Sina: Nosakanana an-tserasera ny Lanonan-dohataonan'i Shanzhai

Ny alin'ny 25 janoary 2009 dia nijanona tany an-tranony mankafy ny sakafo famaranana miandry ny taona vaovao araka ny fanisanandro manaraka ny volana ny ankamaroan'ny Sinoa any amin'ny tanibe. Mahazatra ny ankamaroan'ny mpianakavy rehefa alina tahaka izao ny mijery ny Lanonan-dohataona alefan'ny fahitalavitra CCTV. Tamin'ity taona ity dia misy ny fandaharana azo isafidianana saingy…

Mpiserasera iray antsoina hoe Lao Meng no nanam-pikasana hikarakara solona lanonan-dohataona an-tserasera nampitondrainy ny anarana hoe “Shanzhai Spring Gala” izay fampisehoana notontosaina tamin'ny volana novambra 2008. (Ny dikan'ny hoe Shanzhai dia trano fototry ny orinasa na tanàna an-tendrombohitra). Nandefa antso fandraisana anjara ho amin'izany izy ary nahazo mpandray anjara 35 be izao. Nokasaina halefa amin'ny internet amin'ny alalan'ny vohikala mpandray lahatsary (video) Tecent sy UUSee, ny fampisehoana , ny alin'ny 25 janoary. Kinanjo tamin'ny fiandohan'ny volana janoary ihany dia namoaka filazana tamin'ny fampahalalam-baovao rehetra ny Biraom-panjakana misahana ny Fampielezam-peo sy ny Fahitalavitra (SARFT) miangavy ny hanajanonana io lanonana atao hoe “Shanzhai Gala” io. Fanampin'izany dia nofoanana noho ny antony tsy fantatra avokoa ny famandrihana rehetra ka nahatery an'i Lao Meng nandrakitra ny fampisehoana ary namadika ilay “lanonana ho an'ny daholobe” ho fivoriana sy fiaraha-mifalin'ny samy mpinamana.

Noraketin'i (enregistrer) Lao Meng sy ny namany avokoa ny fampisehoan-talenta tamin'ny 22 janoary. Saingy tsy tafavoaka mihitsy ny sarimihetsika raha anaovana anaram-pamantarana (tag) hoe “Shanzhai Spring gala”. Na dia tsy notagena aza (nasiana anaram-pamantarana ) ireo rakitsary dia tratra eny antenantenam-pandefasana azy. Ny 2 febroary dia nisy mpanao gazety iray avy ao amin'ny Beijing News nilaza fa tsy nahita na dia rakitsary iray aza izy mikasika ny Lanonana Shanzhai tamin'ireo vohikala 56 fijerena lahatsary malaza indrindra any Sina. Nanamarika i lao Meng fa noraran'ny fanjakana ny fampisehoana noho ny antony tsy fankasitrahana ny Smut.

Iza àry no tompon'andraikitra tamin'ity fandrarana ity ? Gowers no nanondro:

可是,为什么视频网站没播呢?没办法,谁让视频网站有着广电总局、文化部这样的BOSS呢?视听许可证是广电总局发的,那是托关系、找人,费了九牛二虎之力才混到的。所以,广电告诉你“不参与、不炒作‘山寨’”,谁敢播?加上近期文化部等又在搞反低俗,要是因为播个山寨春晚就被弄成了低俗,也不值得。

Nahoana no tsy afaka mampiseho ny lanonana ireo vohikalan-dahatsary ireo ? Indrisy moa fa ny lehiben'izy ireny dia ao amin'ny SARFT sy ny sampan-draharahan'ny kolontsaina ihany. Avy amin'ny SARFT ny fahazoan-dàlana mandefa fandaharana, ary ny tranonkala rehetra dia tsy maintsy mahafantatra olona vao mahazo fahazoan-dalana. Noho izany raha vao miteny amin'izy ireo ny SARFT hoe “aza mandray anjara na manaparitaka” ny Shanzhai, iza no mbola sahy handefa izany ihany ? Fanampin'izany dia vao haingana ny sampan-draharahan'ny kolontsaina no naneho ny tsy fankasitrahany ny Smut, raha toa ka sokajiana ho vohikala tsy manam-pahamendrehana izay mandefa ny lanonana Shanzhai dia hovidiny lafo tokoa izany.

Ny foto-kevitra ijoroan'ity lanonana ity moa ny hoe ” Lanonana Lohataona ho an'ny vahoaka, avy amin'ny vahoaka”, ary ny mpandray anjara dia ireo mpiasa avy any ambanivohitra nifindra monina, mpianatra na ireo tany ampielezana tsy nahatratra ny fivoriam-pianakaviana. Soa ihany fa tsapan'ireo ao amin'ny CCTV sy ny departemantan'ny fampielezan-kevitra fa fanamby ho azy ity.

Ao amin'ny 163.com dia efa mihoatra ny 200 ny fanehoan-kevitra momba ny gala ary ny ankamaroany dia fanakianana ny ampihimamban'ny CCTV. Ireto àry misy santionany vitsivitsy :

这分明是个阴谋,偶年三十搜山寨春晚,有关链接全部连不上
cctv真缺德,没本事真刀真枪的干,只能玩阴的
结果今年的春晚办的果然不负众望,还是那么烂!

Misy firaisana tsikombakomba ao, nitady ny lanonana Shanzhai aho tamin'ny alin'ny faran'ny taona kanefa tsy afaka nidirana avokoa ny fifandraisana rehetra. Tsy rariny ny ataon'ny CCTV, tsy sahy miatrika ny fifaninanana izy kanefa mamingamingana any ambany latabatra. Farany moa dia araka izay efa nantenaina ny fampisehoan'ny CCTV, fitsentsefana !

央视真可怜,一个山寨给吓成这样.

Mampalahelo ny CCTV, mora hozongozonin'ny Shanzhai.

连一个小小的山寨春晚都无法容忍,更何况别的!中国!终国!

Raha ny firenena iray no tsy mankasitraka ny fandaharana amin'ny internet tahaka ny lanonana Shanzhai, dia efa manakaiky ny fiafarany izany firenena izany.

很央视…很中国…..

Tena CCTV, tena Sina

Afaka mijery ny Shanzhai Spring Festival Gala ianao ao amin'ny youtube (saingy sarotra ny manavaka ny tena asan'i Lao Meng satria maro ny mampiasa ny tagy (anaram-pamantarana) Shanzhai mba hitadiavan-daza amin'ny sarimihetsika). Ho an'ny Sinoa any amin'ny tanibe moa dia afaka miditra amin'ny alalan'ny Proxy sy TOR izy ireo. Ity àry misy fampisehoana iray nataon'ny mpianatry ny Oniversiten'i Hong Kong, mampiasa ny Shanzhai ao amin'ny lohateniny :

Misy fampahafantarana bebe kokoa avy amin'ny DANWEI sy hollywoodreporter.

Efa nivoaka tao amin'ny Globalvoices Advocacy nasiana fanovana ity lahatsoratra ity.

Oiwan Lam

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.