Ghana : miandry izay ho filohany

Tato anatin'ny 2 taona farany no nahitana ny fifidianana tsy nanjary indrindra taty amin'ny ilany atsimon'ny faritra Sahara aty Afrika. Ny fifidianana filoham-pirenena sy parlemantera tany Kenya tamin'ny herintaona dia nahitana tsy fahombiazana ary niteraka herisetra ara-pôlitika izay narahana fitakiana tsy hita isa.Ny fifidianana tany Zimbaboe ny volana martsa 2008 nikasana ny mety hamindrana ny fitondran'Ingahy Robert Mugabe amin'i Morgan Tsvangarai, kanjo ny fanerena narahana herisetra nataon'ireo mpanohana ity farany no nirosoana tamin'ny fiodinana faharoa. Raha noheverina fa tanteraka tamim-pilaminana ny fifidianana tany Nizeria ny volana Aprily 2007 dia nomelohin'izao tontolo izao kosa.


Sary Ghanaelections2008

Tsetsatsetsa tsy aritra ihany iny fa ny fifidianana filoham-pirenena tany Gana no nitsapana ny tanjaky ny demokrasia aty Afrika. Ilay miaramila mpanongam-panjakana Jerry Rawlings dia voafidy tamin'ny fomba demokratika in-droa ary ny nahagaga dia neken'ny lalam-panorenana tsara izany tamin'ny taona 2000. Voafidy i John Kufuor avy ao amin'ny antoko mpanohitra NPP ary nahavita fe-potoana 2. Ny fiodinana voalohany tamin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenenana no natao ny 7 desambra 2008 teo ary niafara tamin'ny fandresen'i John Atta-Mills avy ao amin'ny antoko NDC an'i Nana Akufo-Addo mpitarika ny antoko NPP tamin'ny isam-bato tery dia tery.

Omaly 28 desambra no natao ny fiodinana faharoa ary ny vokatra vonjy maika dia mampiseho fa angamba hiverina amin-dry zareo NDC ny fitondrana raha tsy hita mihitsy ry zareo nandritra ny 8 taona. Mifanety be ny isam-bato, na izany aza anefa dia milaza ny mpanara-baovao fa tsy ho mafy tahaka ny tamin'ny fiodinana voalohany ity faharoa ity.

Araky ny tatitra nataon'i Elia Varela Serra tamin'ny fiandohan'ity volana ity dia Twitter no fitaovana nofidiana hamoahana ny vaovao rehetra mahakasika ny fifidianana. Fifdianana any Gana, Twitter tohanan'ny AEP (African Election Project) no loharanom-baovao hamoaka ny vokatra vonjy maika.

Ny vaovao farany navoakan'ny Twitter :

EC to declare results of the Presidential Run-off on on Tuesday December 30 at 12:00 GMT

Havoaka ny 30 desambra amin'ny 12:00 ora GMT ny vokatry ny fifidianana.

Ora vitsivitsy lasa izay :

Provisional Results from 226 out of 230 constituencies: NPP-4,365,158 (49.48%) NDC-4,456,538 (50.52%)

Toy izao ny vokatra vonjy maika azo tamin'ny faritra 226 amin'ny 230 : NPP – 4.365.158 (49,48%) NDC -4.456.538 (50,52%).

Ireo Ganiana sasany koa dia mampiasa Twitter nitaterana ny fizotry ny fifidianana sy ny hevitr'ireo mpanohana tsirairay mahakasika ny vokatra.

Edlynne avy any Totonto, nitsidika an'i Gana no nilaza ny 26 desambra fa :

Saw police intervene in rally of opposing party supporters in Dwtn Accra 2day. Riot shields & guns. Hope election will be peaceful in Ghana

Nahita mpitandro ny filaminana aho nanakana ny fivorian'ireo mpanohitra tany Dwtn Accra 2 andro lasa izay. Miaraka amin'ny fiarovan-tratra sy basy. Enga anie ka hilamina ny fifidianana aty Gana.

AfricaTalks nitarika ny fanadihadihana no nahamarika fa ny fampielezam-peo sy ny fahitalavitra dia saika tsy miresaka afa-tsy ny toe-draharaha any an-toerana. Hoy indrindra izy :

big celebration around the NDC head office off Ring Road central in Accra. For an old clip see http://tinyurl.com/a46yrg

Fifampiarahabana makotroka no misy eo anivon'ny NDC ao amin'ny foiben-toeran'izy ireo ao Ring Road any Accra. Jereo http://tinyurl.com/a46yrg.

Mazava ho azy fa ity fiodinana faharoa ity dia tsy mora tahaka ny tamin'ny fifidianana parlemantera. CODEO, izay tsy mpanohana ny CDEO (Coalition of Domestic Election Observers) no nanambara fa biraom-pifidianana 34 no tsy nahitana ireo fitaovana ilaina amin'ny fifidianana ary 24 no nahitana korontana, fanalam-baraka na herisetra. Na izany aza anefa dia manamafy ny maha-ara-dalàna ny fizotry ny fifidianana ny CODEO :

As with the presidential and general elections of December 7, CODEO observers reported many lapses in the voting process in the presidential runoff election of December 28, including setting up and opening of polling stations, voting and vote counting. However, the problems reported by CODEO observers do not fundamentally undermine the integrity of the overall process.

Raha ampitahaina tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 7 desambra dia manambara ny mpanara-mason'ny CODEO fa nisy tsy fahatomombanana maro ity fiodinana faharoa ity, niampy ny ora fisokafana sy fikatonan'ny birao fandatsaham-bato, ny fifidianana sy ny fanisam-bato. Na izany aza dia tsy azo lazaina ho mikorontana ny fizotry ny fifidianana manoloana ireo olana notaterin'ny CODEO ireo.

Nangataka tamin'ny Kômisiona momba ny Fifidianana ny CODEO ny mba hanohizana ny fifidianana any Tain distrikan'ny Brong-Ahafo. Tsy nisy ny fifidianana tany amin'ny biraom-pifidianana sasantsasany, ary mafana ny toe-draharaha pôlitika any amin'ny faritra sasany miaraka amin'ny Kômisiona momba ny Fifidianana efa niasa tao an-toerana herinandro vitsivitsy mialoha. Manoloana ny vokatra tery dia tery, ny fifdianana any amin'io distrika io dia mety hampiova zavatra. Kwabena Akuamoah-Boateng no nilaza tamin'ny Twitter fa :

Voatazon'i Brong-Ahafo ve ny anarana hoa “andrarezin'ny pôlitika any Gana” ?

Manoloana ny tsy fahalalana izay mpandresy marina, ny fandresena amin'ny isam-bato tery dia tery izay tsy misy salan'isa amin'ny isan-jato akory dia ho henjana ny toe-draharaha amin'ireo antoko pôlitika nifanandrina tamin'iny fifidianana iny. Kanefa Ganiana vitsivitsy no matahotra ny Twitter na ireo hafatra avoakan'ny sita toy ny GhanaWeb. Etsy an-kilany kosa, araka ny navoakan'ny Kwabena tamin-kafaliana raha nahare ny vokatry ny fanisam-bato tany amin'ireo birao fandatsaham-bato sasantsasany dia hoe :

Avy nijery ireo toeram-pifidianana maromaro izahay tany Sunyani ary mbola ety an-dalàna. Efa nandresy sahady i Gana !

Kwameoh, mpanara-maso avy any Londres, no tokana namoaka tamin'ny vaovaony farany mikasika ny voka-pifidianana fa :

Misy zavatra kononkononina ao amin'ny EC, ny ao Ambony no mahalala izay hanjo an'ny EC, aza manaiky ny hangalarana ny fitondrana eo aminao… Miantso ny fikambanam-be iraisam-pirenena izahay hanampy anay raha mbola tsy misy ny ra mandriaka any Accra anio alina dia miangavy izahay.

Maro amin'ireo mpanara-maso anefa no tsy matahotra ary filôzôfika kokoa. Ny mpitoraka bilaogy Ganiana Nubian Cheetsh any Accra miala sasatra no nanoratra fa :

Naneho ny heviny ny Ghaneana. Mila fiovana izy ireo !

Niombon-kevitra amin’ izany i Mawulitse :

Tsara ny fiovana, ary ho tonga any Gana izany fiovana izany !

Ary nilaza koa :

Milamina i Accra fa manahy.

Tsy mahandry ny voka-pifidianana farany fotsiny izao i Andkofucious :

Ny faha-30 n'ny volana ??!! tsy lasa sady tsy miady izany ! tsy mpomba an'ny NDC aho kanefa rehefa mitarika izy araka ny hitantsika izao dia aleo izy handresy amin'izay afaka manangana ny kabinetrany izy.

Satria efa voalaza ny voka-pifidianana ary mihamazava ny raharaha dia heveriko fa mety angamba raha jerentsika ao amin'ny bilaogy Ganiana ny fanadihadihana ny pitsopitsony mikasika iny fifidianana iny. Raha nanoratra talohan'ny fiodinana faharoa ny Mighty African dia nanolotra fanontaniana miharo fandrangitana 10 tamin-dry zareo mpifidy Ganiana ka ny voalohany tamin'izany ny hoe :

Tsy tsapanareo ve fa mila miova isika mba handrosoantsika, etc?

Nanolotra fanontaniana ho an'ny NPP sy ny NDC koa izy.

Nanoratra tao amin'ny famelana hafatra an'ny GhanThink i Omanba, nanakivy ny mpifidy Ganiana, nanasokajy ireo mpanohana sasany ho “ireo voavidy sy manana fahazaran-dratsy” sy ny hoe “maty, fotsy ary tsy manan-kery ny fifidianana”. Iray ihany no manantena fanadihadihana tsara ny amin'ny fisafidianana ny kabinetran'ny fitantanana.

Ny fanadihadihana ny fifidianana tany Gana tamin'ity taona 2008 ity dia mitaky ny fijerena akaiky ny andraikitr'ireo teknolojia sy fitaovana momba ny fifidianana. I Katrin Verclas, mpampiasa ny twitter mandehandeha, no mampahatsiahy ansika fa ny fitaovam-pifidianana dia tokony hampiasa ny fototra SMS manara-penitra :

Nitarika ho amin'ny fifidianana mifanaraka tsara amin'ny fampiasana SMS ny CODEO Ghana mba hahamarina ny amin'ny voka-pifidianana tehirizin'ny EC.

Nampiasa ny fomba fanisana mahazatra ny mpanara-maso ary nanamarina fa tery dia tery ny elenelam-bato tamin'ity fifidianana fiodinana faharoa ity ary manome toky izao tontolo izao fa azo ekena ity fiodinana faharoa ity.

I Oluniyi David Ajao, mpitoraka bilaogy Nizeriana monina sy miasa any Gana, no nilaza fa nampiasa finday tamin'iny fifidianana iny :

Raha nahita nimerao +233 10 0000 aho teo amin'ny findaiko dia nidobodoboka be ny foko. Satria nahoana ? Hafahafa be io tarehimarika io ary fantatro fa tsy misy kanefa novaliako ihany, tamim-pahamalinana mazava ho azy. Lo and behold, feo mahazatra an'Ingahy Nana Addo Dankwa Akufo-Addo mpitarika ny NPP, miteny amin'ny Twi ary mangataka ahy hifidy azy. Naharitra 45 segondra katroka ilay hafatra.

Fantatro fa hafatra efa noraiketina ilay izy. Angamba izay no paik'ady natao atmin'ny minitra faran'ny fampielezan-kevitra nataon-dry zareo APP, mba hangalana ny fon'ireo mpifidy. Hitako fa mila mandroso mihitsy i Gana miaraka amin'ny teknolojia.

Tsy nahomby ny hafatr'i Akufo-Addo, hoy i David mampahatsiahy antsika, satria Nizeriana izy dia tsy mifidy.

Ethan Zuckerman

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.