Israely: Tatitry ny Rosiana iray, mpanao gazety an-tsary

Dmitry Kostyukov (LJ user kostyukov), mpanao gazety Rosiana, dia mamita iraka any Israely amin'izao fotoana izao. Tamin'ny volana Aogositra 2008, nandrakotra ny ady tany Osetia atsimo izy, ary ity misy fampisehoana mandritra ny 6 minitra ny sary nalainy tany:

Hatramin'ny namoahany iny sary iny tao amin'ny blaoginy tamin'izy efa tany Israely, nametraka fanontaniana avesa-danja  ny iray tamin'ireo mpamakiny (amin'ny teny Rosiana):

hapylliutejib:

Mampitaha [ny ady roa] ve ianao sa fahatsiarovana sendra nandalo tampoka ity?

Namaly i Kostyukov:

Tsy misy hevitra ambadika eto, na ankiafinafina… tsotra avikoa ny zava-drehetra. Voalohany, ny ady dia nampatsiahy ahy ny ady (na dia tsy tena nanadino ny momba azy iny aza aho), ary faharoa, nandefa [sarin'i Osetia maromaro] aho tao amin'ny [fifaninànana maka sary tao amin'ny World Press], noho izany dia rariny  ny nandefasako azy rehetra ato.

Ato amin'ity lahatsoratra avy any Israely ity anefa, noresahan'i Kostyukov ny ady nisy taloha, amin'ny fitondrana fanamarihana fa tena hafa mihitsy ny fanatanterahana ny asa fony tany, àry, mazava ho azy, ny fanaovana fampitahàna ihany koa. Mitondra fijery amin'ny ankapobeny momba ny asan'ny  mpaka sary an'ady ihany koa izy. Indreto santionany telo, nadika avy tamin'ny teny Rosiana.

12 Janoary 2009:

[…]

Ady hafahafa… eo anivona sivilizasiona (fandrosoana), eo  anivona tontolo mahafinaritra. Sahala amin'ny hoe any anivon'ireny tanànan'ny mpanao fahagagàna ireny. Tsy mitovy amin'i Osetia mihitsy. Aty, taterin-dry zareo amin'ny kamiao ny tanks ho any amin'ny toerany, mandeha eo ambony tara, satria haingakaingana kokoa amin'izay, mazava ho azy. Misy ady aty, àry misy ny WiFi eo an-kilan'izany, trano fisakafoànana sy hôtely fakàna aina. Any aminà làlana ambanivohitra iray, misy [fiara misy fitaovam-piadiana mahery vaika, afaka mitondra ny tenany] manamboatra toerana indray, ary eo akaiky eo, tantsaha iray ao anaty “tracteur” manondraka saha.

Ary dia efa zatra msy ady ny olona, vonona ho amin'izany. Aty, misy fiarovana amin'ny baomba ny trano rehetra, café, toeram-pangalàna solika. Misy fialofana eny an-tsisin-dàlana. Fantatry ny Israelianina tsara ny tokony hataony, hoe onjam-peo inona no tokony ho henoina mba hahalalàna momba ny loza, hainy  hoe aiza no tokony hiazakazaka…

[…]

Amiko dia helo tanteraka any Gaza amin'izao fotoana izao. Raha ny fahitàna ny firodànan'ny zava-drehetra any amin'izao fotoana izao, mampivarahontsana ny màka sary an-tsaina hoe ianao no tany. Tsy mamela [n'iza n'iza] hiditra na hivoaka an'i Gaza ry zareo izao. Iray ihany no mpaka sary anànantsika any, raha ny fisainako azy.  Miantso anay izy dia henonao amin'ny feony fa mihamitombo hatrany ny tsindry. Nisy “missile” iray nandona ilay trano eo akaikin'ny biraonay any Gaza.

Any amin'ny ankilany Israely indray, ireo mpanao gazety rehetra dia mamonjy ireo havoana roa na telo izay ahafàhana mahita tsara  ireo faritra mirehitra. […]

Ny olana goavana  dia tsy mahazo miara-miasa amin'ny tafika ny mpanao gazety. […] Tsy raharahian'ny miaramila na misy maka sary izy ireo na tsia, ny “police militaire” no sarotiny amin’ izany, ary matory izy ireo hatramin'ny 8 ora maraina. Izany no antony hanangonan'ny olona sary manodidina ny amin'ny 6ora maraina hatramin'ny 8ora maraina, ary avy eo dia maka  masolavitra ry zareo ka mandinika ny zera baomba.

Amin'ity ady ity, anaty kitapo iray toy ireo mpanao gazety tany Georgie tany  [Gori] aho – tsy misy na inona na inona azo raisina […].

17 Janoary 2009:

[…]

Ny zavatra tena naharikoriko indrindra dia miantso tsy ankiato ny tonian-dahatsoratra, ary miteny zavatra tahàka ny hoe: “Eh, inona izao no ataonareo any? Itadiavo miaramila mitazona sainam-pirenena eo akaikina tank izahay!” Leaza a!, tsy misy zavatra tahàka izany aty! Be olona aty, nefa toerana ngeza be ity, ary ny tafika koa mifindrafindra, izahay aza tsy manan-jo velively ho  eto mihitsy. […]

Fa androany dia nifanena tamina olon-droa izahay. Monina eo akaikin'ny sisitany mihitsy ry zareo. Tonga dia niteny ilay lehilahy fa mpomba ny “extrême droite” izy. Niteny izao manaraka izao izy… Izay rehetra ataon'ny tafitsika eto, mbola [zava-bitika marina tokoa]. mamono olona 1000 isika – kely dia kely izany. Miteraka zaza 500 ao anatin'ny iray alina ry zareo. Tokony efatra alina (40000) no vonoina. […] Tokony asaintsika  Atoa. Putin ho aty. Ampiasao izy ary omeo karama 2 tapitrisa isan'andro. Ary tsy lafo mankaiza izany. Ho ataony haingana izay fantany fa zavatra tokony hataony. Ary ho afaka hiaina am-piadanana mandritra ny 20 taona ho avy na maherin'izay  isika.

Tsy ho soritako izay naha-taitra “kely” ahy. Eny, be ny adàla eny rehetra eny, fa amin'ny fomba ahoana no nahatonga an'i Putin ho fitaratry ny “extrème droite”? Tsy manam-pahaizana amin'ny tantaran'ny vahoaka Jiosy aho, nefa mieritreritra aho fa  maro ireo Jiosy nandositra aty Israely noho ny  “fitondràna sovietika” , ny famoretana, sns.  Ary ankehitriny dia misy ve olona any amin'ny tanindrazany miteny zavatra tahaka izany?

Vao haingana teo, Nandre momba an'i Rosia tamin-javatra tahakahaka izao aho: mandainga foana ianareo mpanao gazety , fa ambarao anay hoe maninona ny U.S. [no mahazo manao izay tiany hatao] atsy Iraka sy Afghanistan, fa maninona i Rosia [no afaka manao ny ataony] any Georgie sy Chechenie – raha  izahay kosa tsy mba mahazo ? Reko foana  Ity “Fa maninona i Rosia no mahazo” ity  any amin'ny karazan-toerana rehetra, fa tsy aty ihany akory.

Manontany matetika ireo miaramila sy ireo olon-tsotra: “Fa maninona ianareo no mandainga? Fa nahoana no dia sary ratsy no entinareo maneho an'i Israely? Fa inona no nataonay anareo? Fa maninona no tsy milàza ny marina ianareo?” Andriamanitra o, tena tsy hitako izay havaly amin'ny fotoana tahaka ireny, satria maheno zavatra toy ireny foana izahay.

Any Gaza, izany koa no notenenina ahy. Fa maninona no mamono anay ry zareo? Fa maninona no tsy miresaka momba an'io ianareo? […]

Na izany aza, any Osetia, mandratra manokana izany. Nanao izay rehetra azonay natao izahay. Sary am-polony isan'andro – tomany, fatin'olona, trano rava, tsikera mitohy… tsy maro ny mpanao gazety manao toy izany. Ary na eo aza izany rehetra izany, mbola maheno fitenenana foana aho fa taim-boraka izahay.

Nody izahay ary nanomboka niteny ireo namako fa tsy manao tsara ny asako aho. Toa sarotra ny mahazo ny zavatra nataonay tany rehefa mieritreritra ny olon-drehetra fa i Rosia no nanomboka an'io voalohany. Fa maninona no tsy nasehonay hoe toy ny inona ny haratsian'i Georgia.

Taorian'izay, tany Gori aho ary nitsambikinan'ny olona indray izahay sady niteny ry zareo hoe: Fa maninona no mandainga ianareo? Fa maninona no tsy asehonareo hoe ahoana ny fidonan’ izany aminay? Fa maninona no tsy teneninareo ny halozàn'i Rosia? Tarika vehivavy iray no nampiseho ahy ny faritry ny fipoahan'ny “missile”. Nangatahan'izy ireo ny hakàko sary azy io. Tsy nahalanjalanja intsony aho ka loa-bolana fa tsy mbola nahita ny tany Tskhinval izy ireo ary tsy fantany hoe toy inona any amin'izao fotoana.  Heveriko fa azonao sary an-tsaina ny hoe inona sy manao ahoana no navalin-dry zareo ahy. Soa ihany fa nisy miaramila teo akaiky teo.

Misy tokoa angamba asa ahazoana teny mahery isak'izay mahatsiaro nefa mbola misy ihany ny olona manohy mampiasa ireny fandraharahàna ireny. Mpitsabo, manam-pahefana, mpampianatra, mpanao pôlitika, mpanao gazety. Ary misy rariny ihany amin'ny fanomezana teny henjana, mazava loatra, nefa mazàva ihany koa fa amin'ny asa toy ireny dia misy foana tranga mahatonga anao mora foana ho any amin'ny hadisoana Ary na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hanao hadisoana daholo ny rehetra. Nefa tsy manamarina anay izany, angamba. […]

19 Janoary 2009:

Saika maty izahay androany. Ankehitriny dia mànana fahatsapàna hafahafa aho. Mieritreritra hoe segondra kely fotsiny dia vita matavy… Matetika, matimaty foana ny mpanao gazety. Tsy hitanay akory hoe misy toeram-pitiliana miafina ary tsy nijanona izahay raha tsy efa ny fipikan'ny fanalàna ny  aro loza (cran de surété) sy ny vava basy efa mitodika amin'ny lohanay  metatra vitsy monja avy eo. Hafahafa, fa amin'ny fotoana sahàla amin'ireny, ny hany hitanao dia ny maso[n'ilay olona efa vonona hitifitra]. Ny amiko aloha tsy fantatro, fa ilay mpiara-miasa amiko […] dia lasa fotsy sahala amin'ny lamba tao anatin'ny iray segondra. Any Georgie, novonoina tamin'ny fomba tsy dia mazava  ilay mpaka sary iray ao amin'ny TASS [Aleksandr Klimchuk] – namaly izy hoe ‘Gamarjoba’ [‘manao ahoana’ amin'ny teny Georgien] […] tamin'ny arahaban'ireo avy any Ossetie. Ary amiko, ohatran'ny tsy nisy n'inon'inona tena niseho, fa 10 minitra avy eo izay vao nangovitra anaty toy ny avy nisotro kafe folo kaopy aho.

ato sy ato ireo sarin'ny fisintahan'ny tafika Israelianina nalain'i Kostyukov.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.