Japana: Tanora Masina, Jesoa sy Boddha nidina an-tany

Ahoana moa raha midina ety an-tany i Jesoa sy i Boddha mba hitsangatsangana faran'ny herinandro? ary ahoana moa raha miara-mipetraka amina efitrano mora vidy any Tachikawa andrefan'i Tokyo izy ireo? izany no eritreretin'i Hikaru Nakamura (中村光) [jp], tanora Japoney mpanoratra manga, raha miaraka amin'ireo Oniisan Masina (聖☆おにいさん [jp], dika mivantana ny Tanora Masina) izy, manga (tantara an-tsary japoney) mivoaka isam-bolana Maraina 2 (モーニング2) tamin'ny 2007 izay lasa be mpividy tokoa olana vitsivitsy lasa izay rehefa natambatra ho boky iray ny fizarana roa voalohany tamin'ny herintaona.

The 1st volume of 聖おにいさん
Ny fonon'ny Tanora Masina, vol.1

Maro ny mpamaham-bolongana mankafy ny hatsikana mifandraika amin'ireo singam-pivavahana amin'ireo mpankasitraka ny asa soratra manga an'i Nakamura. Ary maro ihany koa, tahaka an'i miyu (izay mpamaham-bolongana) no nanasongadina fa tena nosainina tokoa ireny kibokibo ireny.

ブッダとイエスが、バカンスに下界へ降りてごく普通に生活するという話。
お金に細かいブッダ。
衝動買いするイエス。[…]

Tantaran'i Bobbha sy Jesoa, nidina teto an-tany, izy ity, mba handany ny faran'ny herinandro eto an-tany ka hiaina anaty fiainana tsotra.
Boddha tena miavaka amin'ny resaka vola.
Jesoa sy ny fandaniam-bolany hividy, hividy hatrany. […]
d

感想は、
『やっぱ読んでよかった~♪♪♪』
[…]、ブッダやイエスがTシャツにジーパンってだけで笑えるもんね。
2巻の表紙のイエスかっこいいし。笑[…]
この漫画描くの大変そうだなぁ。
ネタがいちいちおもしろいから、よく考え付くなぁと感心しながら読んでいます♪

Ny hevitro manokana?
“tena faly tokoa aho namaky azy ity”
[…] Na dia ny mahita an'i Boddha sy Jesoa manao t-shirt sy blue jean aza dia efa mampihomehy e!
Ary tena mahafinaritra tokoa ny mahita an'i Jesoa tamin'ny fonon'ny boky faharoa. […]
Tena sarotra anefa ny mandoko (manoritra) karazana tantara tahaka itony.
mampihomehy avokoa ny hatsikana rehetra, tena nahatalanjona ahy ny namaky [ny manga] sy ny fomba nanaovany ny tantara.

Tahaka izany ihany koa ny tenin'i Chihaya_K_Amou momba ny haavo lentan'ny tantara nanapa-tsinay ny mpamaky:

すごく笑いました!
ギャグとしても笑えるのですが、ネタがわかると何倍も面白い!
キリスト教ネタも仏教ネタもわかるともう最高に面白いです。
こういうマンガは日本人でないと描けないでしょうね。
そして、こういうマンガを心から楽しく読めるのも日本人でないと無理かなーと。
日本人に生まれてよかったよ、自分。
個人的に。
自分の近所にこういうおにいさんたちが住んでいたらぜひお友達になりたいね!(笑)

Tena nitokelaka tokoa aho!
Maharavo tokoa ny hatsikana tsirairay avy, fa raha mahalala ny momba ny fivavahana ianao dia mbola avy folo heny noho izay mampihomehy ny olona ny hehinao! Ary tena hihomehy hatrany ianao raha hainao avokoa ny hatsikana kristiana sy boddhista rehetra.
Ny Japoney ihany moa no afaka manoratra manga tahaka izao? Ary dia mieritreritra aho raha ny Japoneyihany no afaka mankafy ity manga ity.
Faly aho fa teraka Japoney.
Izaho manokana aloha, raha misy olona tahaka an-dry zalahy ireo monina ety amin'ny manodidina ahy aty dia karohiko mihitsy ny fomba ahazoako manao azy ireo ho namany e!

A scene from the manga.
Sehatra iray ay ao amin'ilay manga.

Araka ny voalaza nandritra ny resadresaka nioaka tao amin'ny Jump Square magazine [ja], dia nahaliaina an'i Nakamura hatry ny ela ny sarisary (icone) Kristiana, fa tsy mpino na manam-pahaizana momba ny fivavahana izy na dia izany aza. Hany ka rehefa nitsiry tao aminy ny hevitra dia tsy nanadihady lalina intsony izy fandrao sarotra azon'ny olona loatra ny resaka. Niniana natao mivantambatana sy tsotra ny hatsikana, mora azo ary mampihomehy ny rehetra. Saingy, indrisy, misy ihany koa ny mpamaky tahaka an'i “fanahy mazava” sy Monamona no tsy mitovy hevitra amin'ireo mpamakafaka (critics) mankasitraka ny Tanora Masina.

聖おにいさん評判が高いので買ってみました。
イエスと仏陀が現代に降臨して共同生活ってのは面白い設定です。
でも筆者にはいくらでも面白くなるこの設定を活かすだけの教養がない。
せめて聖書や日本語訳のお経くらいでも読めばいくらでもネタは転がっているだろうに、それさえしてない感じ。
一番ひどいのは神社と寺の区別がついてない(二巻)あたり。
編集者も気付けよ。
こんなレベルで「このマンガがスゴイ」のトップになってしまうあたり
審査員のレベルの低さも推して知るべし。
ネットの評判だけで楽しみにしてただけにホントがっかりという感想です。

Niezaka nividy ny “Tanora Masina” aho fa tsara, hono, izy izao.
Ary dia mahaliana tokoa aloha ny endrikendrik'ilay izy, Jesoa sy Boddha nidina mankaty amin'ny tontolo ankehitriny sy miara-miaina.
Saingy tsy manana fahalalana ampy ny mpanoratra hahatonga azy ireo ho toy ny miaina.
Na dia mamaky Baiboly sy ny dikantsoratry ny Sutras [mazava izany] fotsiny aza dia efa mety hahitan-javatra azo anaovana hatsikana ao, fa tsy ahitana ireny mihitsy ao amin'ilay manga.
Ary ny tena loza raha nojerena ny boky faharoa dia tsy hainy akory ny manavaka ny jinja [tempoly shintoista ] sy ny tera [tempoly boddhista].
Ry mpamoaka ny boky ô, saino izany!
Ary ny tena marina dia raisiko ny andraikitra fa ambany dia ambany koa ny haavom-pandalinan'ny mpamakafaka (critics) mametraka ny laharan'ity “manga milay” ity ho any amin'ny faratampon'ny filaharana.
Mba niandry ny fivoahan'ny manga tamin'ny aterineto aho saingy diso fanantenana ny amin'izay aloha.

Faraparany teo dia heverin'i yamada fa vokatry ny fampifangaroam-pivavahana nahazatra an'i Japana hatry ny fahagola no nahatafavoaka an'ity manga maneho olona malaza amin'ny fivavahana roa atao fampihomehezana ity.

肝心の内容の感想はというとおもしろい!!の一言です。ひさしぶりにギャグマンガで大笑いした気がします。
特に個人的にお気に入りはイエスがプールの中でモーゼのようになる!というシーンです。
あそこ以外にもおおむね宗教ギャグ関係は笑えました。

Raha hilaza ny hevitro amin'ny teny iray momba ity manga ity aho dia tokony hoe: mampihomehy! efa izany hatrany moa rehefa mitokelaka amina hatsikana manga aho.
Ho ahy manokana, ny tantara anankiray izay tena nankafiziko dia ilay Jesoa nidina tao amin'ny dobo filomanosana iny dia lasa tahaka an'i Mosesy avy eo!

ですが、一番気になるのはこの作品は日本独自のものなのだろうなぁということです。
正月にはお寺で除夜の鐘を聞き、その足で初詣に出かけ、クリスマスにはパーティーをするという宗教の雑多ぶりがこのマンガを生み出したんじゃないでしょうか?
とりあえずこれを真剣なキリスト教徒の方などに読んでもらって感想を聞きたいな~などと思った次第であります。

Na izany aza ny tena mahaliana ahy amin'ity tsangan'asa ity dia noho ilay vokatra vita Japoney.
Raha henonao ny fanenon'ny lakolosin'ny tempoly mandritra ny taombaovao, dia mandoa ny sara voalohany any an-tempoly mankalaza Krismasy, moa ve tsy izany fahazarana fangarom-pivavahana [Japoney] izany no niteraka ny manga?
Ny zavatra noeritreretiko voalohany indrindra dia izay mety ho hevitry ny mpino kristiana mafana fo raha mamaky azy ity ry zareo.

Scilla Alecci

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.