Gresy: fanoherana ny fitondrana fitaovam-piadiana ho an'Isiraely

@izao ady misy any Gaza izao dia nitroatra ny mitoraka blaogy grika noho ny vaovao nivoaka t@ ity volana ity nilaza fa nisy fitondrana fitaovam-piadiana maro dia maro avy any etazonia ho any isiraely nandalo tao @ seranan-tsambo tanan'olon-tsotra grika ao Astakos. Nampiasa twitter ry zareo hanaovany famotorana sy hanerena ny governemanta grika hanakatso ny famatsiana ny fitaovam-piadiana.

Naato ny fampitana ireo fitaovam-piadiana noho ny tifitifitra nataon'ny antoko mpanohitra ny fitondrana grika sy ny antson'ny Amnesty International handrara ny fanondranana ireo fitaovam-piadiana.

T@ voalohany, nanda ny vaovao notaterin'ny agence Reuters t@ 9 janoary ny loharanom-baovaon'ny fanjakana. Saingy efa azon'ny mampiasa twitter ny vaovao ary efa nanadihady, naka lahatsoratra nadika avy @ teny grika tao @ Indy.gr sampan'ny vondrom-baovao iray tsy miankina Indymedia Athens ry zareo.

Efa novolavolaina t@ alalan'ny twitter ny hevitra anaovana barazy eny @ seranan-tsambo:

itsomp: http://is.gd/f8Wa Can we organise an embargo of the port of Astakos? Only the US and Israeli ships…

itsomp: http://is.gd/f8Wa Afaka manao barazy ny seranan-tsambon'ny Astakos ve isika? ny sambo amerikanina sy israelianina ihany no sakanana

nandefa hafatra tany @ ministeran'ny raharaham-bahiny t@ alalan'ny twitter ny mpitoraka blaogy sasany satria misoratra anarana ao @ twitter ny ekipa misahana ny serasera ao @ ity minisitera ity:

magicasland: @Dora_Bakoyannis τι γίνεται με το φορτίο του Αστακού; Δε θέλουμε εμπλοκή της Ελλάδας στο μακελειό της Γάζας

Ho an'i Dora Bakoyannis, fa inona marina no misy ao @ity seran-tsambo ao Astaskos ity e? tsy te-ho voarohirohy @ ity fandripahana misy any Gaza ity izahay grika

Sambany ny mpiasan'ny minisitera no nandika ny fitsipika tsy hiresaka mivantana @ vahoaka grika @ alalan'ny twitter:

Dora_Bakoyannis: @olrandir, @asteris, @gtzi, @magicasland, Απάντηση ΝΜ και για Αστακό, http://tinyurl.com/9ts6xw

… valiny momba ny Astakos, http://tinyurl.com/9ts6xw

Mitondra mankany @ filazana ofisialin'ny minisitera milaza fa “tsy mitombina” ny vaovao milaza ny fisian'ny sambo mitatitra fitaovam-piadiana mandalo ao @ seranan-tsambon'i Astakos na seranana hafa ny rohy.

Nefa nisy tolotra tany @ tranonkalan'ny fitondrana amerikanina mitady sambo hitondra ny entana hitan'i Odysseas:

Στην παρακατω παραπομπη θα βρειτε το σημα που εξεδωσε το Αμερικανικο ναυτικο για μεταφορα πολεμικου υλικου απο το λιμανι του Αστακου στο Αστοντ του Ισραηλ. Το φορτιο υπαρχει ηδη και περιμενει αναδοχο μεταφορεα.

ao @ity rohy ity no ahitanao ny fitadiavan'ny tafika amerikanina sambo hitondra bala avy ao @seranan-tsambon'i Astakos ho any Ashdod,isiraely.misy io sambo io ary miandry ilay mpitatitra nifanaraka taminy.

Notohizan'ny mpampiasa Twitter ny fanetsiketsehana na dia teo aza ny fandavan'ny fanjakana:

magicasland: @Dora_Bakoyannis και η αμερικάνικη σελίδα που αναφερει το φορτιο τι είναι τότε;

Dora Bakoyannis, Dia ahoana izany ny amin'ity takelaka [misy fitadiavana mpitatitra] ity?

Ny andro manaraka dia nitatitra ny mpampita vaovao fa nofoanana ny famindrana entana handeha amina sambo hafa. Tonga dia nisy ni-tweet (nisioka am-bolongana) avy hatrany izany:

myrto_fenek: Αναβλήθηκε, λόγω των συγκρούσεων στη Γάζα, η αποστολή πολεμοφοδίων μέσω του Αστακού

Nantsahatra ny fitondrana ny bala mandalo eto Astakos noho ny ady any Gaza!

Namintimpintina ny vaovao niely ny mpamaham-bolongana magicasland.com :

Σημερινή δημοσίευση του ΑΠΕ αναφέρει ότι αναβλήθηκε η μεταφορά του φορτίου των 325 κοντέινερ με πολεμοφοδία από τον Αστακό στο λιμάνι Ασντοντ [..] Το μόνο σίγουρο είναι πως το φορτίο θα μεταφερθεί κάποια στιγμή. Αρκεί όμως να μη μεταφερθεί τώρα και από εδώ.

Nanamarika ny APE [famoaham-baovao Grika] fa nofoanana ny fampidirana an-tsambo ny kaontenera 325 miaty bala miainga avy ao Astakos ka hizotra ho any Ashdod. [..] Mazava loatra fa hisy ny famindrana entana any amin'ny toerana sasany; fa izany hoe tsy anio na avy eto.

Mbola nanadihady lalina kokoa i coolplatanos , ary dia nahatsikaritra fitadiavam-piaraha-miasa hafa, ary nanamarina fa nofoanana ny fitadiavam-piaraha-miasa teo aloha:

έχει υπάρξει και προγενέστερη προκήρυξη ναύλωσης με ημερομηνία ανάθεσης της σύμβασης την 6η Δεκεμβρίου του 2008 (πρώτη δημοσίευση μάλλον στις 4 Δεκεμβρίου) πάλι από το αμερικάνικο πολεμικό ναυτικό. Αυτή η ναύλωση αφορά και πάλι πυρομαχικά και μεγαλύτερο όγκο φορτίου, αφού ζητείται πλοίο ελάχιστης χωρητικότητας 989 TEU’s[..]

Πάντως σήμερα 13 Ιανουαρίου και ώρα 9:05 am (Αμερικής φαντάζομαι) υπάρχει ενημέρωση στη σελίδα του μειοδοτικού διαγωνισμού για τη ναύλωση του πλοίου που αφορούσε τα 325 κοντέινερ και η ένδειξη ότι “ακυρώθηκε προς το παρόν”.

Τις παραπάνω ναυλώσεις τις έψαξα μέσω google αυτοσχεδιάζοντας [..]

… Efa nisy ihany koa ny antso misy fifanarahana tamin'ny 6 Desambra 2008 (nivoaka voalohany tamin'ny 4 Desambra), navoakan'ny tafika an-dranomasina Amerikana. Fifanarahana hitondra fitaovam-piadiana hafa, izay mbola mavesabesatra kokoa satria sambo mahazaka 989 TEU raha kely indrindra no ilaina.Na izany aza aloha ilay fitadiavana mpitatitra hitondra 325 TEU dia efa nametrahana hafatra farany androany 13 Janoary [09:00 EST], manao hoe “nofoanana amin'izao fotoana izao”.

Nahita kisendrasendra ireo fitadiavana mpitatitra ireo aho tamin'ny fampiasana ny mili-pikarohana Google

Asteris Masouras

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.