Shina: Ny Sata faha 8, mba halàlaka sy tsy hanan-tahotra

Ankatoky ny fankalazana ny faha enimpolo taonan'ny fanambarana eran-tany momba ny Zon'Olombelona ny 10 Desambra, Sinoa 303 mpitandro ny zon'Olombelona, no niaraka namoaka ny Sata faha 8, izay mitaky fanavaozana pôlitika any Shina. Kanefa, ny governemanta Sinoa dia nanapa-kevitra ny hankalaza ny fanambarana eran-tany ny zon'Olombelona amin'ny alalan'ny famoretana izany hetsika am-pilaminana izany. Manam-pahaizana , mpisolo vava mpandàla ny zon'Olombelona sy mpomba maromaro no nosamborina mba ho hadihadiana, iray amin'ireny i Liu Xiaobo izay mbola voatazon'ny mpitandro ny filaminana

Fanambaràn'ny mpanindrona ivoho?

Inona no antony hangejan'ny governemanta Sinoa io Sata io? Mazava ho azy fa tsy misy fanazavàna ofisialy afa-tsy ny filazàna fa mpanakorontana ny filaminana anatin”ny firenena i Liu Xiaobo. Angamba ho azontsika atao ihany ny mamaky ny fomba fihebitr'ireo mpomba ny governemanta mba hanomezan-danja ny tena fizotrany. Ho an'i Sima Nan dia nantsoiny hoe Fanambaràna revolisionera maro loko Sinoa io Sata io:

“中国颜色革命宣言”后签名的人,不少都是一侧颈椎增生扭脸右转死猪不怕开水烫的老面孔。那位林培瑞先生,大家也并很不陌生。早在1989年,他机智地一手策划了方某人的外逃;长期以来,他慷慨地出钱豢养着一批所谓的“民运”人士。当然,出钱的领钱的心里都明镜一般,无论策划逃人,还是出钱养人,均非林老一己之力所能为之,其后悉有庞大的后援支撑,无非年度计划必须完成,无非请人形象代言。

Ireo izay nanao sonia io “Fanambaràna revolisionera maro loko” io dia fatin-kisoa daholo.Tsy zoviana amin'ny sasany aminareo angamba ny anaran'i Mr. Perry Lin . Tamin'ny 1989, nanomana ny fitsoahan'ny olona iray izy. Nandritra ny fotoana maro, nanohana vondron'olona miombon-kevitra amin'izay nantsoina ho “hetsika demokratika” izy. Samy mahalala izy rehetra fa tsy avy amin'i Lin izy tenany irery fotsiny ireo volabe tsy hita noanoa. Misy mpanohana ao ambadika ao, mila olona fotsiny izy ireo mba hitantana ny resaka vola.

I Wu yu dia niantso ilay Sata faha 08 hoe Satan'ny Mpamadika:

昨天在司马南先生的文章里看到了《零八宪章》的中文全文和英文译文,这个以美国普世价值观做意识形态凝聚力的《零八宪章》就是一个卖国汉奸思想导向。因为意识形态和民族文化是最强大的国家凝聚力,这个《零八宪章》宣扬的是美国的意识形态,就是为了建立美国的国家凝聚力,所以《零八宪章》就是卖国的汉奸宪章。

Omaly, namaky tao amin'ny Sima Nan, ny dikanteny amin'ny teny Sinoa sy Anglisin'ilay Sata faha 08 aho. Ny lahatsoratra manontolo manindrahindra ny atao hoe soatoavina iraisan'ny rehetra, soloin'ny Etazonia tena, dia Satan'ny Mpamadika. Ny ideolojia sy ny kolontsaim-pirenena no tena tanjaky ny firenena. Vantany vao miventy ny ideolojian'i etazonia ity Sata ity, dia efa manindrahindra ny tanjak'i Etazonia izany, ary izay no maha-Satan'ny mpamadika azy .

Na dia mikendry ny hanampim-bava sy hamoritra ireo feo misandratra aza ny governemanta Sinoa, maro kosa ireo mpamaham-bolongana ao Shina no nisotro ny aleoko maty hanao sonia ilay Sata sy hanapariaka ny vaovao.

Handresy tahotra

I Liberalist dia niady saina nandritry ny andro vitsy vao tapa-kevitra nony farany fa hametraka rango-pohy eo amin'ilay Sata amin'ny fampiasàna ny tena anarany:

今天终于签了名,签的真名、真职业,对签名活动来说可能有些晚,但对我来说意义重大。以前顾虑在于,我的职业虽然算自由职业,但时刻处在种种矛盾、旋涡之中,属于每年政府都要注册、年检的那种敏感行业,一个省也不过几千人,当局调查、和谐起来十分方便。

就这样折磨了自己几日,发现自己根本就是庸人自扰。既然内心对一件事深深认同,做与不做又都有可以理解的理由,剩下的就是选择的问题了。“为了正义,哪怕它天崩地裂”是一种选择,不争不鸣、独善其身也是一种选择,两种选择没有高下之分、只有利害之别。说到底,每个人仅对内心负责则矣。而我的权衡结果是:如果不做这件事,将来内心一定会不安。

Androany, nametraka rango-pohy ihany aho no niafarany, miaraka amin'ny tena anarako sy ny tena asako. Efa tara loatra angamba, nefa midika zava-dehibe ho ahy. Nisalasala be ihany aho teo aloha, indrindra koa amin'ny maha-mpiasa tena ahy, nefa manana ny olako manokana koa aho noho ny asako tsy maintsy anaovana filazàna isan-taona amin'ny governemanta. Raha mandray fanapahan-kevitra hanadihady ry zareo, dia zavatra bitika amin-dry zareo ny ‘manamboatra’ ahy.

Dia nijalijaly toy izay aho nandritry ny andro maromaro, nihorohoro am-pitoerana. Raha tena ekeko marina ny fandehan-draharaha, raha hanao ihany tokoa aho na tsia, mitombina tsara avokoa ireo antony rehetra. resaka fandraisana fanapahana no sisa. “Ho an'ny rariny sy hitsiny, ary na inona na ho inona ho vokany aoriana ao” no safidy hatao, fa mbola safidy iray hafa koa ny tsy hiala lavitra sy tsy hijàbaka, sarotra ny fandidiana. Ny zavatra aterany no manavaka azy ireo. Samy tompon'andraikitra amin'izay itondran'ny fony azy ny tsirairay avy, na lahy io na vavy. Ka ny hevitra tapako farany dia ity: raha tsy manao ity aho amin'ity indray mitoraka ity, dia mety ho neniko izany amin'ny hoavy.

I Ran yunfei, mpitoraka blaogy fanta-daza ary iray amin'ireo manampahaizana 303 niarananao sonia ilay Sata, dia miresaka momba ny fomba enti-manohitra ny tetika fampitahorana ao anatina firenena iray tsy refesi-mandidy:

有人说,你就不恐惧吗?我恐惧,和大家一样。但我认为面对恐惧的方式可能有所不同,有人说,你的电话肯定被监听,我说他爱听不听(这不表明我赞赏他来听,我反对他来听,这只是我反对无效时的被动考量,但对他们这种窃听,我一直反对),事涉公众利益,我私下说与公开说的完全一样;有人说,你出来可能有人跟踪,我说我到不了那个级别,即令是有,我也欢迎他一起聊天喝茶,但茶钱你得自己给。官方最高兴的是,你完全按照他威胁性的旨意来生活,生活在恐惧不安中,活得越来越憔悴,生活越来越无趣,它最高兴。它会暗中说,…毋如完全尊重自己的规律与轨迹,这是对制造恐惧者的最大打击。

Manontany ahy ny sasany, tsy matahotra ve ianao? Toy ny rehetra ihany anefa, matahotra aho. Na izany aza, ny fomba hitako hiatrehina ny tahotra dia mety ho hafa noho ny fahitan'ny sasany azy. Hoy ny sasany hoe, tsy maintsy misy mitsikilo ny resaka an-telefaonina ataonao. Hoy aho hoe, aleo handeha amin'izany (tsy midika ho fankasitrahako ny fihainoana resaka an-telefaonina izany an, toheriko izany, nefa ny fanoherako tsy hanova zavatra firy). Rehefa resaka mahakasika ny tombon-tsoam-bahoaka, izay lazaiko amin'ny takontakona dia tsy hifanalavitra amin'izay hambarako imasom-bahoaka. Hoy ny sasany, mety misy olona mitsongo dia ahy. Hoy aho, tsy dia mbola isan'izay mahasarika manokana aloha aho, na dia izay tokoa aza no zava-misy, tsy hatahotra ny hiara-hisotro dité amin'ilay olona aho, nefa tsy maintsy mandoa ny laniny izy. Raha manaiky hiaina anatin'ny vahohony ianao, dia ho faly tokoa aminao ny fanjakana. Zava-mahatretrika indrindra azy ny hahita anao miaina anaty fangovitana, anaty horohoro tsy manam-piadanana… Hajao ny fitsipika napetrakao sy ny tondro zotra nofaritanao, izany no kanonta lehibe hively ireo mpamafy tahotra.

Manazava ny antony nanaovany rango-pohy ilay Sata koa i Tie Liu , mpanoratra iray efa 76 taona :

我是个七十有六岁的老人,不顾疲劳戴着老花镜把”零8宪章”反反复复地看了三遍,最后毅然签上了自已的名字,位列57 位。”08宪章”写道:…制造了反右、大跃进、文革、六四、打压民间宗教活动与维权运动等一系列人权灾难,致使数千万人失去生命,国民和国家都付出了极为惨重的代价。”难道这不是事实吗?我是历史老人,各种灾难的见证者。

Efa 76 taona aho, miaraka amin'ny solomasoko, naveriko novakiana efa ho in-telo misesy ilay Sata faha 08, avy eo aho tapa-kevitra hanao rango-pohy. Laharana faha 57 aho ao anatin'ny lisitra. Ao anatin'ilay Sata, dia voalaza fa : “… the Anti-Rightist Campaign (1957), ny Dingan-dava Lehibe (1958–1960), ny Revolisiona ara-kolontsaina (1966–1969), ny vonomokan'ny 4 Jona (Kianja Tiananmen) (1989), ary ny famoretana ireo antokom-pivavahana tsy nahazo alalana rehetra misy amin'izao fotoana sy ny fanafoanana ny hetsiky weiquan ho fitakian-jo. Nandritra ireo rehetra ireo, lehibe tokoa ny fahavoazana nozakain'ny vahoaka Sinoa. Ampolony tapitrisa maro no namoy ny ainy, ary solofo marobe taty aoriana no nahita ny fahalalahany, ny fiadanany, ary ny hasina maha-olona azy ireny nozimbazimbaina tsy nisy antra. ” Zava-marina raketin'ny tantara avokoa izany rehetra izany, vavolombelon'izany ny tenako, vavolombelon'ireny zava-doza rehetra ireny.

Fanoherana tao Hong Kong, tsy nisy mpitatitra

Na dia migoka ny fahalalahana miteny sy ny fanaovana gazety aza i Hong Kong, dia tsy nojeren'ny mpampahalala vaovao ny resaka Sata faha 08. Omaly, nanaraka ny hetsi-panoherana nitakiana ny hamotsorana an'i Liu Xiaobo aho, nefa tsy nahita mpampahalala vaovao avy eto Shina na iray aza, amin'io fotoana io koa anefa, tena voafetra be ny resaka mivantana iafanaovana amian'ny aterineto. Soratako ity tatitra avy amin'olon-tsotra iray ao amin'ny inmediahk.net momba ny fanoherana sy ny fepetra mifehy ny asa fampahalalam-baovao ity:

大部份網上媒體,都是主流的鏡子或回音室,從《零八憲章》的傳播看,論壇和 Blog 的獨立性都成疑,畢竟個人的意識、喜好都跟著主流來轉…;再且,個人或缺乏組織的聚眾,在缺乏資源與意識下,亦無法發揮抗衡的作用。香港的 Bloggers 相對國內的,因為缺乏自主的組織與意識,與國內和台灣相比,顯得隨波逐流,而沒有成為資訊傳播的行動者。

《零八憲章》在香港的傳播是一個警號,當我們的教育強調國民身份認同,而主流媒體(尤其是電視媒體)只談奧運、神七與中央救市,完全屏閉人民作為主體的社會改革力量;另一方面,網上/社會上獨立多元的聲音無法成為抗衡的力量,我們的下一代,只會變成國家搖藍下的娃娃。

我們需要更強、更有意識、更多元自主的獨立媒體運動。

Ho an'ny ankamaroan'ireo mpampahalala vaovao online, dia ny tombontsoan'ny besinimaro no tena avoitran'izy ireny. Raha ny momba ny Sata faha 08 izao dia tafiditra ao anatin'ny resaka ny endrika malalaka ananan'ny forums sy ny blaogy. Na eo aza izany rehetra izany, ny olon-tokana na vondron'olom-bitsy tsy hahasehaka firy manoloana ny fironan'ny besinimaro… Raha ampitahaina amin'ireo mpiray kontinanta amintsika, ny mpitoraka balogy any Hong-Kong dia tsy manana tamba-jotra sy toe-tsaina mahaleotena fa zatra manaraka ny maro ary tsy mety lasa mafana fo amin'ny fampitana vaovao.

Ny fiparitahan'ny Sata faha 08 any Hong-Kong dia mariky ny fampitandremana. Ny governemanta dia nanao fanentanana momba ny fanabeazana mifototra amin'ny fitiavan-tanindrazana sy ny haino aman-jerintsika, indrindra fa ny televiziona, izay tsy miresaka afa-tsy ny momba ny Lalao Olaimpika, ny fandehanana any amin'ny habakabaka ary ny fandraisana fepetra nataon'ny governemanta manoloana ny olana ara-bola mba handrakotra ny ezaky ny mponina hoitondra fanovàna ny lafiny sosialy. Amin'ny lafiny iray hafa, ny mpampita vaovao online tsy miankina dia tsy afa-mitombo hery firy sy lasa fitaovana fampielezan-kevitra fotsiny. Ho lasa zaza tinaizan'ny fanjakana sisa ny taranatsika ho avy.

Mila mpampahalala vaovao tsy miankina matanjaka isika eto , izay misandrahaka kokoa sy tena mahaleo tena.

Hatramin'ny anio, Sinoa an'arivony no nanao sonia ilay Sata ary marobe ireo fitaovana (platerformes onlines) natao hanangonan-tsonia, isan'ireny ny: zola's google knol syinmediahk.net na ianao afaka mandefa hafatra amin'ny adiresy : 2008xianzhang@gmail.com na koa poonkarwai@gmail.com

Ny dika amin'ny teny Anglisin'ilay Sata dia hita ao amin'ny here, ny amin'ny teny Japoney kosa here, ary ny teny Sinoa ato.

photos credit to hegelchong.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.