Iràka: Tsy Amin'ny Eid na Fotoana Hafa Manokana Mihitsy ny Saina

Eo ampanamarihana ny Eid Al Adha, amin'izao fotoana izao ny Miozolomana manerantany, fetim-pivavahana izay manamarika ny faneken'i Abrahama hanao sorona ny zanany (naotin'ny mpandika teny malagasy: Ismaela io ho an'ny Silamo fa Isàka kosa ho an'ny Jiosy sy ny Kristiana) sy ny famaranana ny fivahiniana masina atao any Lameka ( Hajj) . Miray saina kosa mandritra izany ny mpamaham-bolongana fa tsy ao amin'izany mihitsy ny fo amam-panahiny.

Irakiana Layla Anwar miteny fa tsy hitany mihitsy izay antony hifalifaliana. Hoy ny sorany:

You know something, I have stopped celebrating holidays, special occasions and the rest…
What I mean is that my festivities are kept to a strict minimum.
I don't do anything for the Eid, neither for Christmas. However, my family keeps the Eid tradition alive and I comply.

(Ataoko) mahalala zavatra ianao, Nijanona tsy hankalaza fety, fotoana manokana na zavatra hafa aho androany…
Ny tiako lazaina dia ny kely indrindra amin'ny fifaliana no ataoko.
Tsy manao na inona na inona aho amin'ny Eid, toy izany koa amin'ny Krismasy. Na izany aza, mitazona ny fomban'ny Eid ny fianakaviako ka dia manaraka aho.

Mivoaka sy miverivezy manodidina ary manome ny vaovao farany momba ny Eid any Baghdad i Baghdad Dentist , ary dia manoratra momba ny fifamangian'ny fianakaviana sy ny fanatrehana mariazy, izay voaelingelina noho ny fisian'ny ady manodidina. Nampiany ary:

.at about 6p.m. i went to the wedding party of our neighbour. it was a nice one.every one was dancing and laughing. i saw many boys and girls who grew up. my sister's family stayed,the next day we went to manny neighborhoods in baghdad just hanging over. at night we went to Al-Rubei'y street. i like it because the shops are great and its the only one without concrete barriers on pavements and the people their are more motivated than other where you find trush,concrete barriers,just like chaos!!.there were horrible traffic jams everywhere bcoz of the checkpoints.

Tokony ho tamin'ny 18:00 dia nanatrika ny mariazin'ny mpifanolo-bodirindrina taminay aho. Nahafinaritra ity indray mitoraka ity. Mandihy sy mihomehy ny rehetra. Hitako nihalehibe ny zaza maro. Nipetraka ny fianakavian'ny anabaviko, ny ampitso dia nandeha tamin'ny toerana maro manodidina an'i Baghdad izahay mba (handany andro). Rehefa tonga ny alina dia nankeny amin'ny lalana Al-Rubei'y izahay. Tiako ny eto noho ny halehiben'ny fivarotana sy eto ihany no misy lalana fandehanana tsy misy sakana (bariera) ka mahatonga ny olona ho marisika kokoa noho ny mankany amin'ny toerana hafa feno fisavana, tena sakana, tahaka ny korontana!! Feno fitohanan'ny fiarakodia eny rehetra eny noho ny toeram-pisavana maro dia maro.

Mpamaham-bolongana hafa Faiza Al Arji no miresaka ny dika ara-panahin'ny Eid. Hoy izy:

عندما كنت صغيرة , كنت اظن ان العيد هو فقط ملابس جديدة وحلوى وزيارة الاقارب او مدينة الالعاب ,
والى
عهد قريب من حياتي بقيت افكر ان العيد هو فقط طقوس دنيويه مثل ترتيب البيت
وشراء شكولاته وحلويات وعصير للضيوف والذهاب للصالون حتى اقص شعري وارتب
مظهري وشراء ملابس جديدة لافراد العائله جميعهموالان ابتسم على سذاجتي تلك , لم اكن افهم ما معنى هذه المناسبات روحيا , ما هو المغزى الروحي من وراء هذه الطقوس ..
بالنسبة لي الان صرت ارى الاعياد هي مناسبات للاستغفار وذكر الله وشكره على نعمه التي لا تعد ولا تحصى..
وهي مناسبات للتقرب الى الله والشعور بسعادة هذا القرب والأنس بالله
ولا
يهمني كثيرا الشكولاته ولا زيارة الصالون ولا الملابس الجديدة ولا زيارات
الناس والثرثرة والكلام الفارغ عن الدنيا ومكاسبها ومظاهرها او قال وقيل
عن فلان وفلانه ..

Fony aho mbola tanora dia noeritreretiko ho akanjo vaovao, vatomamy ary fifamangian'ny mpihavana ary fandehanana any amin'ny toeram-pilalaovana ny dikan'izany hoe Eid. Hatramin'ny vao haingana izay, dia mbola noeritreretiko ho fomba tahaka ny fanadiovana ny trano, fividianana sôkôlà, vatomamy sy ranom-boankazo ho an'ny vahiny ary fandehanana mankany amin'ny mpanao volo hanapahana ny volo, fotoana hanaovana izay mahamanja ny tena ary fividianana akanjo vaovao hoan'ny fianakaviana ny fieritreretako ny Eid. Ankehitriny mitsiky aho amin'ny fahadondronako. Tsy fantaro ny lanja ara-panahin'ny fotoana, sy ny antony ara-panahy hanaovana ilay fombafomba. Izao vao fantaro fa fotoana fangataham-pamelan-keloka amin'ny Allah, Fahatsiarovana Azy ary fisaorana Azy noho ny Fitahiany ity fotoana ity. Fotoana hanakaikezana an'Andriamanitra ity fotoana ity ary hifaliana amin'izany fifanakaikezana izany. Tsy miraharaha intsony izany sôkôlà sy fandehanana mankany amin'ny mpanao volo, na akanjo vaovao sy famangiana olona sy fifosafosana izany intsony aho.

Iraqi Signor, izay miaina any Londres, kosa dia sahirana mitady fifaliana amin'ny fotoam-pankalazana. Miresaka amintsika ny niainany nandritra ny Eid fahazaza izy nanao hoe:

This was how I celebrated Eid more than a decade ago. Today, as hard as I try and as desperately as I search, I cannot find much happiness in such communal festivities. People always asked me why I never look happy whenever there's something to celebrate; my robotic response is something along the lines of “Who said I'm not happy? I am, but I'm not going to dance about it, am I?”

Toy izany no fomba nakalazako ny Eid ampolo taona lasa izay. Ankehitriny, na dia miezaka tokoa aza aho mitadidy, dia tsy mahita fifaliana amina fety iraisana tahaka itony. manontany ahy foana ny olona fa tsy hitany faly mihitsy aho na dia misy zavatra ankalazaina aza; ny valy fahazarana ataoko moa dia mitovitovy hatrany amin'ny hoe ” Iza no miteny fa tsy faly aho? faly aho, fa tsy izany no andehanako mandihy, sa tsy maintsy?

Nampiany moa hoe:

Eid is embarrassing; Christmas is cold and birthdays are, well, check the archive. True happiness needs no occasion and we should be forever grateful to be alive and to have one another.

Mahasanganehana ny Eid; Mangatsiaka ny Krismasy ary toy izany koa ny fahaterahana, eny e, hamarino ny tahiry. Tsy mila fotoana manokana ny fifaliana ary tsy tokony hanadino ny fisaorana mihitsy isika mandrakizay noho ny fahavelomantsika sy manana iray hafa.

Ho avy faingana ve ny hankalazan'ny Irakiana Eid isan'andro?

Amira Al Hussaini

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.