Mangina ny tanàna any Ginea taorian'ny fanonganana, hoy ny mpamaham-bolongana

Nanjaka ny savorovoro tany Conakry taorian'ny nampodimandry an'i Filoha Lansana Conte (misy malagasy faly ery manonona anarana hafa saingy tsy soratako etoana kosa izany) sy ny fahombiazan'ny fanonganam-panjakana notarihin'ny Jeneraly Ginieana Moussa Dadis Camara.

Nitondra amim-pangejana mafy an'i Ginea nandritra ny ampahaefatry ny taonjato iray i Conte. Toa tsinjo nihamalemy ny fahefany taona vitsy lasa izao, nandritra ny fotoana nitokanany monina fa lazaina ho mararin'ny diabeta.

Guinea, izay manana mponina 10 arivo arivo, no mpamokatra bauxite betsaka indrindra manerantany. Na dia manana harena ankibon'ny tany tahaka izany aza anefa izy dia mbola iray amin'ireo firenena mahantra indrindra manerantany ihany.

Ny fanontaniana fototra, araka ny filazan'i Le Pangolin, tamin'ny resadresaka nifanaovany tamin'i Serge Michel, mpanao gazety Soisa misahana manokana ny raharaha afrikana, dia ny fahalalana raha nivadika ho ra mandriaka ny raharaha:

“L'état de la Guinée est très mauvais. Le pays n'a pas été géré depuis des années. Il y a un vide au sommet de l'Etat. Le pouvoir n'était plus exercé par le Président mais par ses proches conseillers qui étaient d'ailleurs régulièrement renouvelés. De plus, le pays est rongé par une très grande corruption. Contrairement à beaucoup d'Etats africains, la Guinée n'a pas connu la guerre civile, pourtant, quand on voit l'état de délabrement dans lequel est le pays, on a l'impression que la guerre est passée par là. A Conakry, la capitale, les bâtiments tombent en ruine, la ville semble avoir été laissée à l'abandon. En ce qui concerne les institutions politiques, elles sont extrêmement faibles et n'ont pas la force de résister à une tentative de coup d'Etat. Les militaires ont un véritable boulevard devant eux. La question aujourd'hui est de savoir si la situation va dégénérer en bain de sang ou non.”

“Ratsy dia ratsy toe-draharaha any Ginea. Tsy voatantana nandritra ny taona maro ny firenena. Foana ny toerana eo an-tampon'ny fitondrana. Tsy mitazona ny fahefana intsony ny filoha, fa ny mpanolo-tsaina akaiky izay mifanolosolo mandrakariva no mitantana azy. Potiky ny kolikoly ny firenena.Tsy mba misy ady an-trano tahaka ny any amin'ny firenena Afrikana maro hafa any Ginea, nefa raha jerena ny savoritaka misyany dia tahaka ny nisy ady ihany ny fijery azy. Maro ny trano mirodana ao Conakry renivohitra, tahaka ny efa lao ny fijery ny tanàna. Malalaka ny lalana ho an'ny miaramila. Ny mampanontany tena dia ny fahalalana hoe hivadika ra mandriaka izy ity sa tsia.”

Kapiteny tsy dia fantatra loatra teo aloha no nitarika ny fanonganam-panjakana, dia i Moussa Davis Camara, izay nilaza ny “kolikoly ankapobeny”, tsimatimanota sy tsy fisiana fampiharan-dalàna, fahapotehana tanteraka ny toe-karena ho anton'ny nanafoanana ny governemanta sy ny fampiatoana ny lalampanorenana.

“Nous sommes là pour promouvoir l'organisation d'élections présidentielles crédibles et transparentes d'ici la fin décembre 2010″, a ajouté le capitaine Camara. Mardi, lors de sa première allocution à la nation, il avait annoncé que ces élections auraient lieu d'ici deux mois. “

“Tonga eto izahay hikarakara fifidianana filoham-pirenena azo itokisana sy mangarahara izay hotanterahina amin'ny faran'ny volana desambra 2010,” Hoy ny teny fanampin'i Kapiteny Camara. Tamin'ny teny voalohany nataony ho an'ny firenena tamin'ny talata no nilazany ny hisian'ny fifidianana ao anatin'ny roa volana.”

Na izany aza dia niteny ny Praiminisitra Ahmed Tidiane Souare fa mbola eo amin'ny toerany soa amantsara ny governemanta ary eo ampikarakarana ny fandevenana ny filoha.

Mitady ny vahaolana politika tsaratsara kokoa noho ny fanonganam-panjakana kosa i Frantsa, i Etazonia ary ny fiarahamonina iraisam-pirenena hafa.

“Fandikana miharihary ny lalampanorenana gineana ity fakana ny fahefana ity,” hoy ny filazan'ny firaisambe Afrikana.

Ao amin'ny Aminata.com, no itantaran'i Sambégou Diallo ny fisavoritahana sy itaterany fa “tontosa ilay izy”, Moussa Dadis Camara ankehitriny ny filoha fahatelon'ny repoblikan'i Ginea.

“Le cortège présidentiel vient de s'ébranler en direction de Kaloum. Il est exactement 15 heures TU. Les membres du Conseil national de démocratie et de développement ont préféré faire le tour de la capitale, passant par le centre commercial de Madina, puis Dixinn, Coléah, le Camp Almamy Samory, (dans Kaloum) avant de prendre la direction de Sekhoutoureya, et puis… et enfin le camp Koundara.

Le cortège devrait vraisemblablement revenir, après cette extraordinaire parade, revenir au palais de la Colombe pour installer le capitaine Moussa Dadis Camara dans ses nouvelles et exaltantes fonctions de président de la République.”

“Nandeha nizotra ho any Kaloum ny fiaran'ny filoha sy ny mpiaradia aminy. Tamin'ny telo ora tolakandro ora iraisam-pirenena indrindra tamin'izay. Nisafidy ny hiodikodina manerana ny renivohitra ny mpikambana ao amin'ny vaomiera nasionalin'ny demaokrasia sy ny fampandrosoana, ka nandalo ny tsenan'i Madina, avy eo Dixinn, Coleah, nandalo ny toby miaramila Almamy Samory, (any Kaloum), mialoha ny hizorany ho any Sekhoutoureya, ary avy eo… ny toby miaramila Koundara.

Tokony hiverina ho any amin'ny lapan'ny Colombe (voromailala) ny fiaran'ny filoha sy ny mpiara-dia aminy, taorian'iny matso mahavalalanina iny, hametraka ny kapiteny Moussa Dadis Camara eo amin'ny toerana mampitsamboamboatran'ny filohan'ny Repoblika.”

Raha mitatitra ny gazety fa mitana ny foiben'ny fampielezam-peo sy sary ny mpitarika ny fanonganam-panjakana sady mifehy ny toerana stratejika maro manerana ny tanàna, ny mpamaham-bolongana Gineana kosa miteny fa mangina ny tanàna :

Niteny i Henri Willox :

“Ici, dans la banlieue de Conakry, tout un chacun vaque à ses occupations et la vie se déroule comme d'habitude, sauf que nous avons encore de l'électricité alors qu'habituellement, elle est coupée vers six heures du matin.
Il n'y a pas eu un seul coup de feu de toute la nuit, et la population se dit plutôt heureuse de la prise du pouvoir par de jeunes militaires.”

“Aty amin'ny tanàna manodidina an'i Conakry dia manao ny asany mahazatra azy ihany ny tsirairay, ary mitovy amin'ny mahazatra azy ny fiainana afa-tsy ny mbola mba isian'ny herinaratra satria araka ny mahazatra dia tapaka amin'ny enina maraina izany jiro izany.

Tsy naharenesana feombasy mihitsy nandritra ny alina, ary toa faly kokoa tamin'ny fakana ny fahefana nataon'ny tanora miaramila ny mponina. “

Association des Ressortissants et Sympathisants de Fria (fikambanan'ny mpiavy sy mpankasitraka ny Fria) koa nitatitra ny fanginana voalaza teo :

“Tout est calme à Fria, les gens se sont rendus au travail comme si c'était un jour normal. La plupart des commerces sont restés ouverts et il n'y a eu aucune précipitation, malgré quelques personnes désireuses de faire des provisions pour le réveillon de demain. Même les enfants ont voulu aller à l'école, mais ils ont été renvoyés à la maison. Les soldats sont dans les casernes et il n'y a pas de mouvement de troupes dans la ville.
L'annonce du décès a été faite vers 2 heures du matin. Ils ont attendu que les gens dorment pour éviter les rassemblements dans les rues. Mais la nouvelle a de toutes façons été accueillie presque dans l'indifférence. Les gens sont tellement fatigués à cause de la crise économique guinéenne et mondiale, qu'il n'y a pas eu de réaction excessive. “

“Milamina ny rehetra eto Fria, mankany am-piasana toy ny mahazatra ny olona. Misokatra toy ny mahazatra ny fivarotana ary tsy misy ny fikoropahana, na dia misy aza ny olona sasany miantsena ho amin'ny fiaretatory. Eny fa na ny ankizy aza dia nitady ho any an-tsekoly, saingy nalefa nody izy ireo. Any an-tobiny ny miaramila, ary tsy misy andia-miaramila mivezivezy eran'ny tanàna.

Nilaza ny fahafatesan'(ny filoha) ry zareo tamin'ny roa maraina. Niandry ny fatorian'ny olona mihitsy ry zareo hialana amin'ny fivorivoriana an-dalambe. Saingy tsy dia nisy niraharaha loatra izany vaovao izany koa moa. Efa leon'ny krizy eto Ginea sy manerantany rahateo ny olona ka tsy nisy fihoaram-pefy.”

Mba manantena fiovana ny mpamaky Bali de Yeimberein :

“De manière succinte, il faut espérer que des militaires réellement épris de justice sociale, de paix et visionnaires arrivent aux affaires et garantissent une authentique transition en veillan à une TOTALE REFONDATION de la Guinée (ses institutions, leurs modes de fonctionnement mais surtout une nouvelle mentalité) le tout dans un environnement d'ETAT DE DROIT.
Ce sont des préalables à tout retour de la Guinée d'abord à une situation de PAYS (normal) puis, dans un second temps, se donner les chances de pénétrer le champ du concert des Nations.
Victime de prédation sans précédent, saignée à blanc, vidée de toutes ses ressources (agricoles, minières) dévoyée de ses ressources humaines, la Guinée risque de ne JAMAIS se remettre de CINQUANTE ANS de dictature et gabegie. Ces lignes seront-elles lues par un des futurs (?) responsables du pays?”

“Raha lazaina fohy, tsy maintsy antenaina ny isian'ny miaramila manaja ny rariny ara-piarahamonina, tia fandriampahalemana sy manana vina handray ny fitantanana ny firenena ka hiantoka ny tetezamita hijery ny FANORENANA HATRAMIN'NY FAKANY an'i Ginea ( ny rafi-pahefana, ny fomba fiasany ary ny toetsaina vaovao indrindra indrindra), ary izany rehetra izany dia ao anatin'ny fanajana ny FANJAKANA TAN-DALANA.

Izany no savaravina hiverenan'i Ginea ho ao anatin'ny firenena (milamina), ka hahazoany miverina indray hiara-dalana amin'ny firenena maro hafa.

Notsentsefina tsy nisy toy izany i Ginea, nalaina taminy avokoa ny harena voajanahariny (fambolena, sy harena an-kibon'ny tany), Ahiana tsy ho afa-bela MANDRAKIZAY noho ny DIMAMPOLO TAONA nampiharana ny jadona sy ny soloky natao taminy i Ginea. Hovakain'ny mpitondra rahampitson'ny firenena ve ireto andalantsoratra ireto?”

Mpamaham-bolongna iray faly noho ny nahalasanan'i Conte :

“Enfin, le tyran est parti après 24 ans de règne. Délivrance générale !”

“Lasa ihany ilay mpanao jadona rehefa nitondra 24 taona. Afaka daholo !”

Akom-pahatsapana nosoratan'i JT, mpamaky ny Global Voices iray:

“Now it is ended. Conte has died. That’s that. And now it begins. Now begins the hard work. Now the people of Guinea must seize their nation and their destiny. The oppressor is gone. Do not allow another dictator to take his throne. With much love and hope for the best for all of the people of Guinea,JT

Maintenant il est fini. Conte est mort. C’est ca. Et maintenant il commence. Commence maintenant le dur labeur. Maintenant les personnes de la Guinée doivent saisir leur nation et leur destin. L’oppresseur est allé. Ne permettez pas à un autre dictateur de prendre son trône. Avec beaucoup d’amour et d’espoir pour le meilleur pour toutes les personnes de Guinée, JT”

Vita ny aminy ankehitriny. Maty i Conte. Izay izany. Ary izao dia manomboka indray. Manomboka ny asa mafy. Izao no andraisan'ny vahoakan'i Ginea an-tanana ny fireneny sy ny ho aviny. Lasa ilay mpangeja. Aza avela hisy mpanao didy jadona hafa handray ny seza fiandrianany. Am-pitiavana be sy fanantenana ny tsara indrindra ho an'ny vahoakan'i Ginea, JT

Lasan'eritreritra ihany anefa i Alseny Ndiaye raha ny fhetsiky ny Gineana, sy ny Afrikana amin'ny ankapobeny, no mahatonga ny mpitondra azy ireo ho lasa mpanao didy jadona:

“Les africains en général et ceux de l’Ouest en particulier, ont une tendance exagérée à personnifier le pouvoir et à le diviniser. Cela se manifeste à tous les niveaux. Du jour au lendemain, un homme ordinaire, de par son arrivée au pouvoir, est perçu comme un envoyé de Dieu ; on lui crédite de pouvoirs extraordinaires, d’intelligence hors du commun, de visionnaire. On le cite dans les propos les plus banals voire farfelus. On lui attribue la paternité de toutes les idées jugées bonnes, de toutes les citations, de tous les projets. Imaginez un président inculte qui a de la peine même pour écrire son nom, et qui se retrouve subitement « auteur » d’une œuvre littéraire, philosophique voire économique !.”

“Ny Afrikana amin'ny ankapobeny ary ny Afrikana tandrefana indrindra indrindra, no manana fironana tafahoatra hanindrahindra ny olona eo amin'ny fitondrana ka manao azy ho toy ny andriamanitra. hita amin'ny sehatra rehetra izany. Ao anatin'ny andro iray, ny olona tsotra iray, rehefa tonga eoamin'ny fitondrana, dia jerena avy hatrany ho irak'Andriamanitra ; omena fahefana goavana dia goavana izy, heverina ho manana fisainana mihoatra noho ny an'ny maro, ho olona manana vina. Milaza azy hatrany ny rehetra rehefa misy resaka atao na dia amn-javatra tsy mitombina aza. Heverina fa izy no niavian'ny hevitra tsara rehetra, ny ohabolana rehetra, ny tetikasa rehetra. Eritrereto anie izany filoha zara raha mahay manoratra ny anarany, nefa dia hita tampoka no “mpanoratra” bokina haisoratra, fahendrena na teokarena e!”

Misy ny mpamaky sasany ny gazety Frantsay Le Monde no manahy fa mety hitranga any amin'ny firenena Afrikana hafa izay zavatra mahazo ny firenen'i Ginea izay taorian'ny fahalasanan'ny mpitondra ao aminy’ :
Turgot nilaza ny heviny hoe:

“Le pire est que ce qui se passe (de façon totalement prévisible) en Guinée est plus ou moins la reproduction de ce qui s’est passé en Côte d’Ivoire à la mort d’Houphouët (pas de succession préparée et guerre des héritiers) et préfigure ce qui se passera dans un certain nombre d’autres pays africains à la mort de leurs présidents: Cameroun (Biya), Gabon (Bongo), Tchad (Déby), et même peut-être Sénégal à la mort de Wade (encore que ce pays connaît un semblant de tradition démocratique).”

“ny tena zavadoza dia izao zavamitranga (efa tsinjo tsara dieny mialoha) any Ginea izao dia efa tantara miverina tamin'izay nitranga tany Cote d'Ivoire taorian'ny fahafatesan'i Houphouet (tsy misy fanomanana izay mpandimby sy adin'ny mpandova) ary efa milaza mialoha ihany koa izay hitranga amin'ny andro hahafatesan'ny filoha Afrikana hafa: Kamerona (Biya), Gabon (Bongo), Tchad (Deby), ary i Senegal koa aza angamba, rehefa lasa i Wade (na dia lazaina manana fahazarana demaokratika aza ity firenena iray ity).”

Mialy Andriamananjara

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.