Arabia Saodita: M-Rock ny vehivavy Saodiana

Vondrona tovovavy saodiana izay no nanandratra ny feon'izy ireo mba ho re – tamin'ny fomba tsy mbola fahita firy tao Arabia Saodita mpandala ny fomban-drazana.

Ao amin'ny Muslimah Media Watch, dia hoy i Ethar mitantara izany ho antsika :

Misy buzz izay any amin'ny aterineto miresaka momba tarika mpiangaly rock iray vao misandratra, ny Accolade. Tsy dia mahataitra, hoy angamba ianao, mandra-pahitanao fa tsy vitan'ny hoe vehivavy daholo no mpikambana ao, fa indrindra vehivavy saodiana daholo.

Ary izay maha-saodiana izay no tena vao maika nisariba be ny sain'izao tontolo izao amin'ity tarika ity:

Tamin'ny andro namenoan'ny tarika ny takelaka voalohan'ny The New York Times (NYT), raha 17 ny ‘naman-dry zareo’ tao amin'ny takelaka Myspace manokany dia efa tafakatra ho 584 izany. Androany, efatra andro monja taty aoriana, efa manodidina ny 1000 ny naman-dry zareo, ary efa in-130.000 no nisy nitsidika ny mombamoba ny tarika, misy koa ny fanamarihana avy amin'olona any Italia, Espana, Korea, Soeda, Meksika, Alemana ary Etazonia (raha tsy hitanisa afa-tsy ireo) izay miarahaba sy mitondra fankaherezana ho azy ireo. Ireo dia fanampin'izay efa mpankafia azy ireo any amin'ny takelaka Facebook.

Manohy ihany iEthar :

Tovovavy efa mpianatra any amin'ny dingana voalohany no nanangana ny tarika :Dina , 21 taona (mpitendry gitara) ary i Dareen rahavaviny 19 taona (mpitendry gitara beso), miaraka amin-dry Lamia (feo) sy Amjad (mpitendry vata maro afitsoka). Ity misy resaka fohy nifanaovana tamin'izy ireo.

Noraisin'ilay Ezyptiana Zeinobia ny tantara ka toy izao no nosoratany ao amin'ny Egyptian Chronicles :

Tsy afenina fa tena taitra aho, mihevitra aho fa tsy io no voalohany tamin'ny tarika saodiana mpiangaly rock, raha ny fahalalako mantsy dia ny hip hop sy ny rap no be mpandàla indrindra noho ny rock raha ao KSA [Araboa Saodita]. Dia nihevitra koa aho fa hihira amin'ny teny arabo ry zareo, maro amin'ny tarika mpiangaly rock ao Ezypta ohatra no mihira amin'ny teny arabo. Na izany aza dia mirary soa ho azy ireo, ary enga anie tsy hisy na iza na iza hisakantsakana azy ireo, insh Allah (raha sitrak'Andriamanitra).

Jazarah, avy any Jordana, dia manisy rohy mankany amin'ny hiran'izy ireo Pinocchio ao amin'ny YouTube ary manamarika fa:

Tarika mpiangaly rock avy any Arabia Saodita ny Accolade, ny zavatra tsy nahazatra dia vehivavy daholo ireo mpikambana ao , eny tovovavy Saodiana, mazava ho azy fa tsy miseho vahoaka izy ireo, nefa manana nofinofy ny mba hanao fampisehoana an-kalamanjana any Dubaî, inoanareo ve fa ho tanteraka izany? Ity ny tsangasan'izy ireo voalohany, Pinocchio:

Ao amin’ny Mideast Youth, Rasha, any Arabia Saodita, dia manasongadina ny tena mahatonga ity tarika ity ho tsy manan-tsahala. Hazavainy:

Any amina firenena mpandàla fatratra ny fomban-drazana toa an'i Arabia Saodita, tsy dia fahita loatra izany tarika mpiangaly rock 100 % vehivavy izany ! Ireo mpianatra 4 ireo dia nanana herim-po hanatantehana ny nofiny ka nijoro nanohitra ny fiaraha-monina izay tsy mandefitra velively ny karazana fadifady toy izao.

Mbola nanampy ihany i Rasha :

Monina any Jeddah ireo vehivavy ireo, izay malaza ho milamina [tony] kokoa noho ny faritra hafa ao amin’ny fanjakana. Mihamaro hatrany any ny tarika lehilahy sy ny fampisehoana an-kalamanjana ho an’ny vahoaka, nefa tsy dia hita loatra ny fanavakavahana ny lahy sy ny vavy any amin'ireny toeram-pisakafoanana na Toeram-pandraharahana ara-barotra goavana ireny . Tany Jeddah aho herinandro vitsy lasa izay. Ohatran’ny hoe tany amin’ny firenena hafa mihitsy aho ! Milamin-tsaina kokoa ny olona any et tena afaka mahatsapa ny fisiany ny vehivay ary mahazo aina tsara ! Tsy tahaka ny amin’ny faritra hafa any Arabia Saodita, izay atao daholo izao rehetra izao mba tsy hahazoan’ny vehivavy aina na dia ny fieritreretany fotsiny aza hoe miseho vahoaka izy.
Kanefa, tarika iray mpiangaly rock tsy misy afa-tsy vehivavy tsy dia hahavita loatra hanapaka ny gejan'ny fadifadim-piaraha-monina, eny fa na ao Jeddah aza. Tsy faka ny hiaka-tsehatra hiseho vahoaka ry zareo , raha tsy hoe angaha hanao fampisehoana anaty fianakaviana, na fampisehoana natokana tsotra izao fotsiny ho an'ny vehivavy irery ihany. Na dia izany aza, dia ao henoina sy alaina (amin’ny aterineto) ny hirany na izany ao anatiny na any ivelan’ny firenena

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.