korea: naato ny fiaran-dalamby mamitohy ny avaratra sy ny atsimo

Niato tamin'ny 28 novambra lasa teo ny fifamoioizana an-dalamby mampitohy an'iKorea avaratra amin'i Korea atsimo.[En] Raha nanomboka niasa indray ny fiaran-dalamby nampitohy ny roa tonta taorian'ny fihaonana an-tampony teo amin'ny roa tonta tamin'ny herintaona rehefa nitsahatra 50 taona izany, dia nanantena fivoarana sy fifanakaikezana teo amin'izy ireo ny olona. Rehefa nihahenjana indrayanefa ny fifandraisana eo amin'ny fitondrana roa tonta dia nanapa-kevitra hampitsahatra ny fifamoivoizan'ny fiaran-dalamby mampitohy ny roa tonta ny governemanta tavaratra. Miresaka momba ity fiovan'ny fifandraisana eo ami'nny roa tonta ity ny mpamaham-bolongana.

Maro ny mpamaham-bolongana no nilaza ny fahadisoam-panantenany momba ity fanapahan-keivtra ity.

남북철도, 잇는데 50년! 끊는데 1년!

예전에 남북문제나 통일관련 다큐멘터리에 단골로 등장하던 경원선 신탄리역의 철도중단점은 통일에 대한 염원과 더불어 우리에게 분단국가의 슬픔을 한층 더 깊어지게 하는 상징이었다. 끊어진 철도와 멈춰서있는 기관차, 그리고 비석에 박힌 ‘철마는 달리고 싶다’는 글귀는 우리들을 더욱 애상에 젖어들게 하는 것이었다.

남북정상회담 이후 작년 5월 17일 반세기만에 남과 북을 잇는 시험 열차가 운행되면서 철마의 꿈은 이루어지는 듯했다. 사람들은 50년 넘도록 멈춰있던 남과 북을 잇는 열차가 운행되면서 기쁨에 들떴고 서울에서 파리까지, 모스크바까지, 런던까지 가는 상상을 하며 다가올 남북교류와 협력에 기대를 걸었다. 그리고 작년 12월 11일 정기열차가 운행되면서 이러한 기대는 바로 현실이 될 수 있는 전기를 마련했다.

하지만 이명박정부 출범 후 악화일로를 걷게 된 남북관계는 철마의 50년 꿈을 1년도 되지 않아 다시 접게 만들었다. 북측에서 “6.15공동선언과 10.4선언을 부정하고 북남대결을 집요하게 추구해온 남측당국”에게 책임을 물으며 개성관광과 남북열차운행을 전면 중단시킨 것이었다.

북측은 이번 조치를 ‘1차적’인 것이라고 강조했다. 앞으로 남측의 반응을 보아가며 차후조치를 취할 것이란 이야기다. 하지만 현재로선 앞으로 남북관계는 더 악화될 것이란 예상이 지배적이다. 국민의 정부, 참여 정부 10년간 진행한 햇볕정책과 그 부산물들이 불과 1년도 안되어 도로아미타불이 될 상황에 놓여있다.[…]
‘조만간 다시 운행이 재개될 것'이라고 쓴 웃음을 짓는 마지막 남북열차 기관사의 말이 너무도 안타깝게 다가온다. 남북을 잇는 철로 앞에는 너무도 자욱한 안개가 끼어있고 멈춘 철마는 다시 달릴 날이 기약이 없다.

Nampifanohy an'i Korea avaratra sy atsimo 50 taona taty aoriana dia nanapaka izany indray herintaona taty aoriana!Toerana malaza fakana sary fanadihadiana malaza eo amin'ny fifandraisan'ny roa tonta ny garan'i Sintanli sy ny fiaran-dalamby tsy mihetsika ao. Teo no mariky ny ratra vokatry ny fivakisan'ny firenena ho roa maniry ny ho tafatambatra iray indray. Mampitomany anay ny fahatapahan'ny fifamoivoizana an-dalamby , ny fiaran-dalamby mijanona, aryny taratasy ‘Fiaran-dalamby maniry te-handeha’.

Nampitohy an'avaratra tamin'ny atsimo indray manko tapaky ny taonjato iray taty aoriana ny fiaran-dalamby taorian'ny fihaonana an-tampony notanterahina ny 17 May tamin'ny herintaona. Azo lazaina fa amin'ny fiaran-dalamby ho hahatanteraka ny nofinofy. Faly ery ny olona nahita ny fiaran-dalamby niasa indray ka manantena fa hahatonga azy hatrany Paris, Moskoa ary London izany. Nanantena fiarah-miasa teo amin'ny Korea atsimo sy avaratra izahay. Ary avy eo, ny 11 Desambra 2007, nanomboka niasa ara-dalàna ny fiaran-dalamby. Teo indrindra ny fotoana nahatanteraka ny nofinofy.

Saingy, hatramin'ny nijoroan'ny governemanta vaovao dia niharatsy ny fifandraisan'ny roa tonta ary dia nijanona indray herintaona taty aoriana ilay nofinofin'ny 50 taona. Notondroin'i Korea avaratra ho tompon'andraikitra amin'izao fampiatoana ny fifamoivoizan'ny fiaran-dalamby mampitohy ny roa tonta izao moa ny fitondrana Korena tatsimo izay mitsipaka ny fifanarahana tamin'ny fihaonana ny 15 jona sy  4 oktobra.

Nasongadin'i fitondrana Koreana tavaratra moa fa vao ny dingana voalohany izay. Izany hoe miankina amin'ny fihetsiky ny Koreana tatsimo no handraisany fanapahan-kevitra. Hitay anefa fa mbola hiharatsy ny fandehan-draharaha. Hanjavona ao anatin'ny herintaona ny ezaka natao tao anatin'ny folo taona.

Mampisento ny mahita ilay mekanisiana mitsiky tsy ravo miteny hoe ‘mbola hiasa tsy ho ela ity ka!’ Feno  zavona tanteraka ny lalamby mampitohy an'i Korea avaratra sy atsimo ary ny fiaran-dalamby tsy mihetsika… Tsy fantatra intsony hoe rahoviana indray vao hisosa izy ity.

Aiza ny lalana marina ho amin'ny fampitambarana?

이산가족상봉은 꿈에도 못꾸고, 금강산 개성관광, 남북철도중지..점점 더 꼬여가는 남북관계 과연 이상황까지 오게된 원인이 무엇이고, 누구에게 책임이 있을까요? 남쪽 북쪽 분명..일방적으로 한쪽 잘못은 아니겠죠? 그러나 한가지 분명한것은 과거 10년동안 우호적인 남북관계가 극단적인 대치상황에 와있고, 앞으로도 더 깊어질것 같다는 것입니다.

한날당은 과거 야당시절부터 남북관계의 기본 전략으로 “상호주의”를 주장하고 있습니다. 내가 떡하나 주면 너도 떡하나 달라..솔직히 남한은 북한의 핵을 빼면, 경제력, 군사력(재래식무기)차이가 비교가 안될정도입니다. 압도적 우위에 있는 상황에서 상호주의를 주장, 더구나 한피를 나눈 민족입니다. 통독전 서독은 어떠했습니까? 공산주의국가중 가장 부자나라인 동독을 상대로 서독은 유무상으로 지원해준 경제지원금이 엄청났다고 합니다. 서독 국민들은 바보였습니까?[…]

Ankehitriny tapaka ny nofinofy ny hihaonana amin'ny fianakaviana tafasaraka any avaratra. Fampiatoana ny fitsidihana ny tendrombohitra  Geumgang sy ny lalamby mampitohy an'atsimo amin'ny avaratra… Miharatsy ny fifandraisana. Fa inona no mahatonga ny fifandraisana tahaka izao? iza no tompon'andraikitra? Korea avaratra? Korea atsimo? Tsy mieritreritra aho fa ny iray amin'ireo no anton'izany. Ny mazava aloha izao dia nihamatroka sy hiharatsy ny fifandraisana naharitra 10 taona teo amin'ny roa tonta.Navoitran'ny Antoko National Lehibe fa ny “ty sy nday” no paika fototry ny fifandraisana eo amin'ny Korea  avaratra sy atsimo. Raha manome mofogasy aho, dia tokony hahazo iray ho takalony… Raha ny marina, ankoatra ny fitaovam-piadiana nokleary, tsy afaka mifampitaha mihitsy i Korea avaratra sy atsimo  ao amin'ny ‘hery ara-toe-karena’ sy ‘hery ara-miaramila’. Isika no mahery nefa isika no mitaky ny “ty sy nday”. Fanampin'izany, vahoaka iray ihany isika. Vinanio anie i Alemaina andrefana talohan'ny fampitambarana! ry zareo no nizaka ara-bola ny fampitambarana tsy nitaky valimbabena. Tamin'izany fotoana izany anefa dia i Alemaina atsinanana no firenena Komonista nanankarena indrindra. Midika ve izany fa adala ny Alemana tandrefana?

Mpamaham-bolongana sady olotsotra manao gazety no nitsidika ny gara.

28일 오전 9시 30분. 도라산역에서 S4401 열차가 힘차게 기적소리를 울리며 북측을 향해 떠났다. 최근 북측의 육로통행 제한에 따른 마지막 열차였다. 지난해 12월 11일 다시 개통된 경의선 철도가 남북관계 경색으로 다시 운행이 중단된 것이다. 이날 남북출입사무소(CIQ)와 도라산역을 뒤덮은 짙은 안개는 현재의 남북관계를 그대로 보여주는 듯했다.

“착잡하다… 이렇게 늦게 출발한 것은 처음 있는 일” 지난해 12월부터 220여회 경의선 열차 운행에 참가했던 기관사 신장철씨는 ‘마지막 운행’ 소감을 묻는 질문에 “착잡하다”고 답했다. “남북관계가 빨리 정상화되어서 더 많은 열차가 남북을 오가길 바란다.” 신씨는 “현재 북측의 분위기는 달라진 게 없다”고 전한 뒤 “북측도 열차 운행 등에 열정을 가지고 있다”며 “더 많은 열차 운행이 이루어질 수 있도록 남북이 모두 노력해야 한다”고 말했다.

이날 마지막 열차는 평소 출발시간보다 30분 늦은 9시 30분에 출발했다. 이와 관련, 신씨는 “이렇게 늦어진 것은 처음 있는 일”이라며 이런 설명을 덧붙였다.

“원래 오전 8시 50분께 북측의 승인이 떨어지면 일단 개성관광 버스가 통과한다. 그 다음에 열차가 출발하고 일반 화물 열차가 북측으로 들어간다. 열차는 보통 9시에 출발해 왔는데 오늘은 좀 늦었다.” 북측의 제한조치에 따라 하루 7차례였던 출경횟수도 4차례로 바뀌었다.[…]

tamin'ny 9:30 maraina ny 28 novambra, nandao ny garan'i Dorasan nampaneno anjomara hizotra ho any Korea avaratra ny fiaran-dalamby S4401. Ity no zotra farany hatramin'ny niovan'ny fitondrana tavaratra hevitra. nanomboka nandray ny asany ny fiaran-dalamby tamin'ny 11Desambra tamin'ny herintaona, fa noho ny fiharatsian'ny fifandraisana moa dia naato ny asa. Tahaka ny mampiseho ny endri-pifandraisana eo amin'ny Korea Avaratra sy Korea Atsimo ny hatevin'ny zavona teo amin'ny garan'i Dorasan, ny fadin-tseranana, ny sampan'ny fifindra-monina ary ny tobim-pahasalamana.“Sarotra ny manazava ny fihetsem-poko… sambany taraiky be ny niaingan'ny fiaran-dalamby.” hoy ny mekanisiana Shin Jang Chul izay niasa tao hatramin'ny volana desambra ary nikarakara azy in-220 . “manantena aho fa hihatsara indray ny fifandraisana ary dia hampitohy ny roa tonta indray.” Nilaza koa izy fa, “Niova koa ny rivotra any Korea avaratra. Lasa mankafy mandeha fiaran-dalamby ry zareo. Tokony hiezaka na i Korea avaratra na i Korea atsimo hahabetsaka kokoa ny fiaran-dalamby miasa.”

Tamin'ny 9:30 maraina no niainga ny fiaran-dalamby farany, izany hoe faharatana 30 minitra izany. Momba izany moa dia niteny Atoa Shin  “Sambany izy tratra aoriana toy izao.” sy, “Mahazatra moa rehefa manome lalana i Kore avaratra amin'ny 8:50 maraina, dia ny fiaran'ny mpizahatany Kaesung aloha no mialoha lalana. Avy eo, dia mizotra mankany avaratra ny fiaran-dalamby mpitondra entana. Miainga amin'ny 9 ny fiara. fa tara izy androany.” rehefa nihahenjana ny fifandraisana dia noferan'i Korea avaratra  ho fiaran-dalamby 4 ihany no nekeny tamin'ny fangatahana alalana 7.[…]

Noho io toe-javatra io, maro ny mpiserasera miady hevitra amin'ny fomba mety hahatsara ny fifandraisana.

[…] 남북관계 파탄의 장본인은 바로 ‘DJ’ 이기 때문이다. 처음부터 DJ의 ‘5억$ 밀거래’ 등 지극히 불대등적, 비정도적, 부도덕적 대북관계를 조급하게 밀어붙이지만 않았던들 오늘의 이 같은 ‘심각한’ 남북경색은 결코 오지 않았을 것이다. 오히려 보다 ‘진전된’ 남북관계가 확립되었을 것이다. 오늘의 남북관계가 단절의 위기까지 치닫고 있는 것은 이명박 정권의 ‘순리적’ 대북정책에 있는 것이 아니고, 모두가 전적으로 김대중과 노무현 좌파정권의 퍼주며 애걸복걸한 ‘성급한’ 대북정책에 있기 때문이다. 남북을 불문하고 이 땅에서 태어난 사람이면 그 누가 통일을 바라지 않겠는가? 하지만 우리의 통일은 애걸복걸 한다 해서 조급히 서둔다 해서 이루어지는 것은 결코 아니고, 그 무엇보다도 ‘시간’ 곧 우리는 독일과는 달리 ‘민족상쟁’ 을 꺾었기 때문에 적어도 이 아픔이 치유되어야 할 시간이 필요하다. […]

[…] ny tompon'andraikitra tokana nanimba ny fifandraisan'i Korea avaratra sy atsimo dia ilay efa nahazo ny loka Nobel momba ny fandriampahalemana sady efa filoha teo aloha ‘DJ-Kim Dae Jung.’ Raha tsy nametraka politika tsy marina, miangatra, tsy manaja tamin'ny ‘500 arivo arivo dollars’ teo amin'ny fifandraisan'i Korea avaratra sy atsimo izydia tsy tonga tamin'izao lalana izao ny fifandraisana. Raha tokony ho ‘nivoatra’ kokoa ny fifandraisana. Ny mahatonga an'i Korea roa tonta ho samymanana olana amin'ny ankilany avy dia noho ny politika ‘lozika’ (matotra kokoa) ataon'ny fitondrana Lee, saingy indrisy moa teo ny politika ‘koropaka’ nataon'i Kim Dae Jung sy Roh Moo Hyun. Fa iza moa no tsy mitady ny fampitambarana indray raha olona teraka teto ihany koa? saingy tsy ho tontosa izany noho ny fahamehana na noho ny fitiavan-kangataka. Mbola mila fotoana ny ankamaroantsika. Tsy tahaka an'i Alemaina isika satria nisy ady an-trano teo amintsika.’ noho izany, mila fotoana isika hitsaboana ny ratra mbola mitoetra.[…]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.