Palestina: Atao vaovao izahay aty Gaza nefa tsy mahita tele akory

Omaly (06 janoary) dia nodarofan'ny Isreliana baomba ny sekoly iray an'ny ONU (Firenena Mikambana) izay ampiasaina hipetrahan'ireo mpitsoam-ponenana ao Jabaliya ka nahafatesana olona 40 eo ho eo. Androany dia nampiato ny fanafihany nandritra ny ora 3 teo ho eo ry zareo Israeliana mba hahafahan'ny fanampiana miditra ao Gaza. Afaka jerena ny fihetseham-pon'ireo mpitoraka bilaogy ao Gaza.

I Said Abdelwashed, mpampianatra teny Anglisy ao amin'ny oniversiten'i Al-Azhar, no nanoratra tao amin'ny “Moments of Gaza” (Fotoana ho an'i Gaza) :

Palestiniana an'arivony no nialokaloka tao amin'ny Ssekolin'ny Firenena Mikambana (UNRWA). 40 tamin'izy ireo no maty nandritra ny fanafihana an'habakabajka nataon'ny Israeliana androany. Tahaka ny hoe tsy misy dikany amin-dry zareo Israeliana intsony na dia ny sainan'ny Firenena mikambana aza ! Dia ahoana no andraisan'izao tontolo izao izany ?

Eva Barlett, kanadiana, nanoratra ao amin'ny bilaogy “In Gaza”

Raha ny tanàna kelinao no hampihorohoroana, zeran'ny tafika faha 4 matanjaka indrindra eran-tany tafondro, ary hakatona ny sisin-taninao; raha tsy azo antoka intsony ny tranonao, ny toeram-pivavahana, ny sekoly, eny an-dàlana, ny toeram-pialofan'ny Firenena Mikambana… Aiza indray no halehanao sy hiafenanao ? Manodidina ny 15 000 no tsy manan-kialofana fa manjary mitsoam-ponenana vokatry ny daroka tafondro sy tifitra ataon-dry zareo Israeliana. Ny sasany amin'ireo no mialokaloka any amin'ireo sekolin'ny Firenena Mikambana manodidina an'i Gaza. Androany tany Jabaliya dia anakiray amin'ireny sekoly ireny no voadaroka tafondro. Ny talen'ny toearam-pitsaboana Shifa no nilaza fa 40 no maty ary 10 no naratra mafy. Mety mbola mihoatra io isa io… Io tale io ihany no nilaza fa tsy maharaka intsony ny mpitsabo ao amin'ny famonjena vonjy maika taorian'ny daroka tafondro nahazo an'i Zaytoun omaly maraina satria mbola nisy olona voahidy tao. Zavatra 2 no azo tsoahina amin'ity zava-niseho ity ary mampihoron-koditra avokoa izy ireo. Ny iray : ataon'ny miaramila Israeliana fahirano ny tranobe maromaro ary avahany ny lehilahy, tifiriny avy eo eo imason'ny vehivavy sy ny ankizy. Avy eo anaparitahany baomba manodidina ny trano hamono ireo sisa mbola tsy maty ao amin'ny fianakaviana. Faharoa : hodidinin'ny miaramila Israeliana ny olona mipetraka ao an-trano, hidina ao mandritra ny 1 andro maninjitra, ary darofany tafondro rehefa maraina. Na ny voalohany na ny faharoa dia manambara fa gadrain'ny miaramila Israelina ao an-trano ny olona ary avy eo vonoiny. Rehefa afaka izany dia mampandre ny mpitsabo izy ireo raha mbola misy akanga sisa nanamborana. Niezaka nifampiraharaha tamin'ny Vokovoko Mena (ICRC) ireto mpitsabo kanefa tsy nisy vokany : tsy azo aleha ao amin'ilay trano.

Philip Rizk, Ejipsiana-Alemana, nibilaogy tao amin'ny Tabula Gaza, no nilaza ny resaka nifanaovany tamin'ny dokotera Attalah Tarzi ao Gaza :

Raha ny isan'ny maty sy maratra avoakan'ny fampahalalam-baovaodia mbola lavitra ny isa tena marina izay efa tsy arak'izy ireo intsony ny mamoaka azy. Ny fantatro dia ataon'ny miaramila Israeliana fahirano ny tranon'ny olona ary tifiriny izay mitady hivoaka… […] Vavolombelona izahay fa nahita fitaovam-piadiana tsy mbola fahitanay hatrizay niainanay. Ny sasany mipoaka eny amin'ny lanitra ary ny tafondro miparitaka eny rehetra eny. Fofona may sy ratra tsy mbola nisy ohatr'izany no heno… Hiaro anay anie Andriamanitra, hamindra fo aminay anie Izy.

Any amin'ny vaovao hafa dia mitatitra ny Profesora Said Abdelwahed :

Niaina kely ny sivily tao an-tanàna tamin'ny 1:00 hatramin'ny 4:00. Ny tena zava-dehibe amin'ny olona dia ny mandeha mitady rano hosotroina eny amin'ny toby famatsian-drano. Vahoaka maro no milahatra sitrany ahay mahazo rano eran'ny zinga ! Ireo fiarabe mifono vy sy ny basy aman-tafondro kosa dia mbola manohy ny asany any ambadik'i Gaza any. Olona maro no mandao ny fonenany ary lasa mialokaloka any amin'ireo sekolin'ny Firenena Mikambana… kanefa daroka tafondro no nampihorohoro azy ireo omaly raha natory tao an-tsekoly izy ireo ! Androany dia nisy fiarabenitatitra sakafo sy fanafody nahazo niditra avy any Rafah ho any Gaza. Ao Gaza, izahay no mahoraka ao amin'ny filazam-baovao kanefa tsy afaka mijery fahitalavitra akory. Henonay fotsiny ny vaovao avy amin'ny havana miantso an-tariby monina any ivelany. Mbola tsy mahazo herin'aratra sy rano izahay, manampy trotraka koa ny fahamaroan'ny olona tsy manana gazy fandrahoana sakafo intsony.

Samed habeeb, mpanao gazety Palestiniana, no milaza ao amin'ny biloagy Gaza Strip, manazava ny antony mbola hahazoany manoratra :

Ry gazety hajaina, ry mpanao gazety, ry namana isany,
gaga ny sasany aminareo hoe mbola afaka mandefa vaovao ihany aho na dia eo aza ny zavatra iainako. Tena mijaly mafy aho vao afaka mandefa izany aty aminareo satria kely ny heriko. Mandeha 4 kilaometatra isan'andro aho mamahana ny vatoaratra mampandeha ny fitaovana ato anatin'ny ady mahatsiravina izay vao afaka manao ny asako ! Tena mampatahotra izany nanomboka hatramin'ny nipoahan'ny tafondro izay tsy mitsahatra midoboka manodididna ahy. Tsy maintsy mijoro anefa aho !

Laila El-Haddad, izay manana ray aman-dreny any Gaza, miserasera ao amin'ny bilaogy “Raising Yousuf and Noor” no mitantara ny resaka nifanaovany tamin'ny rainy monina ao amin'ny “Canadian Broadcasting”:

Nanontany azy aho raha tena tsy miviaka mihitsy izy – namaly izy fa tsy nivoaka ny trano mihitsy ny reniko efa andro maromaro izay, kanefa mila voatabia izy ireo hanaovana lasopy. “Foana ny fivarotana – vitsivitsy fotsiny sisa no eny amin'ny talantalana, ary eny amin'ny fivarotana mofo ao Shanti dia efa nisy olona tokony ho 300 milahatra.” Tena mahagaga ny fiezahan'ny olona mamonjy ny ainy. Tsy mahagaga instony sady efa mahazatra mihitsy ny hoe amboarina ny saina fa iny no manampy anao hiaina ao aantin'ny horohoro. Tsy zavatra bitika izany : mahafantatra fa hanaparana herisetra ny olona tsy manana tanindrazana – maro amin'izy ireo no mpialokaloka.

Safa Joudeh no nanoratra ao amin'ny “Lamentations – gaza” mikasika ny zava-miseho :

Nifoha aho niaraka tamin'ny fofona mofo vao mafana, teo amin'ny manodididna ny mitatao vovonana. Tsy nahita tory aho tamin'ny alina ka dia raiki-tory taorian'ny fiposahan'ny masoandro[…] Efa lasa nahazatra ny reniko ny manao mofo ao an-trano efa ho 10 andro izao. Isaorako azy ny fahaizany mitantana tsara ny gazy fandrahoan-tsakafo, sy ny hevitra nananany tamin'ny nividianany lafaoro talohakelin'ny nanombohan'ny fanafihan-dry zareo Israeliana, ka dia afaka nanao mofo izy indraindray. Ambonin'izany dia mbola nahita lafarinina tao amin'ny mpivarotra tao an-tanàna izahay 2 andro lasa izay ka dia manana tahiry. Misakafo izahay mianakvy, ireo iray tampo amiko sy ny ray aman-dreniko : mofo, frômazy, atody ary ambina paty, dia lasa mivoaka eo an-davarangana, endrey ny hatsaran'ny andro ! Efa lasan'ny masoandro vao maraina ny zavona, maitso tsara ireo hazo vitsivitsy ary mihira mahafinaritra ny vorona ! Nijoro teo izahay efa ho an-tsasak'adiny, mijery eny anelanelan'ny vy tahaka ny vorona migadra. Henonay any lavitra any ny fidoboky ny tafondro kanefa tsy manakana anay tsy hankafy sy hifoka ny rivotra madio araka izay azonay atao izany.

RafhKid ao anatin'ny fanahiany :

Inona no hotenenina ? Tsy mampino hoe vao tamin'ny volana oktobra lasa teo no nahazo Opera (fampisehoana mozika) ny tao Gaza. Tsy laitra ny mahalalal fa voageja ianao mandritra ny andronao rahatra na dia mahafantatra aza fa iharan'ny tsy rariny. Kanefa niezaka izahay hiaina ary nianatra mafy tokoa. Na dia ny hiteny hoe ny Hamas no anton'izao aza dia fanambaniana ny maha anao anao.

Mpitoraka bilaogy Italiana, Vittorio Arrigoni, ao amin'ny Guerilla Radio :

Naka sary mainty sy fotsy aho omaly, sary sarety notaritina ampondra nandeha tamin'ny lalan-dratsy, nitondra ankizy alokalofan'ny saina fotsy, malok'endrika arytena matahotra mafy. Mangoritsina aho androany mahita ireto mpitsoam-ponenana mandositra ny bala. Raha ampitoviana tamin'ny sary nandritra ny loza nanjo an'i Palestina tamin'ny “Nakba” ny taona 1948 dia tena mitovy tsara. manoloana ny fanjakana sy ny fitondrana mamono olona kanefa mitonon-tena ho mampihatra ny demokrasia, dia misy loza mananntanona, Nakba vaovao, foko vaovao nipoitra avy amin'ny fahapotehana mihatra amin'ny vahoaka Palestiniana.

Any amin'ny vaovao hafa dia miteny i Eva Barlett :

Tahaka ny mandehandeha any amin'ny tanàna misy lolo ao Gaza amin'izao fotoana izao, mandalo ireo tranobe rotiky ny bala, lalana simba, fivarotana mikatona, ary tsy misy na inona na inona eny an-dalana. talohan'ny fanafihana nataon'ny Israeliana ireo toerana be sivily indrindra ao Gaza ny 27 desambra, dia hafa mihitsy ny fijery azy : sempotra ao mabanin'ny seza izy[…] nefa mbola mandeha eny an-dalana ny palestiniana, mbola mandehandeha eny amin'ny toeram-pitsangatsanganana sy ny toeram-mbahoaka, mbola mankany am-pianarana ary mbola manao mariazy. Andro vstivitsy lasa izay, ny lalam-be ao Omar Mukthar dia mbola nahitana fiara karetsaka avy any antsinanana miankandrefana, ankizy avy mianatra, mpivarotra sy mpividy. Mampatahotra ny mandalo an'i Omar Mukthar ankehitriny[…] taorian'ny andro voalohany nanombohan'ny fandarohana tafondro ny tranon'ny mpitandro ny filaminana, ny trano fivavahana, ny tranom-panjaka, fiara, trano fanefena vy sy metaly ary ny Oniversite ao Gaza, dia matahotra ny olona, mandositra ny daroka tafondro, ary manahy fa mbola hovaodaroka ihany[…] Kanefa amin'izao fotoana izao dia efa saika voadaroka tafondro daholo i Gaza manontolo, ary tsy misy dikany intsony ny mitady lalana vonjy maika handehanana; be loatra mantsy ny trano sy ny toerana voadaroka tafondro ka zary lasa mibahan-dalana […] Noho izany, ny mponina efa atao fahirano sady tsy mahita aleha intsony, voadaroka sy voatifitra tafondro rehefa mandositra, dia mbola miampy indray ny tsy fahazoana fanafody sy fitsaboana, dia dingana mankany amin'ny tsy fanjariana, tsy fisian'ny rano (70% ny mponina no tsy manana rano), ary mbola ampitahorina hatrany amin'ny herisetra an'habakabaka sy ny daroka tafondro. Aiza no haleha ? Na mankaiza na mankaiza tsy misy hevitra intsony.

Fida Qishta, mpitoraka bilaogy ao amin'ny Sunshine, mpanao gazety, mpaka sary monina ao Rafah any atsimo, no milaza ao amin'ny Gaza Strip :

Olana goavana ny fanampiana, miampy ny tsy fahampian'ny fanafody sy ny sakafo. Nilaza ny governemanta Israeliana fa hosokany ny sisin-tany manasaraka an'i palestina sy Ejipta hahafahan'ny olona mandeha mankany hitsabo tena sy hidiran'ny fanampiana mankao Gaza. tahaka ny ambodia mamono zanak'ondry ary avy eo mivarotra ny hodiny. Nahoana no vonoiny raha tiany hahazo fahasalamana ? nahoana no tsy najanony ny fanafihana an'habakabaka talohan'ny nahafatesana sy naharatran'ny sivily ? Milaza amin'izao tontolo izao izy fa tafiditra ao Gaza ny fiarabe mitondra sakafo. Fantatrao moa hoe fiarabe firy? Fantatrao moa fa i Gaza anie ka efa nozarain'ny miaramila Israeliana ho roa? Midika izany fa raha tafavoaka an'i Rafah ny fanampiana dia tsy ho tonga ao an-tanànan'i Gaza velively, satria ny lalan-dehibe miditra ao dia efa nozaraina roa. mampahatsiaro ahy ny Abu Holy checkpoint izay nampiasaina hizarana an'i Gaza ho roa io. Niandry izay fotoana handehananay mankany amin'ny oniversite izaho sy ny namako nadritra ny ora maromaro. Ary ny farany moa dia lasa fotsiny izahay niverina nody, ary tsy nandeha nianatra akory. Ny hany mba fianarana natrehanay dia ny fiandrasana. Mipetraka eo am-baravarana ny reniko manisa ireo fiaramanidina F16 sy ny firohondrohany. Mino aho fa raha anontaniana izy hoe firy ny isan'ny fanafihana an'habakabaka dia ho fantany izany.

Ayesha Saldanha

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.