Chili: fiainana andavanandro atao blaogy horonantsary

Manana ny Zotra televiziona amin’ny aterneto izay fananany manokana antsoina hoe PalomaTV I Paloma Baytelman, mpanao gazety avy any Chili, mpanao blaogy sady filankevitra momba ny atontam-baovao sy atonta elektronika ao amin’ny tranombokin’ny kongresin’I Chili izy. Inona ary no nahatonga ny fahazotony tsy niato, ny fanararaotana ny fanasongadinan'ny tranokala Flickr fifampizarana sary izay ahazoana mampiditra horonantsary fohy no nitarika azy hampiseho ny isan’andron’ ity vehivavy mipetraka sy miasa ao Santiago Chili ity, ary ankehitriny dia manana ny zotra YouTube izay fampidirany horonantsary izy.

Mampiseho azy nandeha nandatsa-bato ny iray amin’ireo horonantsariny, izay milaza hoe nanao ahoana moa I Paloma rehefa feno 18 taona, ka nampatsahivin’ny reniny ny tsy maintsy hialany ao an-trano (izany hoe roahiny) raha toa ka tsy misoratra anarana handray anjara amin'ny fifidianana izy. Dia lasa izy nandray ny fiara fitaterana ary nifidy, ka tretrika aok’izany avy eo nampiseho ny ratsantanany nisy ny marika ranomainty.

Mitahiry ny zava niainany tao anatin’ny fiara fitaterana mihazo ny lalana mankeny amin’ ny Sinagoga tao Santiago ny horonantsary manaraka izay ka nahatsikaritra izy fa nanao fiakanjo dadabe noely ilay mpamily fiarakaretsaka. Nanararaotra ny fahafahana miresaka taminy sy ny vadiny izy, ary avy eo nampiditra horonantsary sy nanoratra ny momba izany tao amin’ny ny blaoginy:

Ity horonantsary manaraka ity dia misy an’I Gaby, rahavavin’I Paloma, izay mitantara fampijaliana nahazo azy tamina fampisehoana seho-endrika iray ho an’ny fivarotam-panafody, ka rehefa avy niangaly ny dihiny iny indrindra izy dia nobedain’ilay olona mifono lamba sponjy ny tanany ary tsy navelany handeha, avy eo nokasikasiany tamin’ilay fonon-tanana matevina(gants) ny vatany manontolo ary rehefa navotan'ny naman’I Gaby hiala teo aminy izy dia naforiporitr’ilay olona miendrika Dr. Simi ireo taratsy kely izay nozarainy ary avy eo nitoraka an’I Gaby izay tafatsoaka izy:

Tao anatin'ny asany, ny fitorahany blaogy sy blaogy an-tsary no niezahany niresaka tamin'ireo olo-malazan'ny fikirakirana ny Web 2.0 izy, toa an’ I Tim O'Reilly, Howard Rheingold (Smart Mobs), Nicolás Copano (Chili), Peter Rock (Chili), Chris Anderson (Wired) toy izany koa ny resadresaka miaraka amin’i Jay Adelson (Digg) sy Jimmy Wales (Wikipedia) izay tsy mbola nivoaka. Ny horonantsary manaraka no nisy resadresaka nataony niaraka tamin'i Tim O'Reilly [en], afaka jerenao izany eto ary voasoratra teny esaniola ny resaka.

Azonao jerena avokoa ireo horonantsary ao amin’ny pejiny Flickr hafa, na koa ao amin’ny zotrany YouTube sy ny PalomaTV, izay nakany sary sy nametrahany an-tsoratra ny resaka amin’ny horonantsariny sasantsasany. Ny sary izay nampiasaina amin’ity blaogy ity dia ny sariny manokana ao amin'ny pejin'ny Flickr-ny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.