Palestina : “Any Gaza, ny maty ihany no nahita ny fiafaran'ity ady ity”

Nahita ny fahalebiazan'ny fahapotehan'i Gaza ireo mponina taorian'ny 3 herinandro nanafihan'ny Israeliana ny tanàna, ary efa manomboka mamerina ny fiainany andavanandro tsikelikely. Ireo mpitoraka bilaogy sasantsasany no manahy ny amin'ny fahasimbana ara-tsaina sy ara-po. Misy ny manontany hoe : “Inona no valisoa ho an'izay afa-mitsangana ka mandeha indray?”

Sharyn Lock, Aostraliana no nanoratra tao amin'ny Tales to Tell:

Tuesday [20 Jan]: I woke today to the sound of shelling from Israeli ships at sea. I’m not sure they really get this ceasefire concept totally, though of course it is nothing like what it was. In the port area on Saturday night, we had fliers dropped saying something like:

Israel will unilaterally stop attacks at 2am Sunday Jan 18. We won’t retreat from our Gaza positions, and we will respond to any Hamas attacks. Don’t come near us. Don’t go near Hamas positions. We don’t attack civilians, only Hamas….you have to know quiet will bring quiet. You have the choice.

Uhuh.

Talata 20 janoary : Ny feon'ny sambo mpiady Israeliana any an-dranomasina any no nanaitra ahy. Tsy tena azoko antoka fa hanaja ny fifanarahana fampitsaharana ady tanteraka ry zareo, na dia tsy misy dikany aza izany. Ny asabotsy alina tany amin'ny seranan-tsambo no nahazoanay singa-taratasy nalatsaka milazalaza toy izao :Hanajanona tanteraka ny fanafihana ny Israeliana ny alahady 18 janoary amin'ny roa maraina. Tsy hiala ny toerana misy anay aty Gaza anefa izahay, ary hamaly izay tifitra rehetra ataon'ny Hamas. Aza manakaiky anay. Aza manakaiky ny toeram-pamaharan'ny Hamas. Tsy hanafika sivily izahay fa ny Hamas ihany… tokony ho fantatrareo fa ny fahanginana no mitarika ny fahanginana. Manana safidy ianareo.

Hehe.

Eva Barlett, Kanadiana no nanoratra tao amin'ny In Gaza:

(S)o many Palestinians don’t really have a means of addressing their pain and psychological scarring. Particularly as so many have repeatedly endured invasions, as well as other emotionally-damaging things like living under military occupation, being imprisoned or having family members imprisoned, and living under siege and in closed borders, to name but some.
Abdullah, one of Abu N’s grandchildren, cries pretty much all of the time I see him now. He was a bit of a cheeky 6 year old when I first met him 2 months ago. Now he seems stuck in his memories of bomb explosions and drone sounds (the drones I can identify with: even now, near midnight on January 20, 2 days post cease-fire, the drones circle. The very distinct noise the drones here make is not a noise I can disassociate from the 3 weeks of precise bombardment and death which accompanied it). And very likely he won’t get any sort of therapy for this, although his family is compassionate, and will have to carry this baggage along with future baggage, as will the majority of those here. The most visible aspects of this war on Gaza are the massive craters, the demolished houses and buildings in every direction, in every town and city, the burnt-out warehouses and shops and hospital rooms and schools and cars…and the amputated limbs, the burned skin, the still-burning fires. But those very deep emotional injuries are what were intended to cripple society even more than physical damage.

Palestiniana marobe no tsy mahafantatra izay tokony hitarainany amin'ny holatry ny fanaintainana sy ny horohoro ara-tsaina mahazo azy ireo. Indrindra fa marobe tamin'izy ireo no mamerimberina ho niaritra ny fananiham-bohitra, sy ny zavatra mandratra fo tahaka ny hoe miaina ao anatin'ny fanjanahana, migadra na manana havana migadra, ary miaina ao anatin'ny famoretana sy ny fanidiana sisintany, raha tsy hilaza afa-tsy izay fotsiny.
Abdullah, anakiray amin'ny zafikelin'i Abu N, no nitomany hatrany nandritra ireo fotoana nahitako azy. Zaza vao 6 taona monja izy no hitako roa volana lasa izay. Ankehitriny dia tsy afaka an-tsainy ny fidoboky ny tafondro sy ny firohondrohany (firohondrohana manakaiky ny misasak'alin'ny 20 janoary, 2 andro mialoha ny fampitsaharana ny ady. Ny feo henonay anefa dia tsy haiko manavaka tamin'izay renay nandritra ny 3 herinandro nandarohana tafondro nitondra fahafatesana niaraka taminy). Ary tahaka ny tsy ho voatsabo amin'io izy, na dia tia azy aza ny fianakaviany, ka tsy maintsy hizaka ny enta-mavesatra mianjady aminy na anio na rahampitso, tahaka ny rehetra ihany. Ny tena zavatra azo tsapain-tanana tamin'ity ady tany Gaza ity dia ny lavadavaka lehibe, ny trano potika sy rava eny rehetra eny, eran'ny tanàna, ny trano ny fivarotana, ny toeram-pitsaboana, ny sekoly, ny fiara sisan'ny afo…ny tanana sy tongotra tapaka, ny hoditra may sy ny afo mirehitra. Fa ny tena nokendrena dia hisian'ny ratram-po lalina mihoatra noho izay fahasimbana hita maso.

Louisa Waugh, monina any Gaza vao haingana no nanoratra ao amin'ny bilaogin'ny Gaza Blog:

My friends tell me Gaza is changed forever, grief-stricken and ruined, and still there is no immediate prospect of the borders opening so people can be released from this jail. ‘We have lost everything,’ Mohammed, one of my friends in Jabaliya refugee camp, tells me over the phone. ‘My whole neighbourhood has been destroyed. But tell them, tell the world, we do not want food or money – we just want our life back, and we want our freedom.’

Nilaza tamiko ny namako fa niova tanteraka i Gaza, faharatrana sy fahasimbana, ary mbola tsy misy fanantenana ny hisokafan'ny sisin-tany haingana mba hahafahan'ny olona mivoaka ny fonjany. “Very daholo izay rehetra nanananay”. Niantso an-tariby ahy i Mohammed namako anankiray ao amin'ny fitobian'ny mpitsaom-ponenana ao Jabaliya nilaza hoe : potika daholo ny mpiray vodirindrina amiko. Kanefa teneno ry zareo, teneno izao tontolo izao fa tsy mila sakafo sy vola izahay. Ny hany ilainay dia ny hiverenan'ny fiainanay taloha, ary mila ny fahafahanay izahay”.

Vittorio Arrigoni, Italiana mpitoraka bilaogy ao amin'ny Guerrilla Radio:

A Gaza solo i morti hanno visto la fine della guerra. Per i vivi non c'è tregua che tenga alla battaglia quotidiana per la sopravvivenza. Senza più acqua, senza più gas, senza più corrente elettrica, senza più pane e latte per nutrire i propri figli. Migliaia di persone hanno perduto la casa. Dai valichi entrano aiuti umanitari col contagocce, e si ha come la sensazione che la benevolenza dei complici di chi ha ucciso sia solo momentanea.

Ao Gaza, ny maty ihany no nahita ny fifaranan'ny ady. Ho an'ny velona dia tsy misy fampitsaharana ady ho an'ny sisa nanamborana vokatry ny tsy fahampian'ny rano, ny gazy, ny herin'aratra, ny mofo sy ny ronono ho an'ny zanany. Aman'arivony no tsy manana trano fonenana. Fanampiana zara raha misy no tafavoaka ny sisin-tany, ary toy ny hoe manatona tsimoramora ny fahafatesana.

Prof. Said Abdelwahed, mpampianatra teny Anglisy ao amin'ny Oniversite ao Al-Azhar , no nanoratra ao amin'ny Moments of Gaza:

Very fanahy mbola velona i Gaza manontolo, potika, rava, mikorontana, maratra ary mahatsiaro tsinontsinona ! Ny tena nahasimbana betsaka dia ny fambolena, ny tranon'ny tantsaha sy ny zavatra rehatra manodidina azy ireo ! Fahadisoam-panantenana, tahotra, fahatairana ary fanaintainana no nanjo ireo sivily ! Nihivingivina aho nanoloana ireo rehetra ireo ! Na aiza na aiza nanafihan'ny tafika Israeliana ireo trano fonenana dia rava tanteraka. manoratsoratra teny hebreo amin'ny rindrina izy ireo, teny ratsy, ny kintan'i Davida, ny teny ratsy ary manoratsoratra ny tenin'ny Kôrany Masina koa.

Ghada Al-Najjar miasa ao amin'ny ONG Oxfam, nanoratra ao amin'ny Oxfam blog:

Tapa-bolana izao no tsy nodiako tany an-trano. Tsy maintsy niala tao aho taorian'ny fipoahana nahatsiravina nanimba ny varavarankeliko ary namotika ny varavarako. Na dia hotapenako amin'ny plastika aza ny varavarankeliko dia tsy haharo ahy amin'ny tifitra tafondro izany. Tsy maintsy miezaka miaro tena anefa aho, araka ny tenin'ny reniko, ka izany no nahatonga ahy handositra aty amin'ny havako. Andro iray izay no nitsahatra ny tifitra ary niverina an-tranoko aho hijery ny fahapotehana eny ho eny mahazo azy… Soa ihany aho tsy maty fo aman'aina. Indrisy anefa fa tsy toy izany avokoa ireo havako. Efatra tamin'ny havako no maty… Fahasimbana tsy ho voamboatra no nihatra tamin'ny fiainanay… Angamba afaka manamboatra ny simba amin'ny varavarankeliko aho fa tsy afaka mampiverina ny maty.

Abu el Sharif no nanoratra ao amin'ny Shajar El Ba6a6a:

مبدئيا إنتهت الحرب…مش مهم ازا كتنت انتهت لحين و حترجع…بالوقت الراهن وقف الموت و وقف الخوف…
غالبا عدد الزيارات اللي بتجيني علبطاطا رح تقل…مهو خلصت المصايب !!
اليوم نزلت لفة مبدئية على السوق لسة مش مرتاح إنو أبعد…كأنو إعصار ضرب السوق…المحلات مخلعة من مكانها مباني متهدمة و محلات مقصوفة من أصلها…ضايل
منها الفراع اللي كان فيه المحل…
كل اللي كان بالسوق كانو بشتركو بسؤال واحد بتحسو واضح وين ما رحت…
من هادي النقطة : كيف ممكن نكمل ؟
إيش الواحد لازم يعمل عشان تستمر الحياة ؟
و بتهيألي كل واحد بدو يدور على الإجابة بطريقتو…
واحد بكنس الواجهة المكسورة بتاعت محلو…
الناس طوابير على البنك…يمكن شوية مصاري رح تعطي شوية حلول للأسئلة…
حتى الشحاتين كانو مكانهم…
تخيلو…مشاواري بالسوق كان يمكن ساعة..شفت فيهم حادثين سيارات !!
فيمكن هادا هو حل الأسئلة المعقدة هادي…
الكارثة عملاقة و الدمار لسة مش قادرين نتصوروا و الجرح رح يكون غميق و تقيل…
بس حال الدنيا دايما هيك…
مشاكلنا الصغيرة رح تلهينا عن الصدمة هادي…
رح ننصدمها فش مجال…
بس برضو رح ننساها شوي شوي…
مش عارف ايش قاعد بخبص…بس جد الكلام مرتب بعقلي…
و المصيبة إنو منطقي !!
Amin'ny ankapobeny dia efa tapitra ny ady… Tsy dia zaadehibe loatra ny hoe hijanona fotsiny io dia mbola hiverina amin'ny manaraka. Ankehitriny dia mitsahatra ny fahafatesana sy ny tahotra. Azo antoka fa hihena ny fitsidihana ny bilaogin'ny Ba6a6a ary tapitra koa ny loza !!
Androany dia efa somary nihodina kely tao an-tsena aho. tsy tena nahazo aina anefa aho. Tahaka ny hoe nisy rivotra mahery nandalo dia nifaoka ny tsena. Niova toerana ny fivarotana, potika ny trano ary maro koa ireo fivarotana nofaohan'ny tafondro. Ny hany sisa nijanona dia ny banga tamin'ireo trano fivarotana nijoro teo aloha… Izay rehetra tao an-tsena dia nametram-panontaniana mitovy amin'izay rehetra renao eny amin'ny toeran-kafa ihany. Raha izao no izy, ahoana no hirosoantsika ?
Ahoana no ahafahana manohy ny fiainana?
Azoko sary an-tsaina fa mitady valiny avokoa ny tsirairay.
Misy ny mijery eo amin'ny varavarankelin'ny fivarotany.
Milahatra eny amin'ny banky ny olona… Angamba mba ny vola kely raisina no hanome vahaolana amin'ny fanontaniany…
Na ireo mpangataka aza dia efa eny amin'ny toerany.
Azonao sary an-tsaina ve… Adin'ny iray teo ho eo aho no tao an-tsena dia nahita lozam-pifamoivoizana 2!
Angamba izay no valin'nireto fanontaniana sarotra ireto…
Goavana ny fahavoazana ary tsy takatry ny saina ny fahasimbana, lalina sady lehibe ny ratra… Kanefa mitohy ny fiainana… Mitazona anay ny olana kely madinika ankoatry ny tahotra izay mila fitsaboana goavana…Na izany aza anefa mba efa hadino sahady izany, na dia kely fotsiny aza amin'izao fotoana izao… tsy fantatro izay lazaiko… kanefa ao an-dohako ao ny teny mirindra… ary ny tena loza dia tahaka ny hoe lôjika ilay izy!!
Laila El-Haddad, manana ray aman-dreny any Gaza, no nibilaogy ao ami'ny Raising Yousuf and Noor:

Mangina tsy toy ny isan'andro i Gaza androany, hoy ny raiko. Tsy misy F16 manidina eny amin'ny lanitra. tsy misy fipoahana mamotika zavatra. Misy fotoana hihainoana ny feon'ny fieritreretana. Toy ny miatrika karazana fanatoranana (tsy ahenoana fanaintainana). Fiatoana amin'ny aretina mihetraketraka, mba hahazoan'ny vaogeja maneho ny heviny hamonoana eritreritra fa mba manana safidy hono.

“Nahery vaika ny fanjanahana mandrapaharesy lahatra anay ny hifidy ny ho andevon'ny ratra kanefa misy fahafahana tanteraka!”

[…]

“Nopotehin-dry zareo avokoa ny lalana, ny trano, ny arabe… tsy misy tsy voakasika, hoy ny raiko. “Milamina aloha izao. matory izahay izao. Kanefa mbola mitohy ny fahirano. Ary aoka tsy ho diso havitra. mbola hifoha i Gaza.”

Sharyn Lock no niteny any amin'ny lahatsoratra hafa:

mampitolagaga ahy ny herintsain'ny mponina ao Gaza. Efa any ivelany avokoa ny olona manamboatra ny zavatra simba. Manarina ny fantson-drano, manadio ny mikorontana. Tsy te hieritreritra ireo ankizy maty, fa mitsiky kosa amin'ireo sisa tsy niharan'izany. Ahoana no ahazoany manao izany? Avy aiza ny herintsainy? Inona no tombotsoa azony raha mitsangana izy ary mandeha, indray mandeha koa?

MaRiAm, izay nibilaogy tao amin'ny World Called Contradiction, no niteny hoe:

“نحن كمسمار كلما طرقته زاد ثباتاً”
Tahaka ny fantsika izahay; arakaraky ny hikapohana anay no mahamafy anay.

Sharyn Lock no nandefa sarin'ny fahapotehana tao Azbet any Jabaliya . Lina Al Sharif, izay nibilaogy any amin'ny 360 Km² -n'ny korontana, no nandefa ny zavatra hitany an-tsary miaina.

Ayesha Saldanha

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.