Mitohy ny fandripahana any @ valan-java-boary any RDC

Araky ny tatitra, mangigina kely ny ady any kivu avaratra, faritany any RDC. Misy ihany na dia izany ny adiady madinidinika mety mahafaty. Araka ny voalazan'ny bolongana WildlifeDirect, nisy toejavatra roa nitranga nahafatesan'olona tany amin'ny valanjavaboary any RDC.

Manome ny fanadihadiana isan-karazany momba ity vaovao ity i Paula Kahumbu – ao @ blaogy fiarovana ny Gorille – no hitaterana fa misy ny fifanandrinana eo @ mpioko National Congress for the Defense of the People (CNDP) (na kongresim-pirenena ho fiarovana ny olona)sy ny milisy Mai Mai mpanohana ny mpitondra fanjakana. Tao an-tanànan'i Mabenga,tokony 90 kilaometatra avaratry ny faritry ny renivohitra Goma izay nahafatesana olona 6 no nisian'ny ady. Nafindra toerana hananganana ny toby ho an'ny mpiambina ny vala-java-boary Virunga ny tananan'i Mabenga saingy ampiasain'ny CNDP ho toby miaramilany.

Milisy Mai Mai ireo 6 maty ireo.tsy nisy naninona kosa ny avy @ CNDP araka ny nolazain'ny mpitarika laurent Nkunda.
Etsy andanin'izany,any tsefafatsefaky ny tendrombohitra Tshiaberimu any, dia maty noho ny ratra nifanaovana t@ fanafihan'ny MaiMai,araka izay efa voalazan'ny blaogin'i Tshiaberimu t@ 9 janoary 2009, ny mpiambina miasa ao @ tetikasa fikarakarana ny gorille iray. Voatifitry ny balan'ny mpioko moa ity mpiambina Safari Kakule (eo @ sary) ity nandritra ny niarovan'ny mpiambina ny tobiny.

Mandria am-piadanana ry Safari.

Samuel Maina

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.