany am-pamangina an’I Manila i “Obama”

Voalohany indrindra, Jereo ity horonantsary kely ity:

Dokam-barotry ny Televiziona Filipianina izy ity izay niseho  tamin’ny volana lasa. Mampiseho ny fitoviana misy eo aminn’ny Filoha Filipianina Gloria Arroyo sy ny Filoham-pirenena Americana Barack Obama. Ho anareo izay tsy mahay ny teny Filipianina, ny Ody poizina kisendrasendra no mampiseho ny dikan’ilay dokam-barotra  amin’ny teny angilisy.

Obama: Misaotra anao noho ny hatsaran’ny sakafo hariva.

GMA: ah, tsy mbola vita anie ny sakafontsika e. Andramo anie ny Kare-kare nataonay e. Hen’ Omby io. [kare-kare dia lasopy legioma miaraka amin’ny rambon’omby]

Obama: Ok, arosoy ary.

GMA: Guinaataang mais! Katsaka izany. Fa ny voanio avy eto aminay no ampiasaina amin’izany. [Guinataang Mais no sakafo meva Filipianina vita amin’ny katsaka andrahoina miaraka amin’ny ronono azo avy amin’ny voanio. Mampiseho fitarihan-kevitra  I GMA rehefa niteny hoe “Voanio avy eto aminay no ampiasaina amin’izany.”]

Obama: oh, hay ve.

[Ohatrin’ny marary I Obama, ary nisy feo avy ao an-kibony]

GMA: oh my gosh,That’s  imptso na. Dispepsya yan no. Ang dami mo kasing kinakain no. ang Motilium, bilis! [oh la la, tsy fahalevonan-kanina sahady ity. Tsy fahalevonan-kanina io! Diso nihinana loatra ianao, izay no antony! Hitadiavo Motilium, haingana!]

[Nomena an’I Obama ny fanafody, ary nateliny izany.]

GMA: afaka telopolo minitra dia hijanona io “impasto” io, an?

[nanidy bokotra ny akanjobeny I Obama]

GMA: Kapeng baracks? [Kape Barako izay natolony no tiany ho lazaina. Kape Barako dia karazana kafe maniry any Filipina.]

[Tsiky anankiroa sy fandraisan-tanana ho an’ny mpaka sary]

Manoloana ny antony efa fantampatantra, dia mahatsikaiky ny dokam-barotra raha ho an’ny  Filipianina satria efa indroa ny Filoha Arroyo no nanaovan’I Obama “ “fizahozahoana”. Niezaka ny hiantso an’I Obama izy mba hiarahabany azy tamin’ny fandresena ny fifidianana tamin’ny volana Novambra lasa teo kanefa tsy namaly azy I Obama.

Ao amin’ity dokam-barotra ity, tsy hoe tsy namaly ny antsony fotsiny I Obama; fa nanaiky ny fanasana hiara-misakafo hariva ao amin’ny Malacanang Palace izy, Izany no trano fiadidian’ny Filoha Filipianina (Lapa-panjakana).

Inona ary no ataon’ny mpitoraka blaogy Filipianina manoloana izany? Rehefa nanoratra I Menard:

“Nieritreritra matetika aho fa miezaka ny manalavi-tena amin’I Gloria Macapagal Arroyo  ny filoha Barack Obama, nefa angamba mety diso aho amin’izany.  Ny horonantsary  voatatitra dia milaza antsika fa niditra antsokosoko tao Malacanang Manila ny filoha voafidy Barack Obama tamin’ny faran’ny herinandro mba hiara misotro kafe amin’ny Ramatoa Gloria Macapagal Arroyo.”

Gaga  mihintsy I Cathy tamin’ny taratasim-pampielezan-kevitra:

“Raha vao nahita ny dokam-barotra an-taratasy ho an’ity fampielezan-kevitra ity aho dia toa ohatrin’ny gaga ihany. Fa maninona moa no atao’izy ireo izany ny filoha voafidy Obama?! KANEFA… rehefa avy nijery ny fandehan’ny tantara rehetra tao anatin’ity dokam-barotra an-televiziona ity aho, dia voatery nanjaitra tena! Fiarahabana no atolotra an’ny birao mpikarakara dokam-barotra izay nahita hevitra namoaka ity fampielezan-kevitra mahatsikaiky ary nahitana vokany ity :)”

Mitovy amin’ny dokam-barotra ihany koa ilay Fanjaitra anaty mololo:

“Ankehitriny isaky ny mahita an’Andriamatoa filoha Obama aho dia tsy haiko aloha fa mahatsiaro foana ilay dokam-barotra adaladala sy mahatsikaiky izay voalohany nivoaka tamin’ny Desambra lasa teo aho.”

“Tsy dia tiako loatra ny dokam-barotra ao an-toerana satria ny ankamaroan’izy ireo dia maharikoriko, fa ity anankiray ity kosa dia tena vita karakara tsara, sady izay koa, tena mahatsikaiky ka mahatonga ahy hikakakaka tsy anki-janona. Lasa nivoaka  aho ny fotoana nahitako azy voalohany, “WFT???” avy eo sady ripaky ny hehy eny am-pandehanana. Nandefa ahy zotra YouTube misy izany ny rahavaviko ny androtr’io, dia nolaniako ny fotoanako  hanaparitahana izany amin’ny aterneto mba ho hitan’ny olon-kafa ihany koa.

Ny olo-malazan’ilay dokam-barotra dia I Ilham Anas izay mpaka sary Indonezianina amin’ny bokin-damaody (magazine) izay  nomena ny anaram-bositra hoe “ Obama aziatika”. Malaza ankehitriny io mpaka sary 34 taona io, ny antony dia satria ny “fitovian-kendrika” misy eo aminy sy Obama.

Tamin’ny fotoana nangoronana ny sary dokam-barotra dia nisy dia aleha maromaro any Manila I Anas. Nitsidika ny birao ivom-piantsoana  (Business Precess Outsourcing industry) izy mba hanairana sy hanome hafaliana ireo tanora mpiasa birao. Nandefa blaogy ny sary I Chuvaness:

obama

obama2

obama3

Ny famangiana ny ivom-piantsoana dia nampiseho toe-javatra lehibe satria ny orinasa Filipiana BPO no matahotrara fa mety “haka loharanon’asa sasany hiverina any Amerika” ilay Obama tena izy.

Nahazo ny laza I Anas tao Indonesia. Nanoratra i Multibrand:

“Mahatsiaro faly aho fa manana an’I Ilham Anas isika, afaka mampihomehy ny olona ao indonezia sy any ivelany rehefa mahita ny tarehiny mitovy tsy misy valaka amin’ny an’i Obama. Manantena aho fa ilay Obama “tena izy” dia afaka hitondra fifaliana ho ny olona manerana izao tontolo izao ihany koa, indrindra ao Indonezia”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.