Espaina: Mpiara-miasa amin'ny GV Lingua voafantina

Maro amin'ireo vohikala Global Voices Lingua na Global Voices voadika amin'ny teny hafa no miara-miasa amin'ny vohikalana mpampita vaovao hafa hifanakalo RSS amin'ny lohateny mba hahazoany mpamaky bebe kokoa amin'ny fiteny samihafa. Samy mahazo tombotsoa noho ny fiaraha-miasa ny Global Voices teny Espaniola sy ny Periodismo Ciudadano [es] (fanaovan-gazetin'olo-tsotra) miorina any Espaina.

Vao tsy ela akory izay dia voafantina hifaninana amin'ny fifaninanana andiany fahatelon’ ny Las Mejores Miradas [es] sokajy “Tetikasa aterineto tsara indrindra” tohanan'ny TVE (fahitalavitra espaniola) ny Periodismo Ciudadano.

Ny tetikasa hafa hifaninana amin'io moa dia ahitana ny Soitu [es], Rockola [es], Vertele [es] ary ny Minube [es].

Ao amin'ny vohikalany moa ny Periodismo Ciudadano dia manambara ny tenany ho miezaka mba ho “toerana faka tahaka” amin'ny fitateram-baovaon'olo-tsotra any amin'ny tontolo Espaniola. Ny mpanangana sy ny mpiara-miasa amin'io vohikala io moa efa mirotsaka amin'ny tetikasa samihafan'ny fanaovan-gazety, fampitam-baovao an-tserasera ary ny fifandraisandavitra:

Periodismo Ciudadano es un lugar para el debate. Desde estás páginas ofreceremos toda la información y recursos que existen sobre periodismo ciudadano, noticias de medios ciudadanos y blogs que tratan estos temas. Es un proyecto abierto a todos los que deseen participar enviando noticias, enlaces, comentando, dialogando o debatiendo sobre esta nueva forma de hacer periodismo.

Toeran'ny fiadian-kevitra ny Periodismo Ciudadano. Manolotra anareo ny fampahafantarana sy ny vaovao rehetra mifandraika amin'ny fanaovan-gazetin'olo-tsotra, vaovao momba ny fitaovam-pampitam-baovao ary ny bolongana miresaka ireo lohahevitra ireo izahay amin'ireo takelaka ireo. Misokatra ho an'ireo rehetra te-handray anjara amin'ny fandefasana vaovao, rohy, fanehoan-kevitra na te-hiady hevitra momba ny fomba vaovao amin'ny fanaovan-gazety ny tetikasa

Hatramin'ny faran'ny volana janoary ao amin'ny vohikalaTras La 2 [es] no hanatontosana ny fifidianana . Amin'ny volana martsa no hanomezana ny loka ho an'ny mpandresy.

Eduardo Avila

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.