Iran: Mpamaham-bolongana Islamista Iraniana manohana an'i Gaza

Mpamaham-bolongana Islamista maro no manao fanaitairana ho fanoherana ny fahirano atao amin'ny tehezan-tanin'i Gaza ka manentana ny tontolo Miozolomana hamonjy ny Palestiniana. Mampiasa fitaovana maro tahaka ny Google bombs sy ny banners ny mpamaham-bolongana hielezany eo amin'ny tontolom-bolongana sy hampiroboroboana ny hetsika.

Fanampin'izany dia misy fikambanana mpamaham-bolongana Islamista antsoina hoe Paygahe Blogeraye Arzeshi [Fa] (midika hoe fototry ny soatoavina mpamaham-bolongana mirona) nahangona rohy 500 amin'ny lahatsoratra miompana amin'izany. Iranian FarsNews [Fa], vohikala mpandala ny nentin-drazana sady ofisialy ihany amin'ny ampahany, no mitsikera ny mpamaham-bolongana Islamista noho ny fahanginany manoloana ny olana mianjady amin'ny olona any amin'ny tehezan-tanin'i Gaza.

Gaza Google bomb no miteny:

You, oppressed people of Gaza know that we Muslims of Iran and all over the world haven't forgotten you and will not cease until complete breaking of the surrounding of your city. In the path along freedom of Gaza and our common value which is the freedom of Palestine, we will not cease and will go on.

Fantatrao mponina any Gaza fa tsy manadino anao ny Silamo any Iran sy manerantany ary tsy hitsahatra mandra-pahafaka tanteraka ny manodidina ny tanànanao. Eo an-dalan'ny fanafahana an'i Gaza sy ny soatoavina iraisantsika dia ny fahafahana an'i palestina, dia tsy hitsahatra isika fa hanohy ny dia.

Muslim Bloggers Association [Fa] indray namoaka fanambarana mikasika ny krizy mihatra any Gaza:

این روز ها که در سایه سکوت مجامع جهانی و مدعیان حقوق بشر، غزه به عیان ترین مصداق نقض حقوق اولیه انسانی تبدیل گشته است… اخبار کشته شدن مردمانش بوسیله دشمن صهیونیستی به خبر عادی تلکس های خبری مبدل گردیده

Amin'izao fotoana izao dia mangina ny fikambanana iraisampirenena sy ireo milaza ny tenany ho mpandala ny zon'olombelona, Gaza no lasa ohatra mivandravandra amin'ny fanosihosena ny zon'olombelona…efa lasa vaovao tsy mahataitra intsony ny vaovaon'ny famonoan'ny fahavalo Sionista ny vahoakan'i Gaza.

Yadshthyeh Tanhayi [Fa] (izay midika hoe Naoty Manirery) manoratra fa:

اینبار هم مینویسم برای تو و کودکان داغدارت برای تو و مردان و زنان رنج دیده ات کمی صبور باش ، آری صبور باش غزه به خدا سوگند آفتاب مهر و عدالت طلوع خواهد کرد. دلم می سوزد برای تو و مردمانت برای مظلومیت بیت المقدست

Mbola manoratra ho anao, ho an'ny zanakao tsy afa-tsaona, ny lehilahy sy ny vehivavy ao aminao izay mijaly indray aho. Mahareta kely ihany. Mianiana amin'Andriamanitra aho fa mbola hiposaka ny masoandron'ny rariny sy ny fahatsaram-panahy. Mirehidrehitra ho anao sy ny vahoaka tratryny tsindry hazolena ao aminao ny foko noho ny fangejana an'i Jerosalemanao.

Hamid Tehrani

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.