Israely : Ampiomanana hiady

Ny 27 desambra, taorian'ny fifanolanana izay tsy nitsaha-nihamafy hatrany taorian'ny fahataperan'ny 6 volana nifanarahana hametrahana fiadiana teo amin'i Israely sy Hamas dia nanafika an'habakabaka an'i Gaza ny tafika Israeliana (FDI). Mankasitraka izany fihetsiky ny tafika izany ny ankamaroan'ny (tontolom-bolongana) Israeliana ary efa miomana sahady fa ho mafy ny ady sady haharitra ela.

Israelity ohatra miresaka ny fandaharam-potoana amin'ity ady ity

Ny ankamaroan'ny olona, mandritra ny herinandron'ny noely sy ny taom-baovao dia mamonjy an'i Porto Rico miala sasatra, mamangy fianakaviana any ambanivohitra na milalao ranomandry any Alpes. Izahay Israeliana kosa handeha hiady.

Ny “Opération Plomb Durci” (araka ny tatitry ny mpitondra tenin'ny Tsahal) dia tsy sangisangy velively ity. Vokatry ny fitifirana tafondro tsy an-kiato ataon'ny Hamas tany amin'ny faritra atsimo dia niteraka faharatrana sy fahafatesana an-jatony maro amin'ireo tsy manan-tsiny maty any Gaza ny fanafihan'ny tafika – fa maro koa ny balatafondro marobe (alefan'ny Hamas) no mianjera ao Ashkelon, Sderot, Nevitot ary tonga hatrany Ashdod (Faritra Isiraely avokoa ireo) aza izay tanàna tokony ho 40 km miala an'i Gaza.

Nahafantatra aho fa tsy ho ela intsony ny ady raha niditra ny trano avy namita ny anjara fiambenany ny zanako vavy ny alarobia, ary niteny tamiko fa nahazo baiko handeha any amin'ny faritra atsimo raha vantany vao manomboka ny fanafihana, mba hitandro ny filaminana amin'ny faritra manodidina satria efa ampoizina sahady fa hamaly bontana ny Hamas.

Ny asabotsy alina anefa, dia mbola nanara-maso ny toerana ambenany manodidina an'i Jerosalema izy. Mazava ho azy fa ny valin'ny fanafihana ho an-dry zareo Palestiniana ao Cisjordanie sy manodidina ny faritra Atsinanan'i Jerosalema dia hanahirana tokoa ka hiteraka asa be ho an'ny mpitandro ny filaminana.

“Mikorontana be aty,” hoy izy tamin'ny antso an-tariby nataony teo amin'ny manodidina ny misasak'alina, “noho izany dia tsy afaka mandefa anay ho any amin'ny faritra atsimo ry zareo.”

West Bank Mama : miantso ny rezervista israeliana hiatrik'ady :

Ny fampielezam-peon'ny tafika dia miantso ireo rezervista, fantatra amin'ny anarana hoe Tzav Shmoneh. Efa mandeha ihany koa ny fanairana ataon'ny Yichouv amin'ny alalan'ny seramailaka, mangataka ireo rehetra any amin'ny faritra samihafa any mba hanome izay ilain'ny miaramila.
Tsy hoe mpikambana ao amin'ny Yishuv fotsiny akory izahay no antsoina hiady fa maro aminay no manana zanaka lahy ao amin'ny tafika.

Ny toetra voajanahary amin'ny mahareny moa mipoitra eny ihany.

Henoko tao amin'ny vata fandraisam-peo fa fianakaviana maro any amin'ny faritra avaratra, izay voatery niala ny trano fonenany nandritra ny ady faharoa nifanandrinana tamin'i Liban, no miantso ny fianakaviana any amin'ny faritra atsimo hanantona azy ireo handositra ny tifitra tafondro.

Aliyah! milaza ny fizotry ny fifandonana :

Hatramin'izao dia voafehy tsara ny toe-draharaha. Jerena fotsiny ny fidoboky ny tafondro fa tsy misy ny azo atao. Tsy afaka manao na inona na inona izahay kanefa balatafondro efa maherin'ny 300 no nidoboka tamin'ny sivily tao anatin'ny 3 andro monja, miampy ireo efa nidoboka talohan'izay ary efa maherin'ny 3 000 izany tamin'ity taona ity fotsiny. Mianjera aminay ny balatafondro ao amin'ny toeram-pitsaboana mandritra ny fotoana hikarakaranay ireo Palestiniana nianjeran'ny balatafondron'ny Hamas diso lalana ka nidoboka tamin'ny vahoakany ihany. Midoboka aminay ny balatafondro mandritra ny fotoana hitaterana ireo fanampiana, solika, fanafody ary sakafo eo amin'ny sisin-tany hiditra an'i Gaza.
Eo am-piandrasana dia zavatra roa lehibe no azonay notsoahina. Ny voalohany dia fanaporofoana fa mafy ny ady atao amin'ny mpampihorohoro noho ny fanenjehana ireo mpandaroka tafondro etsy sy eroa. Ity farany izay tsy vitan'ny hoe tsy dia mahomby loatra fa sady mampirisika ny fikambanam-ben'ny firenena eran-tany haneho fa samy tompon'andraikitra amin'ny zava-miseho ny rehetra. Mazava ho azy fa raha ny anankiray ihany no manafika dia tsy azo lazaina fa samy tompon'andraikitra ny roa tonta. Na dia Ingahy Abbas aza dia efa nilaza fa tompon'andraikitra ny Hamas ary raharaha notadiavina ny azy. Ny zavatra faharoa nahombiazanay dia ny famelezana natao tamin'ny tampoka.

Ny fihetseham-po maro avy amin'ireo mpitoraka bilaogy israeliana dia mbola haseho eto amin'ny manaraka, ary koa ireo fitoviana na tsy fitoviam-pijery manoloana ity fifanolanana ity. Jereo ny pejy manokan'ny Global Voices raha tianao ny hamaky ny vaovao farany.

Deborah Ann Dilley

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.