Ezypta: Sarobidy kokoa ny mahavirijiny noho ny famonoana olona

Voasariky ny tantaran'ny famonoana olona mampihoronkoditra iray indray i Ezypta, mpianatra any amin'ny anjerimanontolo roa ireto nisy namono teny an-tohatra tany amin'ny tanànan'ny 6 oktobra (mampahatsiahy an'i 67ha lahy izy izany!) fivondronan'i Sheikh Zayed ireto. Zanaka vavin'ny mpihira Maraokana Laila Ghofran ny iray tamin'ireo novonoina.

Ity vono olona ity dia nanaraka indrindra ny vono olona iray hafa mahatsiravina koa izay nitady ny ain'ny mpihira Libaney Suzanne Tameem, tany Dubai, ary nahavoarohirohy ny mpandraharaha Ezypsiana iray voalaza fa nanakarama mpamono olona hanatontosa izany.

“Two girls were brutally killed in 6th of October city … But it became the talk of town because one of the victims is the daughter of 3rd degree Moroccan singer called Laila Ghofran,” writes Egyptian Chronicles.

“Nisy namono tamin'ny fomba mampihoronkoditra tao an-tanànan'i 6 oktobra ny tovovavy roa … Lasa resabe teto amin'ny tanàna izany satria azo atao hoe zanaka vavin'ny mpihira antsoina hoe Laila Ghofran ny iray tamin'izy ireo” hoy ny voalazan'ny Egyptian Chronicles.

Ary mba hahaliana kokoa ny mpamaky dia nanely tsaho momba ny fiainan'izy ireo ny gazety sasany.

Taboohat no nanoratra ny fomba iresahan'ny fampahalalam-baovao sy ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny ity famonoana olona ity:

كنت اعدة امام التليفزيون فرض عليا من امي وجدتي مشاهدة البيت بيتك
واللي كانت مستضيف اللواء معرفش مين رئيس مباحث 6 أكثوبر
واللي اعد يحكي علي الدلائل المؤكده اللي مفيش حاجة منها مؤكد واللي برضوا انا مش مهتمة بيها هنا
بس بجد اللي صدمني او وخضني هو انهاء الفقرة بتليفون من والد نادين واللي عمل حوار اد كده صدام
نبدأ والد ناين بالسلام عليكم ورحمة الله وبراكاته
وحشر في النص حلفان برب الكعبة والصلاة علي النبي والحمد والشكر لوزارة الداخلية ليه عشان اثبتوا براءة وشرف بنته

للحظة نسيت ان البنت اتقتلت وحسيت انهم بيدورا لها علي عريس
وافتكرت تاني اما اكمل السيد اللواء ان الطبيب الشرعي اثبت انها بيت بنوت وان كل اصدقاء الاب كانوا بيبركوله ويهنئوا امام النيابة …
بنته طلعت عزراء بجد ..
… ملعون ابوا ده مجتمع اللي خلي كل اللي فارق مع اب بينتوا اتقتلت من اسبوع ان بيتوا طلعت عزراء
وملعون ابوا ده مجتمع اللي حيفضل يحاسب البنات علي عزريتها وهي عايشة وهي ميتة
مش مهم انها اتقلت.. المهم انها عزراء
NIjery ny fandaharana resadresaka “El Beit Beitak” tao amin'ny fahitalavitra niaraka tamin'ny reniko sy ny renibeko aho, manamboninahitra tao amin'ny polisy no vahiny nasain'izy ireo hiresaka indrindra ny momba ilay vono olona, fa izay tena nanintona ahy tamin'ity fandaharana ity dia ny resaka tamin'ny alalan'ny sofindavitra nifanaovana tamin'ny ray aman-drenin'ny iray tamin'ny niharam-boina antsoina hoe – Nadine – izay rehefa avy niarahaba ny mpanaraka ny fandaharana dia niozona tamin'ny anaran'Andriamanitra fa tsy manantsiny ny zanany, niaina irery ary nisaotra ny minisiteran'ny atitany satria noporofoin'izy ireo fa mbola virijiny ny zanany.
Adinoko tao anatin'ny fotoana vitsivitsy fa nisy namono io zazavavy io ary nieritreritra aho fa te-hanadio an-drazazavavy ry zareo, indrindra moa rehefa niteny ny manamboninahitra sy ny dokotera mpandinika fa mbola virijiny razazavavy, ary avy eo moa dia niarahaba nanome voninahitra ny ray aman-drenin'ny novonoina avokoa izay nahafantatra azy satria nambara tamin'ny fomba ofisialy fa mbola virijiny ny zanany vavy.
Oadray ity fiarahamonina izay mahatonga ny ray aman-drenin'ny zazavavy izay maty vao tsy ampy herinandro akory izay miezaka manaporofo fa mbola virijiny ny zanany vavy.
Oadray ity fiarahamonina izay manafay (manavaka) ny zazavavy amin'ny mahavirijiny na tsia azy, na maty izy ireo na mbola velona.
Tsy dia zava-dehibe loatra raha hoe novonoina tamin'ny fomba mampihoron-koditra anie razazavavy, fa ny tena manandanja dia hoe mbola virijiny izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.