Indonezia: Fanontaniana ho an'i Obama

Fifaliana tamin'ny fandresen'i Obama tany Jakarta. Sary: Daniel Giovanni from Flickr.

Niavaka dia niavaka ny fifalian'ny vahoaka Indoneziana, indrindra indrindra ireo mpamaham-bolongana, nandritra ny fametrahana tamin'ny toerany an'i Barack Obama. Ity atontan'isa ity dia afaka manazava izany: Bolongana 27 968 no nampiditra ny anarana Obama tany Indonezia tanelanelan'ny 20 sy 21 Janoary. Fanamin'izany, saika nandefa mivantana ny fametrahana tamin'ny fomba ofisialy avokoa ny fahitalavitra tany an-toerana rehetra halina izay marihina fa misasak'alina amin'ny ora Indoneziana, ary nanao azy ho lohateny lehibe ny gazety be mpividy any.

Na izany aza dia efa misy ireo manomboka manontany tena tamin'ny kabarin'i Obama nandritra ny fitokanana azy. Diso fanantenana manokana izy ireo raha tsy nilaza na inona na inona momba ny fanafihan'Isiraely an'i Palestina tany an-tehezantanin'i Gaza. Ohatra, ity misy lahatsoratra iray nosoratan'i E. Billah mitondra ny lohateny hoe “Ilay Tena Barrack Obama”:

Barrack Obama memang seorang tokoh yang pandai dalam berpidato. Sayangnya dalam pidatonya kemarin tidak sedikitpun Barrack Obama menyinggung tentang konflik Israel dan Palestina.

Tsy mampino ny fahaizan'i Barrack [sic!] Obama mikabary. Saingy indrisy fa tsy nilaza na inona na inona momba ny adin'i Isiraely sy Palestina i Barrack [sic!] Obama nandritra ny kabariny omaly.

Azoko tsara mihitsy ny anton'ny fahadisoam-panantenana. Saingy, angamba tokony hotsarovantsika tsara fa kabary fanombohana amin'ny maha-Filohan'i Etazonia Amerika azy no nataony. Noho izany dia ny raharaha anatiny no zavadehibe kokoa ho an'ny Amerikana nifidy azy ho Filoha.

Ny lohahevitra iray mahaliana avy amin'ity filohan'i Etazonia faha-44 ity dia ny fahalalana raha hahomby na tsia ny fanavaozana ara-toe-karena novolavolainy. Yanuar Rizky, mpanadihady amin'ny resaka fitantanam-bola mamaham-bolongana ao amin'ny elrizky.net, no mamboraka ireo nandray anjara mavitrika ara-bola tamin'ny lanonam-panokafana. Notsongainy ny singa navoakan'ny Center for Responsive Politics(na Foibe manadihady ny politika saropady), fikambanana tsy miankina sady tsy mitongilana mifantoka amin'ny herin'ny vola mandritra ny fifidianana sy ny politika ankapobeny any Etazonia, fa ny mpanohana mavitrika mandritra ity lanonana ity dia ny “Fiarovana & Fampiasam-bola”, izay nanome vola mihoatra ny US$3.600.000. Nahatratra US$7.000.000 ny vola azo avy amin'ny sokajin'asan'ny fitantanam-bola mihozohozo, avy amin'ny trano fiantohana ary avy amin'ny fanorenana sy fivarotana ary fampanofana trano.

Namehy Rizky rehefa nahita ity singa ity:

Semakin jelas bahwa “wall street” tetap menanamkan kuku di setiap pemerintahan AS. Presiden Obama, dengan Menkeu alumni “wall street” tetap akan memperhatikan kepentingan industri sekuritas.

Mazava izao fa mbola mametraka ny heriny amin'ny fitondram-panjakana Amerikana mifandimby i “Wall Street”. Tsy maintsy mbola hifantoka any amin'ny tombotsoan'ny orinasan'ny Fiarovana ihany ny filoha Obama sy ny Minisitry ny fitantanam-bola (mpianatra talohan'i[?]) “Wall Street”.

Noho izany, na dia eo aza ny fanantenana rehetra ananan'ny vahoaka Indoneziana , ny safidy izay hataon'i Obama mandritra ny taona iasany ao amin'ny Trano Fotsy (White House) no ahafahana mijery raha afaka nitondra ny “fanovana” nampanantenainy izy.

Martin Manurung

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.