Ezypta: Antso ho fahatsiarovana an'i Saddam Hussein

Amin'izao tsingerintaona faharoa namonoana ny filoha Irakiana teo aloha Saddam Hussein izao, ary noho ny fiaraha-mientan'ny fiaraha-monina Irakiana any Kairo, dia niantso hanao hahatsiarovana ny Filoha irakiana teo aloha ny antoko politika dimy any Ezypta.

Taorian'ny nanatsongana lahatsoratra tao amin'ny Gazety Al Youm 7, no nanoratra ny Ezypsiana iray:

Believe it or not they want to honor a psycho terrorist assassin like Saddam who thought of himself as a kind of prophet or a god. Imagine if one day one of these parties ruled Egypt, how are they going to rule? For sure their regime will follow the footsteps of Saddam – “the patriot hero” as they call him. What will other nations think of us when they read such a news? Where is state security police? Why didn't they arrest them? Guess whom these parties hate? They hate president Mubarak.

Mr. president I wish you longer years of ruling, you are much much better.

Mahazo mino ahy ianareo na tsia fa te-hanome voninahitra mpamono olona mpampihorohoro tahaka an'i Saddam izay mieritreritra ny tenany ho karazana mpaminany na andriamanitra ry zareo. Eritereto hoe hitondra an'i Ezypta, hono, ireto antoko ireto indray andro any, ho tahaka ny ahoana re ny fomba fitondrany amin'izany fotoana izany e! Ny tena azo atokisna dia hanaraka ny dian'i Saddam – “ilay tia tanindrazana mahery fo” – araka ny iantsoany azy izy ireo. Inona moa izao no eritreretin'ny firenen-kafa antsika raha mahita izao vaovao izao izy ireo? Fa aiza ny mpitandro ny filaminana? Fa nahoana moa no tsy samborina ireo? Ankamantatra ity: iza moa no tena halan'izy ireo? Ny filoha Mubarak no tsy tiany.
Atoa Filoha, ho ela fitondrana ity firenena ity anie ianao, ianao no tsara kokoa.

Naneho ny heviny tamin'ity tranga iray ity ihany koa i Voice of Egypt :

مين دول؟ حد سمع عنهم قبل كده؟
و أنا بقول هم ما بيعارضوش ليه؟ طبعاً مش فاضيين
ده صدام حسين اللي ارتكب أبشع الجرائم ضد الإنسانية، عاملينله مؤتمر و بيخلدوا ذكراه و واصفينه بالشهيد البطل رمز الصمود و مش بعيد يطالبوا ان نحطله تمثال في ميدان رمسيس.. الواحد ما شفهمش يعني بيعملوا مؤتمرات قبل كده علشان الديمقراطية و لا قانون الطواريء و لا المعتقلين و لا رغيف العيش حتي!
أيها السادة رؤساء أحزاب المعارضة.. جتكم القرف

Fa iza ireo olona ireo? Efa nisy naheno ny momba ireo ve ianareo? Naninona no tsy heno mihitsy ny feon'izy ireo tao amin'ny fanoherana fa tsy maninona, Nahoana izy ireo no manohitra ny zava-drehetra raha toa ka manao famelabelaran-kevitra ho fahatsiarovana sy ho fanajana olon-doza tahaka an'i Saddam Hussein? lazainy fa maritiora hoe izy, mahery fo, ary olomangan'ny fahazakana (mankany amin'ny hevitry ny fandeferana). Tsy ho gaga aho raha mitaky ny hananganana tsangambato eo amin'ny Lalana Ramses izy ireo. Tsy mbola naheno antoko politika nanao famelabelaran-kevitra miresaka ny momba ny demaokrasia, ny lalàna momba ny fahamehana, ny voafonja, na ny tsy fisian'ny mofo dipaina akory izahay hatramin'izao.

Andriamatoa isany … mpitarika ireo antoko ireo … mahamenatra ianareo!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.