Meksika: Mpanadio kiraro mampiasa ny YouTube ho dokambarotra

Naotin'ny Tonia: Sary nalain'i Issa Villarreal ilay mamafa kiraro iray any Monterrey, Meksika, izay manao dokambarotra ny tenany amin'ny alalan'ny YouTube nivoaka voalohany tao amin'ny bolongana Ocho Cuartos [es]. Nampiditra lahatsoratra tao amin'ny bolongany i Issa [es] izay iresadresahany ilay mpanadio kiraro ny antony nampiasany ny fitaovan-tserasera ampiasain'olo-tsotra hampitomboany ny ambaindain'ny raharahany. Dikanteny nahazoana alalana izany izao aseho anareo izao.

Sary nalan'i Issa Villarreal. Hoy ny vakin'ny teny, “Karohy @ YouTube na Google ilay Manadio kiraro amin'ny borosy roa”

Mora ny manavaka an'i Juan Luna amin'ny mpampamiratra kiraro hafa any afovoan'i Monterrey, Meksika. Ny tranohevany, izay eo amin'ny fihaonan'ny Escobedo sy Padre Mier, dia misy marika manasa ny mpandalo mba hanao fikarohana amin'ny YouTube sy/na amin'ny Google ny lahatsariny mitondra ny lohateny hoe, “Ilay mpampanelatrelatra kiraro amin'ny borosy roa.”

“Hevitra tao amiko iny,” hoy ny fanazavany teo ampanatrehana mpividy iray. “Hevitra hanasongadina ahy hahazoako olona maromaro kokoa. Miala amin'ny fomba mahazatra.”

Kinga an-tanan-droa i Juan: Samyu mitazona borosy ny tanany tsirairay avy ary samy manadio kiraro tsirairay avy ireo. Mihevitra ny tenany ho manantalenta izy ary mivoatra eo amin'ny fomba fiasany: Ampiany ‘teflon’ ny fanadiovana mba hampikorisa eo ambonin'ny kiraro fotsiny ny rano sy ny fotaka. Amin'izay fotoana izay dia maharotra tapabolana ny fangilangilatry ny kiraro tahaka ireny tsy nohetsehana ireny.

Ao amin'ny lahatsariny ao amin'ny YouTube no hahitantsika azy ny fampiasany borosy roa, sy izay aingam-panahiny isan'andro: Mpaka sarin'ny ankohonany. Io lahatsary fohy io – izay maharitra iray minitra – dia teo an-tserasera nandritra ny enimbolana ary efa nahazo mpitsidika 4 500 hatramin'ny Mey 2008.

Za-draharaha folo taona teoamin'ny fiborosiana kiraro izy. Volana vitsy lasa izay, no nitady mpanohana (orinasa mpanomana mariazy any Monterrey) izy haka sary sy hamboatra ny lahatsary ahitana azy eo amin'ny trano hevany eo afovoan-tanànany, izay nisy azy herintaona izay.

“Nampirisika ahy ny mpanjifa satria tsy misy mahavita manadio amin'ny borosy roa izany ka kinga an-tanandroa toa ahy (sady kaia ny kavanana). Mba mametraka karazana lahatsary toy ireny koa izahay fa tsy izay fanalan'andro hita ao amin'ny YouTube ihany,” hoy Juan.

“Tonga ny olona satria nahita ahy tamin'ny aterineto,” nohazavainy ny fiantraikan'ny dokambarotra tamin'ny lahatsariny. “Nisy ny nanafatra ny lahatsary ary nisy ny nahita azy kisendrasendra ary dia liana ny hahita azy mivantana.”

“Ny mpiborosy kiraro kinga indrindra manerantany” no teny tarigetran'ny dokambarony. Nilazainy fa miserasera indray na indroa isan-kerinandro izy. Mijery YouTube kosa izy mba hizaha lahatsary mampihomehy.

Tsy menatra i Juan miresaka momba ny paikany sy ny toky apetrany amin'ny haino aman-jery niomerika. “Ny antony iray amin'ny lahatsary dia olona tsy ho hitanao mandrakizay mivantana na hihaonanao manokana izay mipoitra ao amin'ny YouTube,” hoy ny filazany, “fa izaho kosa no tokana azonao ihaonana mivantana sy iresahana tahaka izao.”

Eduardo Avila

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.