Sina: Ady mafy vao mba tafody hihaona amin'ny fianakaviana

Dia lavitr'ezaka no mialoha ny Lanonamben'ny Lohataona fety malaza ho an'ny rehetra, Raha ny mahazatra hatrizay dia andro vitsy mialohan'ny fiandrasana ny Taombaovao Sinoa izy io no manomboka. Ary rehefa tonga indray ny fotoana hifandaozan'izy ireo amin'ny fianakaviany, dia tapitra eo koa ilay fialantsasatra fohy fa dia lavitr'ezaka hafa indray no hitondra ho any an-tany lavitra ny tanànany any.

Ny Dia lavitra rehefa Lanonamben'ny Lohataona, na Chunyun, no tena lehibe indrindra raha resaka fivezivezen'olona isan-taona ary ahitàna hatrany amin'ny mpandeha 2 lavitrisa isan-taona, anatin'ny fotoana fohy tsy mihoatra ny 40 andro akory. Tamin'ity taona ity ny Taombaovao dia ny faha 26 Janoary. 15 andro talohan'io no efa niainga ny Chunyun; androany, 31 Janoary, manomboka kosa ny dia be fodiana.

Fifamoivoizana mampivanaka, miaraka amin'ireto vahoaka marobe mihaohao eraky ny toby fiantsonan'ny fiaran-dàlamby, fiantsonan'ny fiaramanidina, na taxi-brousse, no entin”ny [ateraky ny] fandalàna fatratra ilay lanonambe, izay tsy hafa fa fihaonamben'ny fianakaviana ihany koa.

Ny fanitarana ny tanàn-dehibe haingam-pandeha loatra nefa mikorontana koa indraindray tao Sina dia nanome teorana ny dikan'ity “fivoriam-pianankaviana” ity. Mpiasa 200 tapitrisa avy any amin'ireo faritra ambanivohitra no miasa any an-tanàn-dehibe ary mamela ny fianakaviany manontolo any aoriany mba hahafahana miaina tsaratsara kokoa. Ny fetin'ny lohataona, ho an'ny maro amin'izy ireo, no hany fomba hihaonany amin'ny fianakaviany indray noho ny halafon'ny fodiana an-trano.

Iray amin'ireo vokatr'izany ihany koa ilay fahasarotan'ny fodiana an-trano. Tsy maharaka ny habetsahan'ny fangatahana ny fitaterana. Amin'ny lafiny iray, ny zotra an-dalamby, izay ampihi-mamba sy ambany vahohon'ny fanjakana dia tratry ny fanakianana mivaivay foana isan-taona. Noho ny habetsahan'ny fangatahana sy ny famerana ny vidiny, miroborobo ny fanararaotana. Mandritra izany, ny mpiasa ao amin'ny birao fanaovana famandrihan-toerana no eritreretin'ny maro ho mpiray tsikombakomba amin'ny mpivarotra tapakila an-tsokosoko mba hampisondrotana ny vidin'ny tapakila. Raha asiana fanadihadiana dia sahiko ilokana fa  io asa io no tsy lanin'ny vavonin'ny olona indrindra any Sina.

Tany Beijing, mpivarotra tapakila iray, namoaka tapakila avy amin'ny milina nefa tsy nivarotra izany tamin'ny mpandeha, fa nampirina izany, na teo aza ny laharan'olona lava be niandry teo, nisy naka horonan-tsary an-tsokosoko tamin'ny finday, ary tsy ela taorian'izay dia efa nipariaka tamin'ny aterineto izany. Ahian'ny olona ho natokana ho an'ny mpivarotra an-tsokosoko ireny tapakila ireny. Olona an'arivony, tanaty fientanana lehibe ho fanehoana firaisan-kina, no niara-nanameloka io mpiasa io.

楚天阁 any Tianya dia miteny:

看过这几段视频,再想想那些在寒风中为了一张火车票排很久队的人。北京站37窗口的售票员同志良心何在?

Jereo ny ampahan-tsary, ary avy eo dia eritrereto ny amin'ireo olona niandry hatry ny ela teo ireo tanaty rivotra mangatsiaka, ho ana tapakila iray fotsiny. Fa lasa aiza ny fahatsiarovan-tenan'ilay mpiasa (guichet No.37 , gare de Beijing)?

Tandindon'ny fomba fiasan'ny vondrona iray manontolo ihany ny an'ilay mpiasa, ny Minisiteran'ny lalamby, izay mitantana ny lalamby rehetra manerana an'i Sina, antsoin'ny olona hoe “Zokiben'ny lalamby.” Ilay mpitoraka blaogy Zhu Weidong dia manao fanamarihana amin'ny maha-kidaladala ny ampihimamba amin'ny lalamby, izay heveriny fa resaka saro-takarina:

铁老大独家经营的垄断地位也一直未变。

铁路保持国有垄断经营是否会效益更好、服务更优呢?事实刚好相反。铁路部门经常性亏损尽人皆知。服务如何?过去说政府部门门难进、脸难看、事难办,铁路部门是有过之而无不及。

Tsy niova mihitsy ny ampihimamba amin'ny lalamby nandritry ny taona maro.

Na izany aza, hitondra tombon-tsoa sy tolotra manara-penitra ve ny ampihimamba?

Ny zava-mitranga dia maneho ny mifanohitra amin'izany. Ny seha-pihariana lalamby dia tao anatin'ny mena foana. Ka ahoana ny resaka tolotra? Mbola ratsy lavitra noho ny biraon'ny governemanta, izay mbola sarotra idirana, sarotra ahazoan-javatra, ary matetika mandray anao amina fomba mangatsiaka.

Lahatsoratra iray notanisain'ny haino aman-jery ofisialy Xinhua, mitondra ny lohateny hoe “ny olan'ny famatsiana tapakila dia mahalaza betsaka momba ny fanitàrana ny tanan-dehibe“, no nandalina sy nanipika ny anton'ny fahasarotan'ny fiverenana mody. Raha ny fijerin'i Den Yu-wen, mpitoraka blaogy, dia tsy tsara toy ny fanaovana ny tanàn-dehibe ho toeram-ponenana sahaza ireo mpiasa nafindra toerana ny fanatsaràna ny fitaterana.

另一方面要减少人们回家的需求,特别是把农民工留在他工作的城市里。而要把农民工留在城市,就必须把他的家庭也留在城市。

……Amin'ny lafiny hafa dia tokony avelantsika any amin'izay toerana hiasany any mpiasa nafindra toerana. Mba hanatanterahana izany dia tokony hapetratsika miaraka aminy any an-tanàn-dehibe ny fianakaviany.

由于农民在居住、养老和子女入学等方面遭遇一系列难题,目前农民不可能从心里真正把城市作为自己的家,也就难以真正融入当地社会,所以他们不得不每年候鸟般地在农村和城市之间来回奔走。

Noho ny olana maro atrehan'ny mpiasa nifindra toerana, tafiditra amin'izany ny fampiantranoana, ny fandriam-pahalemana sy ny fanabeazana ho an'ny ankizy, tsy afaka mandray ny tanàn-dehibe ho toy ny tena fonenany izy ireo, ary tsy afaka miditra ao anatin'ny fiaraha-monin'ny tanàn-dehibe ihany koa. Ka mivezivezy eo foana izy isan-taona, toy ny vorona mandalo.

Ny ekena amin'izao aloha dia tsy mitovy ny fandriam-pahalemana ho an'ny mpiasa nifindra monina sy ny mponina an-tanàn-dehibe. Tsy loharanon-karena velively ho azy ireo ny tanàn-dehibe, fa izy ireo aza no loharanon-kery trandrahana amin'ny vidiny mora ho an'ny tanàn-dehibe.

Ankilan'ny fanavakavahana ataon'ireo sampan-draharaha amin'ireo mpiasa mpifindra monina ireo dia  manamarika ihany koa ny mpanoratra:

主要在于我们的城市化是一个被动的、盲目的过程,多数城市主政者只想解决城市发展所需要的廉价劳动力.而不去认真探究和解决它所衍生的一系列问题。就此来说,春运难的背后,实际反映了中国的地区发展差距特别是城市化的滞后。

Zavatra natao an-jambany sy tsy mitera-bokatra ny fanitarana tanan-dehibe nataontsika. Maro amin'ireo mpiandraikitra tanàn-dehibe no tsy mikasa afa-tsy ny hampiditra herin-tsandry azo karamaina mora, fa tsy mieritreritra akory ny olana aterak'izany. Amin'izay lafiny izay, ny fetin'ny lohataona ankehitriny dia fitaratry ny tsy firindràn'ny fivoarana isam-paritra, ary indrindra fa ny fitarazohan'ny tena fanitarana tanàn-dehibe.

Ilay mpitoraka blaogy Willings (驿动的心) dia  manoratra lahatsoratra manohina ary mamintina hoe, “Rehefa takatrao ny  Sina ankehitriny dia fantatrao ny Chunyun ( ny dia lavitr'ezaky ny lohataona ).”

只有乘坐长途火车,经历过春运的人,才能真正理解中国,才可以称之为一个真正的中国人。中华民族的所有苦难,都集中体现在春运历程中。

Ireo izay efa nandeha tamin'ny fiaran-dalamby mandeha lavitra  ihany, efa nandeha tamin'ny Dian'ny Lohataona, ireo ihany no mahafantatra an'i Sina, ary afaka misaina sahala amin'ny tena Sinoa. Mandritry ny Dia lavitr'ezaky ny Lohataona no tena ahatarafana mazava tsara ny fisavoritahan'ny Sinoa.

选项A:买不到票;选项B:买到高价票;选项C:买到假票;选项D:不回家。

Safidy A: tsy misy tapakila
Safidy B: tapakila lafo vidy

Safidy C: tapakila hosoka

ary D: Aza mody

但在当今中国,即使穷人之间也一样互相倾轧,票贩子心安理得的赚取高额利润,小偷们心满意足的清点钞票,从打工妹,打工仔身上毫不留情的大赚特赚,只留下她们坐在地上嚎啕大哭的背影。在当今中国,利益的攫取,已经取代了仁义礼智信的古训,人民失去了信仰,除了对金钱的崇拜。

Ao anatin'i Sina ankehitriny, na ny mahantra aza dia mifanambaka. Tsy mahatsapa ny tenany ho meloka ny mpivarotra tapakila an-tsokosoko amin'ny tombontsoa malotony, manisa amim-pahafam-po ny volany ny mpangalatra, mitrandraka tsy misy indra fo an'ireo mpikarama, mamela azy ireo hifotetaka sy hidradradradra amin'ny tany eo . Ao anatin'i Sina ankehitriny, naka ny toeran'ny anatry ny oha-pitenenana fahiny ny fitadiavana zana-bola. Very finoana ny olona, afa-tsy ny amin'ny vola.

火车站的广场上,站满了数万数十万渴望回家的人们。他们披星戴月,他们风餐露宿,他们饥寒交迫的站在广场上,密密麻麻一眼望不到边,每个人都是那样的焦急,他们是最底层的中国人,他们只有最简单渴望回家的愿望,却无人给他们帮助。既然他们买不起飞机票,于是他们就注定命如蝼蚁,注定命贱如草….

Eny amin'ny toeram-piantsonan'ny fiaran-dalamby, olona an'arivony no miandry am-pitaintainana ny fodiana an-trano. Miandry andro aman'alina izy ireo, matory amin'ny tany, mijanona eny,  na dia ao anatina hanoanana aza. Lava tokoa ny laharan'ny olona ain'izany. Sino tambanivohitra ireo. Tsy maniry afa-tsy ny mba hody any aminy, saingy tsy misy iray akory mba manampy azy ireo. Noho izy ireo tsy afaka mividy tapakilana fiaramanidina, dia tsy maintsy mandeha mifatratra toy ny vitsika.

车厢里密密麻麻,过道里水泄不通,空气浑浊不堪,厕所极度肮脏,这些都是春运的常态,不是你我所应抱怨的……

Ny fiaran-dalamby feno dia ahitana olona amin'ny toerana rehetra, hatreny an-dàlantsara.  Lasa manempotra ny rivotra, ary maloto ny toeram-pivoahana. Nefa dia efa iainana andavan'andro izany amin'ny Dia lavitr'ezaky ny Lohataona, tsy misy tokony hitarainantsika……

我们办得好春晚,办得好奥运,却始终办不好春运。

Afaka manao Gala goavana ho an'ny Fetin'ny Lohataona isika, afaka manana lalao Olaimpika goavana, nefa toa tsy hanan-jo velively amin'ny fananana Dia lavitr'ezaky ny Lohataona mihitsy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.