Ebola: Fifehezana ny areti-mandringana Ebola

Voaporofo tokoa ny fisian'ilay valan'aretina mora mifindra, antsoina hoe tazo Ebola any amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo. Heverina fa efa mihoatra ny 36 ny isan'ny olona tratran'ity aretina ity ary 12 raha kely indrindra ny isan'ny maty. Miezaka ny hifehy ny fielezan'ity aretina ity i RD Congo, ary manao izay hisorohana ny fahatongavany any aminy kosa ny firenena manodidina.

Otrik'aretina miteraka tahotra amin'ny olona maro noho ny tsy fisian'ny fitsaboana azy ny Ebola [izay antsoina ara-pahasalamana hoe tazo (mampandoa rà) Ebola], mora mifindra eo amin'ny samy olona noho ny fifampikasokasohan'ny hatsembohana amin'ny vatana ny otrik'aretina, ary mahafaty mandrakariva. Milazalaza ny momba ny otrik'aretina i Amanda Taub, mpanoratra ao amin'ny Wronging Rights:

“Ebola, for those not familiar, is basically the worst possible thing that your ‘flu-like symptoms’ could be a sign of. It starts with a headache and sore throat, accompanied by a high fever and muscle weakness. Victims then develop vomiting, diarrhea, and impaired liver and kidney function. These late-stage symptoms are often accompanied by internal and external bleeding, as white blood cell and platelet counts drop precipitously. This can include bleeding from the eyes and mouth, which gives the victims a particularly frightening appearance.”

“Ho an'izay tsy mbola mahalala, dia ny Ebola no azo heverina ho “aretin-kohaka” tena ratsy indrindra. Miandoha amin'ny aretin'an-doha sy tenda aloha, miaraka amin'ny tazo mahery sy fahalemen'ny hozatra. Mandoa sy mivalana izay tratrany, ary tsy manao ny asany ara-dalàna ny aty sy ny voa. Izany trangan'aretina izany moa dia miaraka amin'ny faharatrana anatiny sy ivelany, satria mihena vetivety teo ny isan'ny sela fotsy. Tafiditra amin'izany ny fikorianan'ny ra avy eny amin'ny maso sy ny molotra, izay tena mahatonga izay tratrany ho mampatahotra jerena tokoa.”

Voamarina fa any amin'ny distrikan'i Mweka any amin'ny faritany andrefan'i Kasai no nitrangan'ity valan'aretina ity. Ahiahiana ho avy amin'ny fahafatesan'ny gidro nitondra ny otrik'aretina ka namindra tamin'ny mpihaza sy ny vehiavy [vadny?] no anisan'ny nipoiran'izao valan'aretina izao. Tsy maintsy nandray ny andraikiny hisoroka ny firenena manodidina. Nampitomboan'i Angola ny fepetram-pandalovana sisintany amin'i RD Congo ary efa mandeha ihany koa ny Fanairana momba ny Ebola any Tanzania. Mamelabelatra izany ny lahatsoratra iray ao amin'ny South African Catholic :

“Recently, Angola, closed off their border with the affected region of DRC, Congo, having placed their police and military on high alert. Ebola has spread across the border to Sudan before, and countries in the region are edgy, due to the mostly lethal, and incurable nature of the disease. The Ebola disease is named after a river in the DR Congo.”

Vao nanidy ny sisintaniny amin'ny faritra tratran'ny Ebola ao RD Congo i Angola ka efa nametrapetraka ny polisy sy ny miaramila ao anatin'ny filazana loza fanairana. Efa niampita ny sisintanin'i Soudan manko ny Ebola ka maro ny firenena ao amin'ny faritra no sorisorena, satria sady mahafaty no tsy mbola misy fanafany ny aretina. Nahazo anarana avy tamin'ny anaran-drenirano iray ao RD Congo manko ny Ebola.

Avoitran'ny lahatsoratra iray ao amin'ny Ending Extreme Poverty in the Congo fa na dia tsy mbola voarara aza ny fivezivezena any RD Congo, dia:

“Tanzania is on alert against the Ebola outbreak. Angola closed its borders.

The World Health Organization (WHO) has NOT advised a travel ban. Even last year when 187 people died, a travel ban was NOT established.

If Congolese's poor were more mobile, and if it was warranted, a travel ban may be prudent. However without good private or public transportation, it is unlikely a sick person could make it to Tanzania's border. About 125 miles away, the Angola border is closer to outbreak area.”

Efa mandeha ny fanaitairana any Tanzania. Nanakatona ny sisintaniny i Angola. TSY nanolo-kevitra handrarana ny fivezivezena ny sampan-draharahan'ny FIrenena mikambana momba ny fahasalamana OMS. TSY natao mihitsy izany fandrarana izany tamin'ny herintaona na dia efa 187 aza no matiny.
Raha toa moa mpivezivezy kokoa ny Kongoley, ary raha voamarina izany, dia fanehoam-pitandremana kokoa ny mandrara ny fivezivezena. Saingy noho ny tsy fisian'ny fitaterana manokana na an'ny fanjakana mba tsara, dia mety ho sarotra ihany ny hahatongavan'ity aretina ity anyamin'ny faritry Tanzania. Tokotokony ho 125 amily eo ho eo ve koa, ny sisintanin'i Angola no akaiky azy kokoa.

Faninefany izao no nisy valan'aretina Ebola tany RD Congo hatramin'ny 1976; tamin'ny 2007 no nitrangany farany. Ity bolongan'ny Médecins Sans Frontières (MSF) ity dia nandrakitra ny traikefan'ny dokotera niezaka ny nifehy ny valan'aretna farany tany RD Congo iny. Efa nandefa ekipana manam-pahaizana manokana tany Kasai ny MSF hifehezana ihany koa ny valan'aretina. Saingy tsy dia manam-panantenana amin'izany loatra i Viceroy mamaham-bolongana ao amin'ny Superstrain :

“If the past is any indication of how things will turn out in the present, we will likely see the death toll of this outbreak rise considerably.”

Raha oharina avy amin'ny tranga taloha ny misy ankehitriny, dia mety hiakatra avo dia avo tokoa ny taham-pahafatesana.

Niteraka alahelo tamin'ny mpamaham-bolongana JShaffer ity trangana valan'aretina hafa any RD Congo ity, raha jerena ao amin'ity lahatsoratra iray ity izay nampitainy tao amin'ny bolongan'ny Foreign Policy Association's Africa :

“As if circumstances are not difficult in the Democratic Republic of the Congo, the country has now seen a new outbreak of Ebola. The DRC is a country that never seems to catch a break and rarely makes its own good fortune.”

Raha toa moa ka tsy sarotra ny ny toe-draharaha tany amin'ny Repoblika demaokratikan'i Congo, dia tratran'ny valan'aretina Ebola indray ny firenena. Tsy mba afa-nisento mihitsy i RDC ary tsindraindray tadiavina vao mba nahombiazana

Na izany aza dia mba nijery lafitsaran-javatra ihany i pO157 raha nilaza ny heviny momba ny Ebola tao amin'ny Trees & Things:

“The only good thing about the situation is the relatively well isolated locations it [Ebola] keeps breaking out in. As long as the folks coming down with this ailment don't end up on a plane or something we should be okay.

Given the advances in science and medicine I think if they can hold the disease to the Congo for the next ~5-10 years then Ebola will be done.”

Ny zavatra hany tsara amin'ity toe-draharaha ity dia soa ihany fa any amin'ny faritra somary mitokatoka-monina no tena nielezan'ny Ebola. Mbola afa-miaina ara-dalàna ihany isika rehefa tsy mbola tany anaty fiaramanidina na zavatra toy izany no ielezany.Raha jerena ny fandroson'ny hay sy ny fitsaboana misy amin'izao fotoana hifehezana ny aretina eto Congo dia mino aho fa ho vita tanteraka ny amin'ity Ebola ity ao anatin'ny 5-10 taona.

Sary sora-drindrina Ebola avy amin'i stirwise ao amin'ny Flickr.

Juhie Bhatia

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.