Kamerona: Toraho Blaogy ny famonjena zaza 4 taona mivonto loha

Vaovao farany: Namony ny ainy tamin'ny 8 Janoary y Bright Fuh tao amin'ny ilay hopitaly ny tsabonazy. Ho derainy ny tompo ny fanahiny.

Tamin’ny atsasakin’ny volana novambra teo dia nilazalaza ny momba ny tantaran’ny zazalahy vao efatra taona antsoina hoe BRIGHT Asangwei Fuh ny fahitalavitra CRTV any Kamerona, izay marary tratran’ny fivontosana tsy dia fahita, ary tsy ho voatsabo any an-toerana mihitsy izy io. Nanomboka tamin’ny fotoana namoronan’ny vondrona mpanao asa-soa ny blaogy Bright Fuh Supporters, mba hanomezan- tanana sy hanampiana any ity zazalahy ity mba ahafahany mahazo fitsaboana any etazonia. Ao anaty ny teny indraimbava dia izay no asan’izy ireo:

Izay mpanohanana sy naman’I Bright Fuh dia tonga niaraka hanao hezaka mba hamatsy ara-bola, fitaovna sy izay mety fanampiana ho an’I Bright Asangwei Fuh, zazalahy kely kameronianina miady mafy amin’ny fiainana nefa dia mbola vao 4 taona fotsiny. Fantatra fa aretim-pivontosana mbola tsy dia fahita mihitsy ity mahazo azy ity. Ny tanjonay dia ny hanampy ity zaza ity mba ahazo fitsaboana any etazonia any amerika. Miangavy tompoko, ndao hanara-dia anay mba hirotsaka antsitra-po ao amin’iray amin’ireo vondrona misy anay mba hanampy sy hitady fanampiana miarka hoentina hanampiana an’i Bright ary anala azy ao anatin’ity aretina mahazo azy ity. Ndao hiaka hivavaka ho an’I bright sy ny fianakaviany. Tontolo lehibe ho an’I Bright ity sehatra ity ary ianao dia hasaina mba hanantona ireo mpanampy sy mpanohana an’I Bright any etazonia any UK na any alimana sy izay rehetra mbola ho avy.

Ny blaogin’ny mpanohana an’I Brigh Fuh dia manana sary be dia be momba an’ity zazalahy kely ity izay mampiseho tsara fa tena tsy somonga ny momba ity zavatra ity, tahaka ity iray ankavia ity izay nalaina nandritra ny fitilina natao momba ny fitombon’ity areina fivontosana ity. Ity sary mahavarina ity dia nampihetsika ny mpitoraka blaogy kameronianina maro mba hireska momba ny fitadiavana fanampiana ho an’i Bright Fuh mba hanampiana azy ahavita tsara ny fandidina izay ilainy. Ohatra izao i Mambe Nanje Chruchill izay nanotra:
Ny masoko dia very niaraka amin’ny ranomasoko rehefa nitomany an’ity zazalahy kely ity sy ny ray aman-dreniny aho, hitako fa tena mafy tokoa izao toe-javatra izao. Mbola vao efa-taona ity zazalahy kely ity izay avy any Bafut izay ao anaty fivontosana ankehitriny satria tsy afaka mahita avy amin’ny masony havanana izy noho ny aretina antsoina hoe “Right Orbital Tumor”. Ity sary ity no sary izay nasehoko miaraka amin’ny resaka momba azy ao amin’ny www.crtv.com ary tsy mbola nahita zavatra ohatr’izao aho teo aloha, Izao dia miantso isika rehetra aho mba hijery izay azo atao mba hanampiana ity zazalahy kely ity na amin’ny fandefasana amin’ny fomba rehetra momba ny tantarany amin’ny manodidina na amin’ny fanomezana fanampiana isankarazany , amin’izay mba afaka mivelona ity kameroney kely ity ary ho lasa filohampirenena na dokotera na mpitsaranay any aoriana any.
Ny fandraisana anjara any anaty blaogy izay tafiditra ao anisain’izany fitsaboana sy mpitsabo, ohatra izao ny avy amin’ny fanazavana ny mpitsabo ny momba ity toe-javatra ity any amn’ny resaka voalohany any anaty blaogy the first post:
Brigh dia zaza efa-taona mahafinaritra, marary tratran’ny aretina Retinoblastoma mahery vaika, araka ny resaka voalohany nataon’ny mpitsabo azy any kamerona. Ny Retinoblastoma dia karazana homamiadana tsy dia fahita, izy ity dia manomboka amin’ny faritry ny maso antsoina hoe retine (holatrolamaso), izay karazana sela manify indrindra mampahita. Ny ankamaroan’ny fisehon’ny aretina dia hita matetika eo amin’ny toerana iray (miitatra amina maso iray ihany) tahaka ny mahazo an’I Bright, kanefa betsaka ny hita amin’ny toerana roa. Rehefa mivelatra ny retinoblastoma dia mety hivelatra ahazo ny Lymph nodes na ny taolana na ny Bonemarrow. Mahalana mahazo ny atidoha izy ity.
Ny mpitsabo mpitoraka blaogy any lavitra any dia milaza hoe: inona no efa natao ho an’ity zazalahy ity ary inona no mbola tokony ato mba hanavotana azy.
Amin’ny toerana misy an’I Bright izao dia ny fivontosana mahazo azy dia ny fivontosana fahita amin’ny toerana iray araka ny resaka natao tamin’ny mpitsabo izay mikarakara azy any kamerona, tena mahery vaika tokoa izy ity. Efa nodidiana izy roa taona lasa izay mba analana ity fivontosana ity fa saingy lasa niverina indray ary lasa ratsy noho ny teo aloha, izao dia lasa ny tratrany avokoa ny ilan’ny tarehiny manontolo, ary nitatra nahazo ny taolantarehiny sy nahazo ny atidohany.
Ampahafantarina antsika ihany koa fa efa nanomboka ny Chemo therapy izy, mba hanakanana ny fivelaran’ity fivontosana ity izay nahitana fahombiazana kely araka izao hitantsika amin’ny sary izao. Eto dia tsy hoe ho fampitsaharana ny fivoharan’aretina mba hanatsarana ny fiainany ihany fa fanavotana ny ainy koa.
Ny posta tena tsara indrindra dia manana sary roa nalain’ny mpanao gazety avy ao amin’ny fahitavilam-pirenena kamronianina (CRTV), iray amin’ireo nadika etsy ambany, miaraka amin’ny fanamarihana fa ny toerana misy an’I Fuh Bright dia tena ratsibe mihitsy.
Ity fivontosana ity dia hita tsara fa somary lava noho ny hitantsika teo aloha ary izao dia hita fa tena ao anatiny ny fitaintainana sy fahatahorana tanteraka izy. Miantso ny mpanohana an’I Bright rehetra izahay na ny eto an-toerana na ny any ivelany mba hanambatra ny hery sy tanjaka mba hanavotana ity zaza ity. Miangavy mba hanohizana hatrany ny vavaka ataonareo momba ny Bright, fanomezana fanampiana ho azy mingavy ny mba hijerenareo ny tranokalanay ao amin’ny www.africanwomensfondation.org ary manolotra izay karazana fanomezana avy aminareo.

George Esunge Fominyen

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.