Palestina:Tsy manam-basy na fitaovam-piadiana aho, ny filazana ny marina no entiko miady

Anatin'ity topimaso momba ny blaogy avy any Gaza ity, mandre isika ny fitantaràn'ny mpamily fiara mpamonjy voina iray ny fomba iainany ny tahotra, ny fiantraikan'ny fampitandremana nataon'ny IDF nalefa tamin'ireo fahitalavitra sy fampielezam-peo tao an-toerana – sy ny hoe nahoana no ny fisintahana an'i Gaza sisa no azo antoka indrindra ho an'ireo mpiasa amina ONG [fikambanana tsy miankina] raha mbola te hanohy ny dia.

Ilay mafana fo Aostraliana  Sharyn Lock dia manoratra toy izao ao amin'ny  Tales to Tell:

Androany alina, Talata, alohan'ny handraisako ny anjara fiandrasana raharaha, dia mba nihodina kely niaraka tamin'i S. aho, nivadika tampoka ho fitaterana fati-na mpanohitra iray anefa ny dia. Raha ny marina dia izao no voalohany tamin'izay andro rehetra nandehanako fiara mpamonjy voina, ka nahitako fatina mpanohitra tao anaty fiarako. Roa ihany izahay no tao ka dia nanampy azy aho hampakatra izay sisa tamin'ny maty – izay tsy nisy loha sy tapany ambony intsony – mba ho eo ambony filanjàna. Faly ery aho nony nirotsaka ny haizina ka namàfa ny pitsopitsony isan-karazany, ary nisarika ahy hitandrina ihany koa izany fa izay fihetsika kely rehetra ataonay ato anatin'ity faritra migodàna be ity dia mety misy manara-maso avokoa. […] Rehefa somary alina ny andro, nanontany ahy ny fahatsapako manokana nanoloana ny fahitàna ilay maritiora [shaheed] mpanohitra i E. . […] Manomboka mitantara amiko ny fahatsapany manokana izy. Izy dia 36 taona, ampolo-taonany no naha-mpamonjy voina azy. Manambady ary niteraka efatra. Nolazainy fa tsy mbola nahita zavatra ratsy toy ity izy tato anatin'ny andro maromaro izao. Nambàrany koa fa matetika izy no sendra tahotra. Indraindray tena matahotra mafy tokoa, rehefa tena amin'ny faritra saro-pady, ka mahatonga azy tsy ho sahy manohy ny dia hatrany amin'ny faritra niavian'ny antso vonjy aza mazàna. Nanoritsoritra momba ilay antso nandritry ny alina niarahanay niasa izy (angamba noheveriny fa nanara-maso ny fihazohazoany aho) nilazàny fa tena saiky tsy vitany iny; tsy maintsy niato kely izy, nandini-tena hanàla tahotra, ary avy eo nanohy indray ny fanangonana, sady misaina hatrany fa amin'ny fotoana rehetra dia mety hisy koa baomba handrotika azy . Miaraka amin'ny fampiasàna ny haitaom-pitsikilovana ‘drone’, azon'izy ireo [israeliana] atao mihitsy ny mandefa baomba miaraka amin'ny anaranao manokana, voasoratra eo amboniny.
[…]
Androany alina, nandray lehilahy roa nitondra zazavavy kely 13 volana izahay. Mbola mafana izy, fa tsy mahatsapa fo mitempo intsony ny EB. Raha azoko tsara dia efa nanana olana ara-pisefoana hatrany am-pahaterahana ikalakely, ary nandritra ny tifitra rokety dia nofihinin-dreniny mafy ka tsy avy niaina [tsy nahazo ny rivotra sahaza]. Imbetsaka aho no manontany  mba hampahazava ny tantara satria toa te-hino aho hoe izaho mihitsy no diso fandray.

Prof. Said Abdelwahed, mpampianatra teny anglisy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Al-Azhar, dia manoratra toy izao ao amin'ny  Moments of Gaza:

Mpitsabo mpanao vonjy taitra iray no nilaza tamiko fa anjatony amin'ireo trà-pahavoazana ireo no tsy ho afaka intsony hiaina toy ny fiainany taloha! Nahita ampahan-tsary momba tovovavy 15 taona aho, rotika hatreny amin'ny lohaliny ny tongony, ary iray hafa tsy misy afa-tsy tongotra iray sisa, sy maro hafa ihany koa … Miharatsy ny ara-pahasalamana noho ny tsy fahampiana amin'ny lafiny rehetra ao amin'ny trano fandraisana vonjy taitra. Amin'ireo mpitsabo 60-70 avy amin'ny tany Arabo sy Eropeana koa aza, ho fanohanana ny mpitsabo mpandidy Palestiniana, dia fanampiana ihany tokoa izany fa misy amin'ireo trà-pahavoazana no tsy vita akory eto Gaza ny fikarakarana azy. … Sady koa, 13 ireo mpiasan'ny fahasalamana no namoy aina teo amperin'asa; fiara mpamonjy voina maro no natao lasibatra raha iny izy ireo niezaka namonjy sy nitatitra razana iny indrindra! Zava-mahazendana miampy zava-mahazendana izany !

Efa namaky ny hafatra nalefan'i  Safa Joudeh isika (izay mbola azonareo halalinina bebe kokoa eto) tao amin'ny blaogy itambaram-be Lamentations-Gaza; Maro amin'ireo diariny no nivoaka koa tao amin'ny  Syria Comment:

Nosovohan'ny IDF ny onjam-peon'ireo fahitalavitra sy fampielezam-peo eto an-toerana. Raha mbola teo ampijerena fahitalavitra iny indrindra izahay no nivadika ho mainty tampoka teo ny fàfana [écran] ary hafatra avy tamin'ny IDF no nipoitra: “Ho vavolombelon'ny firehetan'ny hatezeranay ianareo!!’. Nopihanay ny fahitalavitra ary dia novelomina kosa ny fampielezam-peo, fotoana vitsy teo aloha dia tapaka ny fandahàrana ary feo hentitra no nivoaka avy any: “Ilaozy ny faritra misy anareo ka mivondrona any afovoan-tanàna! Ho tombontsoa ho anareo no ampitandremanay anareo! Ny IDF ihany ity”. Ka aiza moa izany ilay eritreretina hoe tokony halehan'ny vahoaka? Ireo mipetraka any afovoan-tanàna toy ny fianakaviako aza efa voadaroka baomba koa, ary ny tokantrano tsirairay dia efa miahy sahady fianakaviana  1 na 2 nandositra ny faritra nonenany. Ny toerana fandraisan'ny  UNRWA [Firenena Mikambana] dia feno sahady ary ny lalam-be rehetra tsy misy azo antoka. Noho izany, izahay na dia efa nampiomanina aza dia tsy manana safidy afa tsy ny mijanona raha ny zava-misy no atrehana. Maro amin'ireo mponina no mihevitra fa tsaratsara kokoa aza ny tsy nahazo fampitandremana raha efa fahafatesana mby an-koditra toy izao.
[…]

Ato an-tranonay izao dia nandray fianakaviana araka izay tratra izahay, ireo izay nonina tamin'ny faritra tena atahorana. Amin'ny fotoana fisakafoanana, olona maro no mivondrona manao faribolana manodidina latabatra roa mba hihinana, ary miandry ny anjarany ny hafa. In-telo miantoana ny fisakafoananay. Rehefa tonga ny fotoana tokony hatoriana, misy ny matory anaty bodofotsy, ny hafa eny ambony seza, ny sasany eny ambony sezalava ary misy ny amin'ny tany fotsiny tsotra izao. Nandritra ireo 16 andro lasa, toy ireo vahoaka maro eto Gaza dia nianaranay ny niaina izany hoe ny ‘tsy maintsy’ sy n'y farany kely indrindra’  izany, ary nilomanosanay tanteraka ny hamafin'izany miaina anaty  fahantrana izany. Vantany vao vita ny fanamboarana ny tariby mpitondra herinaratra, roa andro lasa izay, dia niverina koa ny famatsiana herinaratra sy rano tao aminay, ka 6 ora isan'andro izany. Tamin'ny fotoana niverenan'ny herinaratra indray teto amin'ny faritra misy anay, henonao ny hiakam-pifaliana sy ny fankalazàna avy any anaty efitrano sy trano rehetra any izay azon'ny sofina renesina, na dia eo aza ny zera baomba tsy miato.

Mohammed Ali, miasa ho an'ny ONG Oxfam, dia manoratra ao amin'ny blaogin'ny  Oxfam miainga avy ao an-tranony ao an-tanànan'i Gaza:

Nandre olona mihira any ivelany any aho io maraina io, nanontany tena aho hoe fa misy inona ary, hay nony avy eo, nirehitra ny jiro – niverina ny herinaratra, hurrah! I Avy hatrany dia namelona ny fahitalavitra, namahana finday, nijery mailaka. Tanaty fotoana fohy, mba nahatsiaro ho toy ny afaka aho. Ireny zavatra ireny izay noheverinay fa zonay dia lasa tena sarobidy tokoa tato ho ato. Tsy manana rano madio fiandry intsony izahay. Efa foana ny siniben-dranonay. Tsy vitan-draiko ny nanidy varavarana [nanosi-bohon-tànana] ireo olona maro tonga nandondona nitondra jerrycan foana teny an-tanany. Tsy tao an-tsainy intsony ny hoe efa toy inona moa izay ny rano nozaraina raha tsy efa ela taty aoriana. Ritra ny rano madio teny amin'ireo mpivarotra; tsy nahita intsony koa izahay tany amin'ireo mpifanolo-bodi-rindrina. Azonay atao ihany ny mampiasa ny rano tsy voadio, saingy tsy maintsy ampangotrahana mba hisorohana ny aretina, saingy misedra olana hafa koa izahay; kely sisa ny entona fandrehitra tavela. tsy maintsy hisotro rano tsy voampangotraka ihany izany mba hitehirizana ny entona hatao fahandroana sakafo. Momba izay indrindra, raha tsy zatra nampiasa entona ho fahandroana ianao, lazaiko anao, toy ny maimbo lasanty ny sakafo, misy tsirona lasantsy ny kafe, na izahay aza efa maimbo lasantsy koa ankehitriny. […] Nangataka vatsim-pianarana any UK aho volana maromaro lasa izay. Miandry valin'izay aho mandritra ny volana Janoary, hoe nekena ve sa tsia ny fangatahako. Tsindrian-daona aho isan'andro miandry. […] Ny fahafahana mankany  UK dia manome ahy ainga vao [fanantenana] ilaiko amin'ny fiainana. Heverim-badiko ho toy ny mirediredy aho , satria toy ny efa hoe handeha iny ery izahay raha ny filazako azy, manao sarintsary an-tsainy ny mety ho namanay any aho, ny trano fisakafoana hidiranay, ny fitsangatsanganana eny an-jaridaina… farafaharatsiny raha ho faty ihany aho, mba maty miaraka amina tsirim-panantenana kely, ny fanantenana fa angamba mba hanam-bintana hiaina tsara lavitra noho izao, na dia toa nofinofy ihany aza izany hatreto.

Adham Khalil avy ao amin'ny tobin'i Jabaliya, ary mitoraka blaogy ao amin'ny  Free Free Palestine, dia nandefa hafatra iray, izay niainga voalohany avy tao amin'ny   Electronic Intifada, fampitambàrana ny soratra avy aminy manokana sy ireo antso an-telefaonina:

Matetika no tsy manana herinaratra izahay ao an-trano. Noho izany dia seriny daholo mihitsy ny fianakaviana manontolo rehefa miverina adiny iray na ora roa iny ny herin-jiro. Samy mamahana ny findainay, mampakatra rano, manao mofo. Saingy nahita zava-mahatsiravina aho tamin'ny fahitalavitra ka mahatonga ahy hisaina indraindray fa aleo ihany izahay tsy misy herinaratra. Any lavitra any indray, tsy misy tohina ny fianakaviako nefa manahirana ahy ny miresaka momba ny fianakaviako. Tsy dia nanana fisainana toy izany loatra aho. Fianakaviako daholo ny olona rehetra eto Gaza. Miara-miaritra ny mafy eto izahay raha mbola saziana sy adino faobe toy izao, ary miara-maty. […] Tsy marina loatra ny filazana fa hoe adin'ny Hamas sy Israely izy ity. Ary vavolombelona manatri-maso izany aho eto Gaza, ary angamba ianao mety hihevitra fa hoe i Gaza dia firenena iray ka ny Hamas dia tafika lehibe sy matanjaka, vandy daholo izany rehetra izany. Ny tafika Palestiniana tsy manana fiara mifono vy, tsy manana fiaramanidina mpiady, na sambo mpiady. Rokety amboariny ihany no fananany, fitaovam-piadiana tsotra. Tsy afaka manao inona akory hanoherana ny tafika insraeliana izay goavana sy matanjaka. Miaina isan'andro vaky ny fehirano tanteraka sy ny famonoana ary ny faharavan-trano izahay. Ny Hamas sy ireo sampana Palestiniana hafa dia miezaka miaro ny Palestiniana amin'ny vonomoka, ny fananiham-bohitra ary ny fanafihana an-habakabaka. Ny fibodoan'ny israeliana sy ny zavatra atao eto Gaza dia asa fampihorohoroana, toy ny maro amin'ireo zava-panaony sy ny politikany hatrany amin'ny taona 1948 ho fanadiovana ara-poko. Tsy manana basy na fitaovam-piadiana aho, ny filazàna ny marina fotsiny no entiko miady.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.