Goatemalà: Tsy voahaja ny fifanaraham-pandriampahalemana 12 taona taty aoriana

Voasonia ihany ny fifanarahana hampitsaharana ny ady nandritra ny 36 taona nifanandrinana teo amin'ny tafika goatemalteka sy ny vondrona mpioko samihafa tany Goatemalà ny 29 desambra 1996, taorian'ny adivarotra nandritra ny taona vitsy. Ity taona ity no manamarika ny 12 taonan'iny fifanarahana iny saingy tsy mety miverina ny fandriampahalemana, satria mbola manjaka anivon'ny fiarahamonina hatrany ny herisetra.

Manoratra ny bolongana avy amin'ny Biraon'i Washington misahana an'i Amerika Latina (WOLA) :

Guatemalan civil society, from human rights workers to journalists, bishops to private sector investors, union leaders to prosecutors, does not have it easy. The country sees increasing rates of crime and violence, and powerful forces operate what many call the “parallel state,” using their influence to shield their activities and ensure outcomes throughout the government that fill their pockets and guarantee their impunity, at the expense of the rest of Guatemalans.

Tsy mora no nahazoan'ny fiarahamonim-pirenen'i Goatemalteka, tao na mpiasa mandala ny zon'olombelona na mpanao gazety, mpitondra fivavahana na olotsotra mpandraharaha, mpitarika sendikà na mpahay lalàna, azy ity (ny fifanarahana). Miakatra ny tahan'ny vono olona sy ny herisetra eto amin'ny firenena, ary miasa ao anatin'ny antsoin'ny maro hoe “fanjakana (hafa) mirazotra (tsy ara-dalàna)” ny vondrokery matanjaka miaro ny asa fanaony anivon'ny fitondrana mameno ny paosiny sy miantoka azy ireo tsy ho voasazy mihitsy (tsimatimanota), hany ka mizaka ny vokatr'izany rehetra izany ny Goatemalteka ambiny.

Mamelabelatra ny fomba fijeriny amin'izay antony mahatonga ny herisetra i Heidi ao amin'ny Advocacy Project Blog:

Heightened levels of violence, both in Rabinal and throughout the country, certainly stem from a multitude of sources, only a few of which include staggering unemployment and poverty, or lack of adequate healthcare and education. These societal realities notwithstanding, the internal conflict has left behind a legacy of institutionalized fear and normalized violence that cannot be dismissed.

Antony maro no mety mahatonga ny fitomboan'ny herisetra eto Rabinal sy manerana ny firenena, anisany kely amin'izany ny tsy fisian'ny asa sy ny fahantrana, ny fahabangan'ny fitsaboana sy ny fampianarana sahaza. Mangin'izany zavamisy izany ny ady anatiny (an-trano) nametraka ny tahotra ho toy ny rafitra sy ny herisetra ho fiainana andavanandro tsy azo ialana.

Nisy ny vaomiera natsangan'ny Firenena Mikambana hanaramaso ny fampiharana ny fifanarahana tamin'ny fotoana nanasoniavana azy. United Nations Verification Mission in Guatemala (MINUGUA) na Iraka Mpanaramason'ny Firenena Mikambana any Goatemalà no anaran'izany vaomiera noheverina hijoro mandritra ny 10 taona izany saingy raha jerena ny vokatra dia mbola lavitry ny afo ny kitay. Mahatsiaro ny mpisatro-mangan'i “MINUGUA” ny mpamaham-bolongana Buscando a Syd [es] :

La democracia, o libertad colectiva, más que una conquista de la razón, es un estado de gracia de la historia. No es producto del esfuerzo, no es producto del capital, no es producto del discurso, no es producto de la lucha, no es producto de la tecnología, y no es vigilable. De esa cuenta, organizaciones como MINUGUA no pasan de ser meros decorados de la civilización reciente, que es nada sin esos decorados. Se nos educa para pensar que detrás de tales fachadas, esas capas o cáscaras, existe una democracia mesiánica, incluso esencial, transhistórica. Grandísima superstición.

Demaokrasia sa fahafahan'ny olona, mihoatra noho ny fambaboany saina, dia endrika tantara mahafinaritra fotsiny ihany. Tsy vokatry ny fiezahana, na renivola, na fahaizana miteny, na tolona, na fandrosoana ary tsy afa-“mijery” (manara-maso) azy ianao. Izany no mahatonga ny vondrona tahaka ny MINUGUA ho mbola ambany sanda noho ny firavaky ny sivilizasiona maoderina, tsy misy na inona na inona raha tsy misy ireny ravaka ireny. Nampianarina antsika fa ambadik'izany tava na hoditra na fononjavatra izany no misy ilay demaokrasia mesianika, fototra ary mihoatra ny tantara. Finoanoam-poana goavana.

Mba hamerana ny fitombon'ny herisetra mahatonga ny sasany hiteny an'i Gotemalà ho firenena tsy nahombiazana, dia nisy ny vaomiera hafa natsangana hiatrika izany araka izay voasoratra ao amin'ny bolongan'ny Guatemala Solidarity Network,GSN Blog [es]:

The International Commission against Impunity in Guatemala, better known by its Spanish initials CICIG, has now been operating for a year. It was created following an agreement between the United Nations and the Guatemalan government, charged with investigating clandestine organisations and collaborating with the state in prosecuting their members, suggesting ways in which Guatemalan law might be improved to help the fight against them and generally contributing to strengthening the rule of law.

Niasa nandritra ny herintaona izay ny vaomiera iraisampirenena iadiana amin'ny fiheverana ho tsimatimanota any Goatemalà fantatra amin'ny fiandohan'anarana Esipaniolona hoe CICIG. Natsangana io noho ny fifanarahana teo amin'ny fitondrana goatemalteka sy ny Firenena Mikambana, hisahana ny fanadihadiana ireo fikambanana miafina sy hiaramiasa amin'ny fanenjehana ireo mpikambana ao amin'ireny fikambanana miafina ireny, hitadiavan-dalana hanatsarana ny lalàna goatemalteka hanoherana azy ireny ary hanamafisana amin'ny ankapobeny ny fampanjakana ny lalàna.

Tsy mora ny miady amin'ny herisetra, indrindra fa ny herisetra ampiharina amin'ny vehivavy. Mametraka ny antontan'isa fa anisan'ny vono olona (tsy voavaha olona) mitranga isaky ny 16 ora ny famonoana mahatsiravina atao amin'ny vehivavy [es]. Efa nanolo-kevitra hampitomboana ny isan'ny miaramila ny fitondram-panjakana hiadiana amin'ity heloka bevava ity, na dia efa nahazo fanakianana mivaivay noho ity herisetra ity indrindra ny tafika goatemalteka ka nahatonga ny fifanarahana hampitsaharana ny ady, izay nametraka mazava fa tokony hahena ny isan'ny miaramila. Na eo aza izany rehetra izany, ilaina ny Goatemalteka hahita vahaolana tsara kokoa, fa tsy hionona amin'ny fanasoniavana fifanarahana sy fananganana vaomiera iraisampirenena isankarazany fotsiny ihany.

Renata Avila

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.