Palestina: Mponin'i Gaza ‘voafandrika, mihorohoro, mivarahontsana’

Mandroso hatrany miditra any amin'ny faritra anatin'i Gaza ny tafika Israeliana, ary  ny daroka baomban'ny tafika an-dranomasina, an'habakabaka sy an-tanety  dia mitohy hatrany. Indreto santionan-kafatra avy amina blaogy vitsivitsy nivoaka avy ao Gaza tato anatin'ny 24 ora latsaka kely.

Prof. Said Abdelwahed, mpampianatra teny anglisy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Al-Azhar, dia manoratra toy izao ao amin'ny Moments in Gaza:

i Husain al-Aiedy dia Palestiniana (58 taona) monina any atsinanan'ny tanànan'i Gaza. Tamina toerana iray foana izy no nonina nandritry ny 25 taona. Anivon'ny tany lemaka rako-java-maitso no misy ny trano fonenany. Mpiasa ao amin'ny  UNRWA izy. Amin'izao fotoana dia anatina efitra iray miaraka amin'olona 20 hafa avy amin'ny fianakaviany izy, ary fianakaviana roa hafa avy amin'ireo rahalahiny. Mifatratra anaty efitrano kely iray tsy misy herinaratra, rano, sakafo na telefaonina ry zareo! Tsy misy na inona na inona manodidina azy afa-tsy ny sahan'ady. Halina tamin'ny 10 ora sy 30. ingahy Al-Aiedy dia latsaka tanelanelan'ny fifanandrinana ary nisy bala afomanga nitontona teo amin'ny tranony izay nandratra olona dimy tao amin'ny ankohonany! Nitalaho mafy ny mba hahazo fiara mpamonjy voina izy hitondrana haingana ireo maratra, saingy tsy nahazo rariny. Tsy nahitam-bokany ireo antso rehetra natao mba handefasana fiara mpamonjy voina any aminy hitondrana ireo maratra, sy raha mety koa aza, dia ireo sisa tavela amin'ny ankohonany! Anaty faribolana mirefy antsasaka kilometatra eo ho eo dia ny tafika israeliana no mifehy azy tanteraka, izay no antony tsy ahafahan'iza na iza manakaiky an'ingahy  Al-Aiedy ankoatra an-dry zareo israeliana! Mila asa fijerena maika sy manokana ny maha olona ity raharaha ity, avy amin'ireo fikambanana mpanao asa soa na avy aiza na avy aiza! Tsy misy herinaratra, rano ary sakafo kely no hany ao Gaza. Mba mahazo tombony amin'ny fisian'ny milina mpamokatra angovon'aratra aho izay miodina amin'ny alalan'ny solika mba hifandraisako amin'izao tontolo izao. Mirarak'ompana ny baomba aty aminay. Indrisy, tena latsaka afovoan'ny day mihitsy ingahy Al-Aiedy!

Ny Dr. Mona El-Farra, nandao an'i Gaza tsy ela akory izay, dia nadefa hafatra avy amin'i Mohammed Fares El Majdalawi monina ao Jabaliya, faritra avaratr'i Gaza City:

Mba te-hanoratra momba ny fangirifirian'ny mpiara-monina amiko sy ny fianakaviako amin'izao andro izao aho. Ohatra fotsiny izao, ato an-tranonay dia tsy afaka mahita izay faran'ny kely indrindra amin'izay tokony hilaina  izahay, Tsy misy sakafo, Tsy misy mofo, Tsy misy entona fandrehitra. Omaly, tamin'ny 5 maraina i Dada no nandeha tany amin'ny mpanao mofo, niandry adiny 5 izy vao nahazo mofo iray harona kely. Tsy ampy akory ho an'ny fianakaviako io mofo io satria misy olona 1 izahay. Fa androany dia nandeha nitety ny mpanao mofo rehetra aho.  na singa-mofo iray aza tsy nahita satria mihidy daholo ry zareo. Tsy afa-mifandray amin'ny lafin-kavanay sy ny namanay izahay mianakavy noho ny tsy fahampiana'ny tamba-jotram-pifandraisana, sady isan'ora dia mamoy maritiora iray na maromaro foana noho ny bala afomanga miraraka toy ny orana any ambonin'ny tranona, ny toeram-pivavahana ary na dia ny toeram-pitsaboana aza. Tsy misy toerana azo antoka azonay aleha.

i Eva Bartlett, mafana fo Kanadiana, no manoratra ao anatin'ny blaogy In Gaza:fa:

Avy aty amin'ny birao'ny fampitam-baovao aty afovoan'i Gaza, tena tsy azoko inoana ny feon'ny daroka baomba, toy ny hoe ny toerana nisy ahy mihitsy no lasibatr'izy ireo, toy izay efa nataony nandritry ny alina. Avy eto ilay izy dioa toy ny… toy ny fanoto [maritoa] mafonja be hamotehana ity tanàna ity, hamotipotehana azy ho vovoka. Ary raha alaiko amin'izay hitako ny alin'iny, sy ny faharavàna androany, dia tena izay mihitsy. Boo. Boo. Boo [fipoakan'ny baomba]. Ny boo mafy indrindra dia mampihovitrovitra ity tranobe ity, sahala amin'ireny voatrongin'ny amby masika ireny, nefa anie tsy inona akory izany fa onja vokatry ny fipoahana mahery vaika an-kilometatra lavitra any e. Dia alaivo sary an-tsaina hoe ahoana no fitrangany raha anjatony metatra vitsy no misy ilay fipoahana. […] Fa izay tena nahatohina ahy mafy izao, ambonin'ny fahitana ireo faty maro rotidrotika sy may hitako alina roa lasa izay, ambonin'ny hanafin'ny daroka bala afomanga midoboka any amin'ny manodidina anay any halina ady ny fitaintainana misaina ny hoe, amin'ny fotoana rehetra, mety hisy ireo miaramila israeliana voaofana manokana hiditra an-keriny ny trano sady mitifitra… ny fisavoritahana sy fahaverezan-kevitra no hita misoritra eny amin'ny endriky ny rehetra.  Fisavoritahana mandositra, fisavoritahana manakana fiara mpamonjy voina mba handefasana ireo maratra, ny maty, fisavoritahana hatrany amin'ny mpitondra ny fiara mpamonjy voina sy ireo mpiara-dia aminy. Be loatra ny efa hitany, maro no efa nanao ity asa ity am-polo-taonany na mihoatra aza, fa tsy anoharana ny tamina'ity, mbola ratsy lavitra noho izay efa hita, na noeritreretina, hoy izy oreo tamiko. Tnatin'ny somambisambin'ny maraina, raha mbola miezaka maka naratra iray ny fiara mpamonjy voinanay, dia mahita vehivavy maromaro, ankizy dy vatan-dehilahy mitandrozotra aho, mivingitra zavatra kely. Zaza roa 8 na 9 taona eo no mamikitra mafy amina harona kely misy mofo. […] i Osama, [mpanao vonjy taitra] EMT iray, no nikiaka niantso mba hahaklalany izay misy ahy. Niasa niaraka izahay  alina roa lasa izay. Tsy nisaina ny haha eo ahy intsony aho ny alin'iny, hoe mbola hanoratra koa. Saingy lehibe loatra ny hamehana ka dia nivoaka izahay. Nanontany izay misy ahy i Osama ka nolazaiko azy, manoratra aho, tsy maintsy lazaiko amin'ny olona rehetra, tokony hahare izao zavatra izao izy rehetra, tokony hahita. Raha mba mahare izao ianao, maheno ny fofony, mandre ny hovitrovitra avy aminy, manandran-tsiran'ny horohoro.

Hoy izy mitatitra anaty hafatra iray hafa:

Naharay antso aho 30 minitra lasa izay, ratsy be ny fifandraisana, nilaza fa maty i Arafat, voatifitry ny israeliana raha mbola teo amperinasa iny indrindra. Iray tamin'ireo mpanao vonjy taitra tojo ahy  alina roa lasa izay, mahaontsa, henjana ho an'ny toe_po, ary miharo sangy ratsy toa mampihomehy. Tena tohina mafy loatra tamin'nay nahafatesany aho ka tsy hitako izay hamaritàna azy.

I Sameh Habeeb, mitoraka bolongana ao amin'ny Gaza Strip, The Untold Story, mitatitra fa:

Nantsoina ho any amin'ny toby fitsaboana ao an-toerana ireo mpianatra ho mpitsabo mba handray an-tànana ireo maratra marobe izay mampahatahotra fa tsy mitsaha-mitombo ny isany. Mifanohitra amin'izay lasibatra faritan'ny Israeliana ho mpitolona avy amin'ny Hamas, sivily no maro amin'ireo nidiran-doza ary mivandravandra izany ao amin'ireo toeram-pitsaboana ao Gaza. Manodidina ny 10 ireo mpikatroka no maty androany ary mazava ho azy fa ny ambiny sisa dia ireo olona tsy misy ifandraisany velively amin'izay resaka fitifirana bala afomanga na mpikatroka.

Azonao atao ny manaraka ny momba an'i Sameh Habeeb ao amin'ny Twitter: twitter.com/Sameh_Habeeb

I Laila El-Haddad, izay any Etazonia amin'izao fotoana, ary mitoraka bolongana ao amin'ny  Raising Yousuf and Noor, dia manoratra hafatra mitondra ny lohateny hoe “voafandrika, mihorohoro, mivarahontsana“:

Samy niseho tamin'ny fotoana iray tao amin'ny CNN sampana anatiny sy CNN maneran-tany izahay sy dadanay halina. Ny dadako niresaka milamina, mazava tsara, tanatin'ny haizina mikitrok'i Gaza vita fehirano, ny hazavan'ny baomba israeliana no hany nanazava ny tontolony. Nangovitra ny tànany, tsy nanafina izy, nandritry ny nitsilanesany tamin'ny gorodon'ny tranony,  tery amin'ny toerana nitarihany ny kidoron-dry zareo hanalavitra ny varavarankely, fipoahana mitalakotrokotroka nandrovitra ny haizin'ny lanitra nanodidina azy ireo no nanazava setrok'afo matevina. […] Niezaka hampita hafatra tokana i dadako halina: Tsy mitsahatra ny mandre izahay fa hoe manenjika ny Hamas i Israely; nefa IZAHAY no lasibatra eto; ny Sivily no lasibatra eto, fa tsy ny Hamas.

Fianakaviana iray manontolo no niaraka ripaka tao an-tranony androany maraina raha nisitrika mba handositra [hiafina] ny tititra israeliana. Tsy ny fahafatesan'izy ireo akory no hampandry fahalemana ny Israeliana. Mpiasan'ny fahasalamana 3 koa no indray aty rha iny izy ireo niezaka namonjy maratra Palestiniana iny indrindra, tao avaratr'i Gaza. Ary amin'izao, dia milaza ny AP fa efa an-dàlam-pirodanana ny fotodrafitrasan'ny fifandraisan-davitra ao Gaza. Tsy haiko hoe mandra-pahoviana no mbola hahafahako mifandray amin'ireo nahitako masoandro.

I Philip Rizk, sady Ejyptiana no Almana koa, mitoraka bolongana ao amin'ny  Tabula Gaza, dia nandefa tao anatin'ny hafany ny lahatsoratra nampitain'ny namany  S. ao  Gaza:

“Nanapa-kevitra ny tsy handao ny tranonay aho na ho faty aza. Nanapa-kevitra toy izao daholo ny olona, tsy handeha hiova lasy vaovao indray izahay.”

I Vittorio Arrigoni dia Italiana mafana fo mitoraka bolongana ao amin'ny  Guerrilla Radio:

Livni dichiara al mondo che non esiste un’emergenza umanitaria a Gaza: evidentemente il negazionismo non va di moda solo dalle parti di Ahmadinejad. I palestinesi su una cosa sono d’accordo con la Livni, ex serial killer al soldo del Mossad, (come mi dice Joseph, autista di ambulanze): più beni alimentari stanno davvero filtrando all’interno della striscia, semplicemente perché a dicembre non è passato pressoché nulla, oltre la cortina di filo spinato teso da Israele. Ma che senso realmente ha servire pane appena sfornato all’interno di un cimitero? L’emergenza è fermare subito le bombe, prima ancora dei rifornimenti di viveri. I cadaveri non mangiano, vanno solo a concimare la terra, che qui a Gaza non è mai stata così fertile di decomposizione. I corpi smembrati dei bimbi negli obitori invece dovrebbero nutrire i sensi di colpa, negli indifferenti, verso chi avrebbe potuto fare qualche cosa. Le immagini di un Obama sorridente che gioca a golf sono passate su tutte le televisioni satellitari arabe, ma da queste parti nessuno si illude che basti il pigmento della pelle a marcare radicalmente la politica estera statunitense.

Livni dia manandra-peo fa tsy misy asa ho famonjena aina [fanampiana vonjy taitra] na iray aza ao Gaza; Mivandravandra be fa lamaody izao ny fandàvana ary tsy any amin'ny firenen'i Ahmadinejad ihany akory. Amin-javatra iray ny Palestiniana dia miombon-kevitra amin'i Livni, ilay serial killer fahiny teo ambany saokan'ny [nokaramain'ny]  Mossad (araka ny filazan'i Joseph, mpamily fiara mpitatitra marary tamiko):betsaka ny zava-pihinana tonga ao amin'ny faritr'i Gaza, satria tamin'ny Desambra tsy nisy zavatra tafiditra mihitsy, noho ireo tariby [barbelé] nenjanin'i Israely. Nefa raha te-hijery ny zava-misy amin'ny maso tsy miangatra, inona moa no dikan'izay mofo vao mafana avy any am-pàtana eo anivon'ny tokotanim-pasana? Ny zavatra maika dia ny fampitsahàrana ny baomba avy hatrany, alohan'nay hanagonana tahirin-tsakafo mihitsy aza. Tsy misy faty misakafo izany mantsy, mandonaka ny tany fotsiny izy ireny, Izay tsy mbola hita lonaka toy izany  teto Gaza raha tsy noho ny fahalovana. Ireo fatin-jaza rotika any amin'ny tranom-paty dia ampy hanamelohan'ireo tsy niraika ny tenany, sy ireo izay tokony ho afaka nanao zavatra ihany. Ny sarin'i Obama mitsiky eny am-pilalaovana golf dia nalefa saika tamin'ireo fahitalavitra Arabo mandeha satelita rehetra mihitsy, saingy eto tsy misy olona mino, na izay aza, fa hoe ny volon-koditra fotsiny dia ampy koa hanova tanteraka ny politika ivelan'i Etazonia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.