Kambojia: Tatitra miampanga ireo sangany ho mangalatra

Global Witness, fikambanana iray tsy miankina amin’ny fanjakana any Londres dia namoaka tatitra hoe Country for Sale [Firenena amidy] tamin’ny 5 Febroary 2009. Mampitandrina izany tatitra izany fa mety hitontongana any amin’ny kleptocratie ny Kambojia, ary milaza fa ny antontam-bola goavana izay miditra any amin’ny kitapom-bolan’ny governemanta dia ny elite mpitondra no mahazo tombony fa tsy ny mponina ao Kambojia.

Ny mpitoraka ilay blaogy Vuthasurf dia mbola miverina amin’ny fanamelohana nataon’ny ONG ary manindry mafy ny andraikitra tànan’ireo orinasa tsy miankina:

Ireo orinasa amin’ny sehatra tsy miankina koa dia manana andraikitra ho raisina amin’ny fanatsaràna ny fitantànana ireo orinasa mpitrandraka. Orinasa 75 eo ho eo no miasa ao amin’ny sehatra fitrandrahana any Kambojia, ao anatin’izany ireo mpandraharaha iraisam-pirenena malaza toa an-dry Chevron sy BHP Billiton. Manazava ny Country for sale fa maro amin’ireny orinasa ireny no efa nandoa vodiondrim-barotra tamin’ny governemanta.

Tao amin’ny KI Media, namoaka lahatsoratra iray avy tao amin’ny Voice of America i Heng Soy. Feno fiforetana sy fahatezerana ny tsikera tao amin’ny lahatsoratr’i KI Media. Nisy mpitsikera tsy nitonona anarana iray, toa an-dry Vuthasurf, nanitrikitrika mafy ny fomba fiasan’ireo orinasa tsy miankina:

Raha tena marina daholo ireny, dia mety ireo orinasa nividy ny alalana hazmpiasa vola na hividy mba hanjaka tokana no tokony ho latsaina tamin’ny famporisihany sy ny niaretany ny kolikoly.

Ny fanadihadian’ny Al Jazeera dia nampiditra resadresaka nifanaovany tamin’i Gavin Hayman ao amin’ny Global Witness:
Tamin’ny 2007, ny Global Witness koa dia namoaka tatitra mitondra ny lohateny hoe Cambodia's Family Tree, momba ny fanondranana hazo tsy nanara-dalàna. Noraran’ny governemanta Kambojiana ny famoahana izany tatitra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.