Thailand: Vahiny tafaraka tamin'ny mpitolona tao amin'ny seranam-piaramanidina

Nihatakataka niala ny seranam-piaramanidina tao Bangkok ny ankamaroan'ny vahiny raha nametrapetraka ny fitaovany rehetra hiatrehana ny  “ady farany” hanoherana ny “fitondrana lò” roa herinandro lasa izay ny mpanao fihetsiketsehana.

Janus Putkonen avy any Finland no niara-dalana tamin'ny People’s Alliance for Democracy (PAD) na Fiarahan'ny vahoaka ho amin'ny demaokrasia nandritra ny dimy andro sy dimy alina. Nihinana sy natory teoamin'ny foiben'ny fanoherana tao amin'ny seranam-piaramanidina izy. Vavolombelon'ny tifitra in-5 sy ny fitorahana baomba mananasy in-3. Afaka nanara-maso tsara ny nataon'ny mpanohitra nandritra izany fotoana izany izy. Soa ihany fa nanana fakan-dahatsary niaraka taminy izy. Zarainy amin'izao tontoloizao ankehitriny ny hitany rehetra avy tao anivon'ny fanaovana sakana (barazy).

Nameno ny seranam-piaramanidina roa tao Bangkok ny PAD ny 26 Novembra lasa teo hanerena ny fialan'ny mpitondra faratampon'ny firenena. Tratran-dry zareo ny tanjona tamin'ny herinandro teo rehefa  namoaka ny didim-pitsarana hanafoanana ny antoko nitondra tany an-toerana noho ny fanaovana hosoka nandritra ny fifidianana ny Fitsarana Tampony tany Thailand.

Tantarain'i Janus ny nandehanany tany amin'nyseranam-piaramanidina:

“Namaky ny gazety Bangkok Post aho tamin'ny 23:30 namakiako fa nisy fifampitifirana tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Suvarnabhumi, nanapa-kevitra aho tamin'ny 0:00, notairiko ny vadiko, ary dia nentiko ny fitaovako. Mipetraka any afovoan'i Thailand aho, fa tsy manana fialantsiny aho tsy hitondra ny fiarako mizotra ho an'ny Bangkok haingana araka izay tratrako, nihaino ny feon'ny foko… Tonga tany aho tokony ho tamin'ny 03:00 maraina. (Ilay) vahiny  tokana tao anatin'ny fanaovana barazy ny alina voalohany tao Suvarnabhumi.”

Nitolagaga tamin'ny fahaiza-mitondra tenan'ny mpanohitra nahay namaly ny toraka grenady tao amin'ny seranam-piaramanidina i Janus.

Nalain'i Janus sary ny valim-panafihan'ny PAD nanohitra ny mpitandro ny filaminana izay nanandrana ny hanaparitaka ny mpanohitra tao amin'ny seranam-piaramanidina. Niala ny polisy.

Inona ny lesona azon'i Janus avy amin'ny mpanohitra tao Bangkok:

“Tsy misy fahombiazana ho azo avy amin'ny baranahiny rehefa mitokona, fa avy amin'ny fifampifehezana sy ny fifandaminana, teti-panorona voafehy tsara sy fametrahana ambaratongam-pahefana ihany. Nampiana-desona lehibe ahy ireto vahoaka Thai avy amin'ny PAD ireto amin'ny fomba handresena amin'ny lafiny politika rehefa manao fitokonambe… Ny manafika no fiarovana tsara indrindra, toy izany koa amin'ny fitokonambe.”

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.