Bolivia: Mifampitana @ Tazo Dengy

Nandrava ny fambolena sy ny tranon'olo-tsotra noho ny fiakaran'ny rano ny fiavian'ny orana any amin'ny faritra atsinanan'i Bolivia. Etsy ankilan'izany dia mamorona toeram-pitomboan'ny moka mpampiely ny tazon'ny dengue io orana io. Ao anatin'ny fambaran'aretina ny aretin'andoha ny hozatra ary ny ratsam-batana. Fa misy ihany koa ny soritr'aretina izay henjakenjana kokoa dia ny tazo mampandoa rà efa nahafaty olona 3 eto amin'ny firenena.

Araka ny efa nambaran'i Erika Pinto ao @ Alkolica [es] , dia efa nahatratra ny tanànan'i Santa Cruz ny aretina dengy , ary manantena izy mba tsy hihanaka any amin'ny tanàna niaviany any an-tanànan'i Trinidad ity aretina ity.

Efa niaina tratran'ny aretin'ny dengy [es] ny mpamaham-bolongana Willy Andrés any Santa Cruz :

Esta muy complicado esto del dengue por estos rumbos; no es de tenerlo en poco, especialmente viendo testimonios de personas que han quedado marcadas de por vida por no tratar a tiempo y como debe ser esa enfermedad. Y pensar que todo esto es por culpa de un insecto tan peqeño, al final de todo… ¡qué débiles somos!.

He tenido el tiempo en que pasé por esa enfermedad, no es nada agradable sinceramente, los dolores en las articulaciones, en los músculos… es como si te hubieran pegado.

Eto amin'ny manodidina dia tena manahirana ny miresaka ny dengy, tsy azo atao ny manao tsinontsonina azy, indrindra rehefa mahita ny manjo olona tràny voamarika mandrakizay @ fiainany noho ny aretina tsy voatsaboara-potoana, nefa tena zava-dehibe izany amin'ny fitsaboana ity aretina ity. Ary ny mieritreritra fa bibikely no anton'ny aretina, nefa amin'ny farany dia isika no malemy tanteraka!

Efa nisy ny fotoana narain'ity aretina ity aho, ary raha ambara aminareo ny marina, dia tsy dia tsara loatra izany marary rantsam-batana, hozatra.. tahaka ny nisy olona nidaroka mafy anao izany.

Ankehitriny moa dia mbola eo am-pikarakarana ny vadiny izay vao nanaritry ny dengy izy. sady fanampin'izany dia bevohoka 3 volana ihany koa izy izay nanampy trotraka ny ahiahy. Nitety toeram-pitsaboana maro nanodidina an'i Santa Cruz ry zareo fa mbola tsy nankany amin'ny hopitaly faharoa akory dia efa nahazo fitsaboana ara-dalàna. Efa mba tsara aloha raha tsy tratran'ny aretina ny zaza. Hoy ny teny fanampiny hoe:

gracias a Dios, Sara esta mucho mejor y con los medicamentos indicados. A cuidarse del dengue.

Isaorana Andriamanitra fa nihatsara i Sara ary mandray ny fanafodiny tsara. Arovy amin'ny dengy ny tenanao.

Eduardo Avila

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.