Maneran-tany: Mpanao hetsika fanoherana tena ao anatin'ny heriny tanteraka manohitra ny ady ao Gaza

An-tapitrisa ireo mponina maneran-tany no nidina an-dalam-be nanohitra ny fanafihana israeliana any Gaza tanatin'ireo andro vitsy teo aloha. Indro fantina bolongan-tsary vitsivitsy nalaina tao amin'ny YouTube maneho ny hetsika fanehoan-kery tao Tel Aviv, Londona, Tokyo, Madrida ary Istanbola, nahitana olona samihafa fiaviana maro nandeha nanandratra feo sy nihira fandriampahalemana ho an'ny faritra.

Tao Israely, an'arivony ireo olona nirotsaka an-dàlam-be tamin'ireo fihetsehana maro samihafa nandritry ireo andro vitsy lasa.

Indro bolongan-tsary iray tao amin'ny YouTube avy amin'i David Reeb mikasika ny fanehoan-kenry tao Tel Aviv:

Iray hafa avy amin'i Asi Omar tao amin'ny YouTube no nandefa ity bolongan-tsarin'ny fanehoan-kery tao amin'ny Anjerimanontolon'i  Tel Aviv ity:

Avy any Tokyo, Japana, i MMhefny mbola mpampiasa YouTube koa no nandefa ity bolongan-tsary manaraka ity:

Anjatony ireo olona naneho ny heriny hanohitra ny zera baomba ao Gaza tany ivelan'ny Masoivoho israeiliana tao Londona, UK, araka ity bolongan-tsary nalefan'i Uruk tao amin'ny YouTube ity:

Mbola avy ao Londona ihany, i Soviet Films no mandefa ity bolongan-tsary maneho io fanehoan-kery io :

I Urukkoa dia nandefa  ity bolongan-tsary ity izay nanoloana ny [toeram-pivavahana] Moske ao  Beyazit, ao Istanbola, Tiorky [Turkey]:

ary avy any Madrida, Espana, eto:

Tafaverina ao Tiorky, Hobareii no mitatitra fa an'aliny maro tokoa ireo olona nidina an-dàlam-be tao Istambola nanohitra ny fanafihana ary nandefa ity bolongan-tsary ity :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.