Madagasikara: Fahapotehina noho ny rivodoza Fanele sy Eric

Vao tsy ela akory izay dia noteren'ny rivomahery Eric sy ny rivodoza Fanele andaniny sy ankilany i Madagasikara. Manahy ny ho fiantraikan'ny loza voajanahary tahaka izao ny mpamaham-bolongana eto Madagasikara raha fantatra ihany fa tena nampididoza manokana ny vanim-potoanan'ny rivodoza tamin'ny herintaona. Na dia mihahenjana aza ny toe-draharaha politika dia maro avy hatrany ny nizara ny eritreriny amin'izay mety ho fandravana misesisesy ateraky ny voina tahaka izao.

Niditra an-tanety ny rivomahery Eric tamin'ny alatsinainy 19 Janoary ,  ka nolazaina fa mahatratra 100km/ora ny rivotra nentiny tany Fanoarivo atsinanana. Ny alarobia maraina indray dia niserana an'i Morondava sy ny manodidina azy mitondra rivotra hatramin'ny 240 km/ora ny rivodoza Fanele ny alarobia maraimbe.

Ny mpamaham-bolongna Tomavana no mamelabelatra ny fihetseham-po ankapobeny misy eto Madagasikara:

Tropical Storm Eric traveled along the coast of Analanjirofo and Atsinanana regions on the East coast of Madagascar. We can say that once again, the violent winds are piling on against Madagascar.

Namakivaky ny morontsiraka atsinanana @ faritra Analanjirofo sy Atsinanana ny rivomahery Eric. Azo lazaina fa manoto an'i Madagasikara indray ny setrasetran-drivodoza.

Lomelle moa mitantara fa efa noravaravain'ny rivodoza Ivan tamin'ny herintaona ny distrikan'i Fenoarivo atsinanana (Fr). Nomarihiny moa fa efa niomana kokoa ny mpitondra fanjakana tamin'ity indray mitoraka ity raha ny manodidina ny renivohitra no jerena:

Madagascar ne peut éviter les passages de ces tempêtes tous les ans mais l’essentielle est de se tenir prêts aux éventualités [..] L’exercice de simulation d’Anosimahavelona était spécifique par rapport aux autres quartiers parce que le fleuve d’Ikopa est l’enjeu. Le travail consistait l’évacuation au moment du danger, à la traversée des sinistrés pour sortir de l’inondation à l’aide de pirogues, puis au transport par des camions pour rejoindre les sites d’hébergement. [..] Après cet exercice, il se peut que le taux des sinistrés puisse baisser car la prévention est bien préparée et assurée.

Tsy afa-midify ny fandalovan'ny rivodoza isan-taona i Madagasikara fa ny tena mety dia ny miomana @ zava-drehetra ihany[..] Niavaka tokoa ny fanazaran-tena teny Anosimahavelona raha oharina amin'ny tanàna hafa satria  ny ranon'Ikopa no resaka eto. Ny fanazarana natao dia ny fomba fialana rehefa sehatry ny loza, fitondrana ny tra-boina amin'ny alalan'ny lakana, sy ny fitondrana azy amin'ny fiarabe mizotra ho any amin'ny toerana hametrahana azy ireo vonjimaika[..] Mety hihena ny tahan'ny tra-doza taorian'ity fanazarana ity satria efa tsara omana sy tsara antoka ny fiomanana.


Fanazarana famonjena voina amin'ny fiakaran'ny rano , nopihan'i Lomelle

nampian'i Tomavana moa ny fitateram-baovao vonjimaika teo aloha fa tena nanao ny nataony tokoa ny rivodoza Fanele tamin'ny fandalovany amin'iny faritra Atsimo andrefana iny (Fr):

- A cause de l’extrême violence des rafales [> 260 kmh] plus aucune maison d’habitation n’a de toit dans le district de Morondava.
– Le journal Express de Madagascar avance le bilan des sans abris à “environ 64 000 personnes sur les 80 000 habitant la ville n’ont plus de toit.”
– Aucune nouvelle du district de Manja depuis hier 23h00 locale.
– L’onde de tempête a provoqué des raz-de-marée dans la région de Belo-sur-Mer et Ankoba.

Noho ny herivaikan'ny rivotra (> 260km/h), tsy nisy nitafo intsony ny trano tamin'iny distrikan'i Morondava iny.
Notombanan'ny gazety l’ Express de Madagascar fa tokony ho eo ho eo amin'ny 64 000 ka hatramin'ny 80 000 eo ho eo ny isan'ny mponina ao an-tanàna no tsy manan-tafo.
Tsy nahenoam-baovao intsony ny distrikan'i Manja hatramin'ny omaly 23h00 (20 Jan).
Nampisy fisamontan'ny rano tany amin'ny faritry Belo-sur-Mer sy Ankoba ny rivotra nentin'ny tadio.

Lova Rakotomalala

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.